Père Pedro

1. mandrindra ( 25/04/2005 13:08)
Nandalo tao amin'ny fandaharana "Tout le monde en parle" izay mandeha rehefa asabotsy misasakalina i Père Pedro. Tamin'io fandaharana io no nanaovany dokambarotra mikasika ilay boky nosoratany izay vao nivaoka tsy ela.
Lohateny : Combattant de l'éspérance (autobiographie d'un insurgé)
Editeur : JC Lattes
Vidiny : 18€
Nandeha tao amin'ny takelaky ny fnac aho dia toy izao ny hevitry ny naposaky ny efa namaky an'io boky io.
Mpamaky 1 : "J'ai reçu ce livre pour mon anniversaire! Merci pour ce beau cadeau!!!Je l'ai dévoré en une nuit! Quelle vie, quelle simplicité, quel punch!!!Par les temps qui courent ce livre m'a redonné le moral, on en ressort convaincu que l'espérance est parmi nous. Merci Père Pédro! "
Mpamaky 2 : "Cet homme a reussi l'impossible et ce livre raconte son aventure avec simplicite et beaucoup d'energie a la fois C'est une occasion uniaue de rentrer dans l'interiorite d'un tel personnage avec mordant et humour mais aussi avec beaucoup de sensibilite."
Ahoana ny hevitrareo mikasika io boky io?
Izaho manokana aloha mbola tsy namaky fa vao avy nividy.


novalian'i fijo ny 06/07/2005 20:30
2. dadabe ( 27/04/2005 16:48)
:oops:
3. pitchou ( 27/04/2005 18:54)
mandrindra> mba andefaso aho fa tsy misy mivarotra an'io aty! nefa d eto no niseho ny tantaram-piainany!
Misy iray tsra vakiana ihany koa ity: Les poubelles de survie, nosoratan'i Martine Camacho!
4. Rainimaharavo ( 02/05/2005 23:57)
pitchou:

mandrindra> mba andefaso aho fa tsy misy mivarotra an'io aty! nefa d eto no niseho ny tantaram-piainany!
Misy iray tsra vakiana ihany koa ity: Les poubelles de survie, nosoratan'i Martine Camacho!

Namaky an'io boky nosoratan'i Martine Camacho io aho elaela ihany izay. Angamba tamin'ny 1997 tany hoany. Fantatro io ramatoa io satria ny zandriny nampianariko. Mbola tantara talohan'ny nikarakaran'i Père Pedro no noresahany ary karazan'ny "étude sociologique" ihany no nataony tamin'izany andro izany. Nisy nahasorena ahy kely ihany ny resaka nataony tao, satria toa hoatran'ny eto Madagasikara irery no nisy iny tantara lazainy iny; i Soeur Emmanuelle anefa efa tany Le Caire tamin'izay ary ny tao amin'ny nisy an'i Soeur Emmanuelle dia tena nahatsiravina mihitsy raha oharina amin'izay nosoratan'i Martine Comacho.
Tsy nahagaga koa ny fitantaran'i Martine Comacho an'io satria araky ny fahitan'ny vahiny nandalo, toy ny vahiny mandalo rehetra ka ny ratsy no hita fa tsy izay mahafinaritra. Ny tokony ho hataony koa dia ny manoratra boky amin'izao fotoana izao ny FOYER SONACOTRA ao Saint-Denis (93) Métro Porte de Paris dia ho hitany fa aleo aza mipetraka ao Andralanitra toy izay ao amin'io toerana iray an'ny Région parisienne renivohitry Lafrantsa io.
Izay monina ao Paris ianareo dia mandalova ao amin'io Foyer SONACOTRA io dia ho hitanareo eo hoe : Eto PARIS ve no misy izao...




5. fijo ( 05/05/2005 20:20)
ao amin'ny foyer sonacotra marseille koa"blvrd de starsbourg" mba tokony hanoratany raha izany dia ahita ny rehetra fa kay koa aty misy toa izany.
6. booboo ( 04/07/2005 18:54)
Ary nisy nahita lé article-n'ny Le Monde, "M/car, le monde de la décharge" vao haingana iny ve ?
7. chipie1 ( 05/07/2005 14:59)
boooboo > za ttsy nahita o!
mandrindra > efa vita ve le boky hihihi
8. Rainimaharavo ( 05/07/2005 22:29)
moramora ny maneso sy manatsikera ny any an-tany lavitra hoan'ny frantsay fa ny tena eo amin'ny tananany tsy hitany. tsy mbola nahita gazety frantsay milana mihitsy aho hoe izao no mba zavatra tsara vitan'i Madagasikara...ny azy dia izay ratsy ihany no hitany. Ho hitantsika eo moa rehefa mandalo aty i SIRAKA ê!
vao haingana izao no nisy vaovao nampiseho ny "bidonvilles" misy ao Paris ao. Tsy ny gazety mitsikera an'i Madagasikara mihitsy no hanome ako an'izany.
asa izay hevitrareo:(:(
9. fijo ( 06/07/2005 20:30)
marina izany ry rainimaharavo.ny azy tsy hitany fa ny manambany ihany no ataony.nefa rehefa mba lazain'ny alemana ny loto sy ny fofona aty tezitra sy miboramena ery.
io samy manana ny azy;dia tokony samy mano izay hampety ny ao aminy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7162