Mitady olona na lahy na vavy mpiangona tao @ fiangonana FMTA

1. saho ( 21/04/2005 12:45)
Maniry ny hifandray ny mpiray fivavahana tao @ fiangonana FMTA Antranobiriky. Na lahy izy na vavy na antitra na tanora indrindra fa izay efa nandray anjara Choral tao na taloha na vaovao. Omeko email adiresy ihany fa valio aho aloha dia avy eo isika mifanoratra

Mirary soa ho antsika rehetra :lol: :lol:
novalian'i tsiR ny 10/07/2013 03:13
2. tsilakely ( 22/04/2005 11:27)
SAlut SAho! za tsy dia mpivavaka tao. a vrai dire, rehefa mandevina sy fety ihany no tena mivavaka ao satria lavidavitra anay ihany Ambatonakanga fa misy famille-nay maromaro no mivavaka ao. tsy maninona koa nge ny mifanoratra @ tsy mpiraka mivavaka @ tena e! :lol:
3. saho ( 22/04/2005 11:53)
Tena marina ny voalazanao fa ny mampieritreritra ahy dia izaho taloha tia nanatrika ny sekoly Alahady tao ary izany fianarana nataoko tao izany dia mbola mampahery ahy hatrany aty an-tany lavitra aty.

Ny fifidianan'i Monsiuer le president ny FJKM Mpitandrina ho voatondro hiasa ho azy no mampieritreritra ahy satria nahoana fotsiny ny FJKM?

Fa aiza ianao no mipetraka? Iza no tena anaranao? Ny anarako dia Saholy ary ny e-mail dia Saholy@gmx.de raha ohatra ianao mazoto hanoratra ahy...
veloma vetivety :lol: ^:^
4. dadabe ( 23/04/2005 06:07)
saho>fa inona klou le FMTA e?raha ambatovinaky klou de ok ,tanananay ao fa le FMTA mba azavao hoe
5. saho ( 23/04/2005 10:50)
Hi dadabe,
ilay FMTA dia midika hoe Fiangonana Malagasy Tanozozoro Antranobiriky, izay manana ny maha-izy azy tokoa t@ izao mbola tany Mcar. Tao no nahalehibe ahy ara-pinoana ka mbola tsy misy Mpitandrina nisolo ny Itlahy Rev. Ratovonarivo izay nodimandry t@ taona 2000. Betsaka tokoa ny zavatra niseho tao ary saiky olona manana ny mahaizy azy no mpandray andraikitra tao na ara-theatre filanzantsara izany na ara-kolikoly iraisam-pirenena. Tsy fantatro loatra izao ny fandehanana ny zava-misy ao ary mba izany no faniriako hifandray indrindra @ mpiangona ao nefa na dia izany aza dia tsy maninona na tsy mpiangona ao aza no mifandray amiko. Tena mba zava-dehibe ny Tantara nisy an'io FMTA io ary miparitaka izy eran'ny Nosy izy io fa ny manodidina ny Tana ihany no efa voatsidiko taloha t@ izao Choral tao Ambatonakanga
Veloma vetivety :lol:
6. tsilakely ( 29/04/2005 13:11)
Salut daholo dia salut koa Saholy. za tsy manakiana an'i Saholy ah ary tsy manakiana ny FMTA koa fa voalohany aloha: fa nga moa tsy FJKM ny FMTA? (noheveriko fa izy fa mety diso aho). dia ny impression-ko mamaky ny message-n'i Saholy (mety diso aho a), ohatry ny hoe ny nivavahanao tao ve tsy Andriamanitra fa ny tantarampiangonana? satria manana ny maha izy azy daholo ny mpiandraikitra tao? Amiko tsisy olana mihitsy niza niza pasitera ao rehefa Andriamanitra no aleha ao.
Ohatra za, za Protestanta FJKM tany Madagasikara. dia mivavaka eny @ FMTA aho rehefa misy fiarahambe an'ny fianakaviana, fa eny @ FJKM teny akaikinay aho no mivavaka le reste du temps satria plus pratique. Dia aty France aho izao mivavaka aty @ FLM, tsisy olana. Nohezahiko nofantarina fotsiny ny particularités-n'ny FLM dia tsy mifanipaka @ conviction-ko, fa amiko ny fivavahana dia entre-na sy Andriamanitra fa tsy idiran'ny tantarampiangonana sy ny pasitera sy ny hoe zay mivavaka ary satria any daholo ny "razam-be anay".
izay fa @ manaraka e
7. dadabe ( 29/04/2005 14:15)
hhmm io ary nenao saho
8. saho ( 01/05/2005 09:46)
Tsy FJKM mihitsy ny FMTA...
Marina fa Andriamanitra dia iray ihany kanefa na izany aza dia samy manana ny Tantarany ny fiangonana satria isika dia notoriana ny fiainana ao @ Kristy taloha izany hoe tsy teraka tao amintsika ny fiainana Kristiana fa kosa notolorana io isika...

Amiko dia fifaliana lehibe no ahafahana mifandray @ Kristiana eran-tany kanefa dia misy ny fahasamihafana eo @ samy Kristiana voalaza.

Raha tsy aty an-dafy ianao tsy maharaka izany fahasamihafana izany. Misy fiangonana malalaka ho an'ny rehetra ohatra eto aminay eto Allemagne ary ry zareo dia mitory teny eny an-dalana sns...Misy koa ny temoin de Jehovah mitety tranon'olona sns...Misy koa ny fiangonana adventiste mivavaka ny Sabotsy sns... izany rehetra izany dia efa hitako daholo saingy amiko tsy izany no atao hoe Kristiana fa ny fitiavana misy ao aminao @ alalan'i jesosy kristy dia ny fitiavana ny namana tahaka ny tenanao. Ny fitiavana ireo Kristiana eran-tany tsy an-kanavaka izay no fiantombohan'ny finoana iraisana ao @ Andriamanitra iray ihany miaraka @ Jesosy Kristy...

Izay indray ary aloha fa dia manao veloma finaritra indray ny mpanoratra
9. tsilakely ( 09/05/2005 12:35)
sali daholo... marina ange ny tenin'i SAho hoe ny maha kristianina d ny fifandraisanao @ Jesosy Kristy e! d'accord tsara amizay fa tsy dia hitako loatra ny idirann'ny tantarampiangonana sy ny olona mivavaka ao. Rehefa te-hifandray @ kristianina eran-tany enao d mifandraisa fotsiny aminy amin'ny maha-kristianina an'ireny olona ireny fa tsy @ maha mpivavaky ny FMTA azy. Hevitro zay d tsy haiko zé andraisanao azy.
d misaotra nanoro hoe tsy FJKM ny FMTA satria za tena nihevitra hoe FJKM ny FMTA. personnelement, za tsy dia mahita difference entre ny fiangonana protestant ohatra hoe FJKM sy FLM na hoe FMTA... mais bon za manokana zay sady tsy zany lé sujet; sixx daoly ary
10. ITolotsoa ( 05/01/2012 13:34)

[Miarahaba, Asa na mbola misy mitsidika ato hianareo 2012 isika izao. Mba omeo izay misy fiangonana FMTA eto Antananarivo ry zareo a! Alaroabia? Ivandry? Isoavimasoandro ? na ny manodidina e! De misaotra.
11. njaka04 ( 19/10/2012 14:09)

ITolotsoa:


[Miarahaba, Asa na mbola misy mitsidika ato hianareo 2012 isika izao. Mba omeo izay misy fiangonana FMTA eto Antananarivo ry zareo a! Alaroabia? Ivandry? Isoavimasoandro ? na ny manodidina e! De misaotra.


miarahaba e, asa ra mbola mijery eto i Tolotsoa fa ireto no fantatro mis fiangonana FMTA ao tana: Ambatonakanga, 67ha antsalovana, Besarety, Tanjombato, Andoharaofotsy, Ivato, Ambohimangakely, Ampitatafika Ambohibary,Alasora,
12. tsiR ( 10/07/2013 03:13)
Bjr Saho!
mbola mijery ity pejy ity iany ve ianao?
enao mo zany tao @ TKFD taloha?
veloma ary dia mirary soa indrindra e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.145