constitution européenne

21. dadabe ( 15/05/2005 09:13)
fa aiza klou le tantsinana e? :-w
22. kally ( 15/05/2005 14:03)
Ka efa hoe mihemotra izao ny dian'ny Eropeanina,ny tsy azon'ny olona dia noforonina io hamoronana seza betsaka dia izay,izao tsy sahy manapa-kevitra akory ny eropeanina tafihan'ny vorodamba sinoa ,firifiry ny orinasa eropeanina mikatona?Ilaozana varimbariana mifaninana fa tsy izay tsy mety amin'ny tena aloha no ahitsy.
Dia inona moa no fandrosoana ho hita @ izay karama 100€.

dadabe> ny faritra atsinanana lazaiko dia Europe de l'est: Pologne,Roumanie ets.
23. mandrindra ( 16/05/2005 09:56)
Raha ny resaka délocalisation dia tsy eto eropa ihany fa hatrany asia ary tsy ny fanekena na ny fanoherana ny projet de constitution européenne no ahafahana miady amin'izany. Raha ny resaka lamba sinoa indray dia tsy laharampahamehana ho an'ny eropeana ny fametrahana quota. I Frantsa irery sisa no firenena lehibe mbola manana orinasa mpanodina lamba eto eropa, i Allemagne dia tsy manana intsony, i espagne sy italie dia efa kely dia kely sisa ny fanodinana lamba ao aminy.
24. fijo ( 17/05/2005 20:41)
mandrindra ka avela hovonoin'ny sinoa aby izany?
25. kally ( 18/05/2005 08:40)
Io fa voalazan'i Mandrindra soa aman-tsara ny zavatra tsy manjary.Bruxelles tsy mamela an'i Frantsa ,Espagne,Portugal..hametraka quota satria tsy maintsy Eropa no hametra sy hifampidinika @ sinoa,olan'ny frantsay irery io anefa hoy i mandrindra ka tsy te-hahalala an'izany Europe,dia hitanao amin'izany fa tsy misy hilàna azy io fa fika fitadiavan-tseza sy vola hahodina fotsiny,tsy misy fikendrena tombotsoan'ny vahoaka eropeanina na ny kely aza,ary didy jadona no betsaka.Ka asakasaky ry zareo mbola hifidy ny eny aloha e!
26. mandrindra ( 20/05/2005 14:27)
fijo efa folo taona no samy nahafantatra fa ho lasan'ny sinoa ny tsenan'ny lamba. Tao anatin'izay fotoana izay mba nisy nitady vahaolana hoe inona no atao ve sa efa may volotratra vao mikaikaika. Hatramin'izay anie dia efa lamba mora foana no namidy teto frantsa fa saingy tsy avy any chine daholo. Dia tokony hivarotra lamba sy akanjo lafo izany dia ahoana indray hoy ny mpanjifa? Izaho manokana aloha dia manao hoe aleo ho lasan'ny sinoa any ny tsenan'ny lamba , mifaninana raha toa ka te handresy azy na manaova zavatra hafa.
kally, fa raha tsy tao antin'i eropa izany i frantsa aminao dia afaka niady amin'ny lamba sinoa? Ny tsy haneken'i Bruxelles ny fametrahana quota dia amin'ny fampiharana ny traité de Nice izay mijanona hanakery rehefa tsy lany ny lalampanorenana eropeana. Nanomboka tamin'ny traité de Maastricht ka hatramin'ny traité de Nice anie dia fifanarahana ara ekonomika ihany no natao e. Io lalampnorenana (izay tsy tonga lafatra) io no fototra vaovao hananganana fiarahamiasa madio eto eropa na ny amin'ny asa izany na ny amin'ny sosialy na ny hetra ...
27. booboo ( 29/05/2005 20:14)
Any zany fa lasan'ny "non" ny raharaha
28. kally ( 30/05/2005 12:45)
Iouhouououo:-*
29. fijo ( 30/05/2005 22:07)
dia naharesy aloha ny hevitray e.
mandrindra,rehefa tsy hafaka hifaninana ny orin'asa europeanina dia hiova toerana,dia ihamanatra ny vahoaka,dia tsy misy handoa ny hetra dia hofaty ny firenena.izay ve le tanjona?
30. Ralay ( 31/05/2005 04:55)
Mbola hisy firenena vitsy² hanaraka ny lalan'ny la frantsa @ io non io fa aza matahotra isika.
31. Angie ( 31/05/2005 12:44)
Ny ahiko anie dia mety hoe Non @ hafanam-po daholo io fa rehefa ao aoriana ao vao hanao Oui tsy fidiny fa teren'ny fiainana e.
ZAny hoe mahafa-po @ zao ny fahitana fa ny gouvernement dia tsy mamim-bahoaka ary tsy any Frantsa ihany io fa na italie koa aza mbola ho avy eo daholo moa ireo firenena maro samy hafa.
Ny tantara dia mbola mitohy e... dia mitohy...
32. booboo ( 31/05/2005 15:41)
fa angaha moa Italie tsy efa nanasonia io raha io ?.
Amiko indray dé zao : oui à l'Europe fa ilay constitution mihitsy no tsy ao. Ary zà mino fa zay koa ny ankamaroan'ny frantsay...no sady te-hanafay kely an'i Chirac sy Raffarin ihany koa na izany aza :°)
33. kally ( 31/05/2005 17:14)
Ny tena marina ny didy jadona izay manangasanga mihitsy no mankaleo ny olona,izaho tsy any Frantsa ka tsy dia miraharaha an'i Chirac sy Raffarin.Fa io no tena hitako tsy zakan'ny olona fay midonàka ambony seza fotsiny ireo be seza eropeanina,inona no mba fanapahan-kevitra raisiny?Anaovan'ny sinoa amboletra tsy mahateny,raràna ny sigara sy ny fivarotan-tsigara nefa omena subside ny mpamboly paraky,izany ve ho logique?Ary ao anatin'io constitution io dia misy hoe "manana zo haka hetra @ vahoaka eropeanina i eropa" izany hoe ankoatry ny hetra efa alohan'ny vahoaka @ fireneny ia afaka mamorona hetra vaovao eropa dia tsy manan-ko lazaina ny mpitondra @ firenena tsirairay satria hetra eropeanina io.Ho avy koa ny Tsia avy Danemark sy Pologne.Ny antony hanaovan'ny poloney tsia?Toa lava loatra fa aleo avy eo tohizana.
34. fijo ( 31/05/2005 22:45)
za koa dia momba an'i europa fa tsy manaiky le lalana fototra.
raha io resaka lalana fototra io mantsy no resahana dia mahagaga ihany ny hoe mbola manana ny lanana fototrany i frantsa nefa efa misy ny lalana fototra europeana.ny iray eto dia mamono hoazy ny voalohany.,oho izany dia resabe ny hoe isika mbola hafaka manapaka ny fiainantsika.izao ny mpamboly aty efa mitrongy vao homana hafaka haninona i la frantsa.izao aty frantsa efa maro ny olona miasa nefa tafiditra ao anaty ny olona mahantra.hafaka haninona la frantsa.
aleo ho toa izao aloha e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3365