Famoriana hetra fanampiana ho an'i serasera

21. hery ( 24/04/2005 15:12)
isambilokely> misy avy any Canada efa nanolo-tena hanohana fa tsy maninona na tsy manohana aza isambilokely :-)
22. cheboman ( 25/04/2005 06:38)
hery:


... Olona 20 no ilaina handoa dia vita indray ny amin'ity taona ity ka afaka mitavana tsara indray isambilokely rehefa mahaloa ireo olona 20 ireo......




maharary koa zany phrase zany ry sambilokely an! enga anie ka nataon'i hery ho azy irery io fitenenana io fa raha tsy izany mahalasa eritreritra ny sasany tsy tafiditra ao anatin'ilay 20 koa, resaka fitiavana ilay site sy fifanampiana mantsy ilay izy ka raha ny mpiandraikitra no avo vava mety ampihemotra ny sasany iany.

isambilokely> inona ary ty fomba mampiakapofona ny vahoka ty?


23. ds ( 25/04/2005 11:51)
Izay mangina hono volamena kanefa ilaina ihany ny fanamarihana indraindray manoloana itony fihantsiana ataon\'i Isambilokely itony.
Ny atao hoe \"arnaque\" amiko, dia fanambakana. Koa raha misy olona mihevitra ny voambaka satria nanohana ara-bola ny Serasera.org, dia iangaviana izy anoratra aty amiko mba hamerenako ny volany.
Fanampiana enti-manatanteraka ny asa vokarin\'ny Serasera.org no fangatahana natao fa tsy fitadiavam-bola akory. Tsy misy olona mandray karama ato fa ny herim-po sy herin-tsaina no mamelona ny mpandrindra rehetra ato. Isaorana eto daholo ireo rehetra misasatra, indrindra indrindra i Hery izay tena miasa jamba rafozana hoy ny fitenenana, manome fahafaham-po lalandava ny mpanjifa.
Ny tanjona, dia ho maimaim-poana lalandava ny tolotra ato.
Zon\'ny mpanohana ny mahafantatra ny anaovana ny fanampiana nataony, afaka manoratra mivantana aty amiko izay te hahalala ny toe-bolan\'ny Serasera.org.
Dia manantitra ny fisaorana antsika rehetra mpandrindra, mpanohana ara-bola ary ny mpanjifa rehetra.

ds
24. isambilokely ( 28/04/2005 02:54)
Ary i Desa izany anie manana holazaina ihany rehefa voapaika ilay sarona vilany tany e ! Fa ilay contract no tena sadasada dia izany no mahatonga ny hoe ARNAQUE ilay izy.

Dia ahoana indray aloha izany resaka hoy ilay OP serasera iray izay teto hoe : mivarotra data base any ambadika hono ny serasera, izany hoe ireo contacts ato no amidy ?

Iza no mba mety ho afaka ny hanome fanazavana an'izany fa tena tsy mety kosa raha ny adiresinay no ampiasaina anaovana bizna. Sao dia ARNAQUE amin'ny endriny fahatelo indray izany ?

:lol: Mbilo

take time to be friendly, it's the road to happiness
25. naritsimba ( 28/04/2005 06:35)
Miarahaba antsika namana rehetra.
Tsy dia manakambara firy moa ny tenako ary mino aho fa mety hitovy hevitra amiko ny ankamaroan'ny namana avy aty Madagasikara dia ny hoe ho sarotra ho anay ny hahita 20euros izany satria ny ho hanina anio tadiavina anio, ary izay no mahatonga ny ankabeazan'ny namana aty tsy dia afaka miditra firy intsony indrindra ireo izay tsy manana any @ Birao fa tsy maintsy mankany @ Cyber, koa angamba tsy hanome tsiny anay ianareo mpitantana ny "site" raha tsy afaka manampy izahay,y azonay atao dia ny mitondra am-bavaka mba hiorenan'izy ity ka haharetany ho an'ny taranaka fara aman-dimby.
Izahay koa dia mifampita vaovao izay mitranga ato tsy tapaka.

Hafatra: Izay afaka manome da manomeza amin'kafaliana,Izaho rahateo moa mpanoratra ato ary mbola hanoratra foana hanorara hatrany.

Mazotoa daholo e!

NB: Misaotra an'i FA manokana.


26. hery ( 28/04/2005 07:24)
naritsimba> misaotra hatrany naritsimba a.
olona 20 ihany hono no ilaina dia velona mandritra ny herintaona ny site. Ny isantsika dia 7000 mahery (raha toa ka tsy kontiana ry isambilokely :-) ) ka angamba efa feno izay. Misaotra hatrany amin'ny fanentanana ny namana any Madagasikara.
27. iartistika ( 28/04/2005 08:07)
:-D
28. naritsimba ( 28/04/2005 12:27)
isambilokely> mba namana letsy fa samy Malagasy ah! Raha misy olona nampalahelo anao ny nataony dia anoraty manokana izy e!
Mino aho fa tsy ny olona avara-pianarana tahaka an'ise mihitsy no halailay fonosana tahaka ny fary, na afo lavitra tsy azo hamindroana, fa mba sahia milaza izay antony manokana tsy itiavan'ise ny resaka fangatahana fanampiana ato @ namana.serasera.

Misaotra sahady @ valinteny omen'ise ry Isambilokely


29. pitchou ( 01/05/2005 15:57)
oupssss! oupssss! oupssss!

tsy nampoiziko hoe olona mahay sy afaka miserasera no tsy hahafantatra ny zavatra takian'ny fametrahana itony zavatra itony!
Marina fa sarotra ho an'ny eto mada ny handray anjara @ le mety azo atao hanohanana ny filana ara-bola nefa sao d misy azo atao ihany mikasika ny OMDA? satria marina tokoa fa misy droit d'auteur tokony aloa io, fa tsy hoe satria gasy ny hira henointsika d avelao handeha ho azy! fa ny an'ny hafa ve izany hajaintsika fa ny antsika tsy koi?

aleo ihany manao ny ara-dalana hatrany e!
raha mifandrimbona ve isika tsy ho vitantsika io!

izay rehetra sady te-hamantam-bonona no tsy manao afatsy mitsikera> raha tsy nahitanao soa tato, na dia fahafinaretana fotsiny aza dia aleo miala mba hampihena ny lanjan'ity e! fa raha mba nahita sombiny kely ihany nahoana no tsy hanohana e!
30. isambilokely ( 01/05/2005 22:17)
Ary aza mora mibotsibotsina sy manintsambolo eto ianareo fa sehatra iadiana sy hanehoana hevitra eto fa raha tsy mahazaka dia tsy mandray anjara amin'ny ady hevitra no tena mety indrindra fa rahatsy izany dia marary fo amin'ny tsy an'ny tena.

Tsy misy mihantsy eo ry RaDesa (Ds) fa resaka atsipy iny ka any am-pon'izay mahalala.

Mbilo
:lol:
31. pitchou ( 02/05/2005 19:04)
ka isambilo ange tsy hita ihany e! lazain'isambilo hoe tsy milay eto (atsy ambadika atsy) fa misy tsara kokoa, nefa isambilo mampiaka-peo rehefa lazaina hoe mba tsara raha samy mandray anjara keeeeeeeeeeeely izay mpaketo! ka tena mahatsiaro tena ho concerné indray angaha isambilo aloha e?
32. isambilokely ( 03/05/2005 05:09)
Ary i Piso wa aza mora misendoatra fa mbola ho lava ny lalana aleha. Katalizera anie ny tenanay rehefa mandalo eto ... ilay manafana sehatra rehefa tsy misy atao iny dia manala azy eto.

Sa ... mpikarama eto ianao io ry Pitchou ?

Mbilo
:lol: Youpiiiiiiiiiiii
33. pitchou ( 03/05/2005 19:17)
ie! karama be mihitsy no azoko eto! fahafinaretana be! enao ngah tsy mba mahazo karama manketo?
34. isambilokely ( 05/05/2005 02:08)
Manala azy de mimeme, mivazovazy de mandende
manadala olona no tena atao eto ry pitchou ...
rehefa tena tezitra be iny ny olona dia iny no fahafinaretana be ... ilay mahita azy mivindavinda iny indrindra indrindra !

Mbilo
:lol: youpiiiiiii
35. pitchou ( 05/05/2005 05:41)
ko inona indray no mahaory anao? mety nanao kolikoly aza enao ambonin'ny karamanao eto raha izany! :twisted:
36. fijo ( 05/05/2005 21:10)
isambilokely milaza fa hafaka mitory.é é é maninona tokoa moa raha manandrana mitory ikalakely ahitana azy e.
ary gasy ihany ikalakely ka aza manambany ny any madagasikara.\"ny any mada sy afrika no mampandroso sakafo\"amin\'ialy soupy serasera/fa ngaha rehefa hoe any dia tsy hafaka hisahana toerana hafatsy izay??,
37. isambilokely ( 08/05/2005 02:34)
Ary lefijokely anie mnba mitandrema fa osa de mitresaka ny lalandza e za eto konko mandzagitsa be. toy zany konko ry pitchouhina mbola mimeme be eto am le enao tezitsa be io ... toa azoko an-tsaina le mibindana be ilay orona sy molotsa ..

Lembilo Iraika
:°)
amontana.homeunix.net injay hono hoy ny komandin'ny mpanala azy e
38. Chuan ( 09/05/2005 16:04)
Soso-kevitra ho fanampiana no nataon`i Betty fa tsy hoe fanerena na iza na iza ry Isambilokely ! Ianao afaka tsy manao fa izay te hanao aza sakanana amin`ny resa-be satria hitako fa lasa lavitra be ny eritreritr`Isambilokely . Somary ahitàna taratra hoe ory hava-mànana izany ary io anisan`ny toe-tsaina mbola tena mila miova amintsika gasy marobe , izany hoe tsy ianao irery no tratran`io tarazo io fa betsaka amintsika , koa dia atsipy izao kozy zao mba ho tsakotsakoin`ny gasy manam-panahy rehetra .
39. fijo ( 09/05/2005 21:41)
mbilo kley an?ndryu anie tsy ahavaky ny lalandako mihintsy e.nendry tandremana tsara tsy handry ny ra
40. isambilokely ( 10/05/2005 04:38)
Ary i Chuan io moa ilay avy any Chine raha ilay IP io. Tsy ory hafa-manana fa tsy mazava ny lalan'ny vola takiana e

O ry Fidzou an .. aty ampy sakafo daholo dia tsy misy mandry ny lalandra zany. FA za klo afaka manjaitra lalandra vaky raha toa ka mitresaka ny an'ise ! lol

Mbilo
:lol: Youpiiiiiiiiiiiiie
www.amontana.com
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2692