Mba fantaro ny niandohan'ny fiangonana sy finoanareo!!!

1. methode ( 21/04/2005 01:20)
Maro aminareo Protestantes ny te-hahalala momba ny fiainan'ny Pretra Katolika!!! Raha fantatrareo fiangonana sasantsasany ny tena tantara nisy dia mety hanampy anareo hahazo kokoa ny olana momba ireo pretra manana olana! Maro amin'ireo mpanorina mantsy no pretra niala na antony hafa momba ny fanambadiana!!!
Ohatra : 1/ Moine katolika iray niala ary nanambady masera nonanorina ny Fiangonana Protestanta anisan'ny malaza sy be mpino 2/ Fanakanana mpitondra iray tsy haka ny vadin'ny rahalahiny no nahatonga io lehilahy io hisaraka tamin'ny Fiangonana Katolika ka hanorina Fiangonana manokana!!! Anisan'ny matanjaka koa io Fiangonana io amin'izao fotoana izao!!!
Fanontaniana: Moa ve fantatry ny mpino ao amin'ireo fiangonana ireo ireo tantara ireo?Marihiko fa manana namanabe de be amin'ireo fiangonana ireo aho ary manana fianakaviana maro ao ka tsy manaratsy azy velively!
2. fijo ( 21/04/2005 04:30)
taiza indray izany no nivoaka fa tsy mbola henonay le.za tsy mpino fa tsy mbola naheno an'izany koa
3. booboo ( 21/04/2005 06:06)
ary moa ve fantatr'ilay nametraka fanontaniana fa tsy izay ihany no antony nisian'ireo fiangonana "protestants" 2 teneniny ireo ? :roll:
4. dadabe ( 21/04/2005 07:31)
....fa reka doctrine hafa mihitsy....
5. jooko ( 21/04/2005 07:44)
Fiangonana inona zany resahin'i methoda zany, dia tamin'ny taona oviana no niforonany? aza asiana honohono fa lazao eto ho hitan'ny be sy ny maro...

za aloha tsy mahalala ary fait divers no fijeriko an'izany raha misy satria amin'ny fivavahana hinoako dia mitovy ihany ny mpitondra fiangonana sy ny mpiangona : samy manana ny fitondra-tenany saingy ny finoana no manavotra...

Misy fait divers maro mikasika ny mpitondra fiangonana sasantsasany eran-tany ( na katolika io na protestants na inona na inona )fa zany akory tsy entina handatsahana an'ireo mpivavaka ao aminy...
6. kally ( 21/04/2005 13:38)
Amiko kosa tsy izany no fiandohan'ny finoako sy ny fiangonako kah!Hafa mihitsy ny ahy no niandohany ary tsy miankina amin'izany ny finoako!
7. zandikely ( 21/04/2005 20:12)
Voalohany dia aza heverina ho tsy mahalala na inona na inona ny olona, samy mahalala ny tantaran'io ny ankamaroany olona .
Raha fintinina dia izao ny fandehan'ny tantaran'i Fiangonana:
-Taorian'ny Pentekoty no nanomboka ireo kristianina Mpanaradia an'i Kristy mbola fahavelony ary nitor ny vaovao mahafaly avy teo ( Kristy Maty sy nitsangana taminy maty : tany aminy taona 33 tany io). Fiangonana iray tamin'io fa tsy mbola nisy fiangonana hafa.
Fitsarahana Voalohany: Taminy taona 1054,lasa nataon'ny Constantin ho tanana malaza i Constantinople (Rome faharoa)(Any Turquie), io , nifaninana i Rome sy Constantinople,zareo tany antsinanana miteny grika, tandrefana miteny latin (hitanareo fa taminy filazana papa vaovao teo hoe HABEMUS PAPAM). Nisy disadisa ara-teologia atao hoe FILIOQUE tena tsy nampifanaraka ny Est sy Ouest, teo koa ny croisade faha 4, ny fahefany Papa.Nitsaraka tanteraka taminy taona 1054, ary hatramin'izao.
Fizarana faharoa: Taminy taona 1517, nanao ny basilika Md Piera tao Roma dia nitory ny Indulgence ny Papa, tsy tian'i Lotera io ka teo nanomboka ny disadisa taminy sy ny Papa. Vaky tanteraka ny Fitsarahana taminy taona 1120, dia i Lotera namorina ny Loteranina.
Fizarana fahatelo: Taminy taona 1524 ny mpanjakan'ny UK (England), atao hoe Henri VIII, nanana vady mariazy tsy niteraka, dia nangataka alalana taminy papa izy mba hitsaraka aminy io vadiny dia hanao mariazy vehivavy hafa mety miteraka mba hisy handimby aminy trone avy eo , hoy ny papa tsy manana fahefana hahafahana mandrava mariazy aho anaka.
Teraka ny fitsarahana teo aminy mpanjaka sy Roma ka lasa ny mpanjaka HENRI VIII no lohany fiangonana tany aminy. Nizara ny katolika tany an-toerana izany nahatonga fanenjehana izay tsy nety nanaraka ny mpanjaka fa nanaraka any Rome, izany no nahafaty andry THOMAS M. sy ny hafa.
Ny azo lazaina dia taorian'ny taona 1524 io vao tena maro ny karazam-pivavahana niorina.
faranako fa lava loatra, tantara 2000 ans io ka tsy mahagaga.
Zandikely
8. fijo ( 21/04/2005 21:59)
misaotra fa nahitana zavatra tsara iofanazavana io
9. dadabe ( 22/04/2005 05:12)
zandikely>misaotra e
10. ravatorano ( 22/04/2005 05:39)
zandrikely>misaotra anao nitondra fanazavana ho an ny namana mpiditra eto.
Fanamarihina efa matetika miverina eto ity fa manamafy fotsiny ny tena aoaka mba adi hevitra no atao eto na famelabelara kevitra fa tsy hatao hanaratsia any fiangonana atsy na itsy.
Misaotra eh
11. sonwin ( 22/04/2005 11:33)
..ny tantara dia mbola mitohy...dia hisaraka hatrany hatrany izany ny kristianina?..dia rahoviana izany vao hoe "..Iray toa Antsika.."..any an-danitra ve?
12. dadabe ( 22/04/2005 16:47)
ka io anie le tetik'asani Ratzinger e
13. methode ( 22/04/2005 21:00)
Misaotra ny rehetra namaly! Ny tanjoko eto dia tiako ny tsirairay mba hanao tamberina kely ny lasa hahafahana manitsy ny tsy nety fa tsy fanaratsiana ny fiangona hafa akory! Izay no antony tsy nanononako hoe iza ireo fiangonana ireo! Raha tsy mahalinana ny sasany moa ny mahafantatra ny zava-misy marina dia tsy maninona! Tsy fampiadiana fiangonana akory no tadiavina fa tsy maintsy fantatra ny fototry ny fisarahana vao afaka mamerina ny firaisana indray!!
14. dadabe ( 23/04/2005 05:31)
kii :( :(
15. marozevo ( 23/04/2005 23:43)
Zandikely > Misaotra amin'ny fanazavana, saingy miala tsiny fa misy ahitsy kely ilay fisarahana voalohany. Tsy tamin'ny onzieme siecle i Constantin fa tamin'ny quatrieme. Marina ilay ady hevitra hoe FILOQUE, fa tamin'ny 4eme sy 5 eme siecle iny. Tamin'ny 11 eme siecle dia ny Croisade, saiky hanafahana an'i Jerosalema., kay moa zavatra hafa no nitranga, satria i Nazianze indray no notafihina fa tsy i Jerosalema, dia nisaraka ny tantsinana sy ny tandrefana teo.
Ny fisarahana faharoa sy fahatelo dia ekena ny fanazavanao.
Miala tsiny, satria tantara ireny ka tsy maintsy ahitsy raha sanatria misy bingo kely... Azafady ahn.
16. methode ( 24/04/2005 09:11)
Misaotra anareo mandinika ny tantara!!! Hita fa misy matotra ato fa tsy manala azy fotsiny araka ny voalaza ao ambadika ao!!! Tsapa ihany koa ny ezaka fikarohana ataon'ny namana!!! Tsy dia mandalina tantara aho fa izay mahasarika ahy ihany no vakiana!!! Arakaraka ny mampivelatra ny saina no isian'ny tolérance sy fanekena ny hafa ka izay no tena tanjoko amin'ity lohahevitra nomeko ity!!
17. methode ( 24/04/2005 09:13)
Tsy azoko hoe maninona no miverina indroa ny zavatra soratako sy ny lohahevitra eto!!! Mbol
18. sonwin ( 25/04/2005 09:02)
Tsara sy mahaliana tokoa ny mahita ny tantara ato. Dia misy fiteny izay hoe ny hitanisana ny lasa hibanjinana ny ho avy...dia raha fisarahana hatrany no nitranga tany amin'ny lasa, mitohy ankehitriny. dia hanao ahona izany ny ho avin'ilay hoe kristianina? Izay misaraka fasika e! Misaraka misaraka hatrany ary maniry ohatran'ny anana ny antokom-pivavahana..amiko , makany amin'ny faharavana ny fisarahana! afaka 200 à 500 taona!...mety ho tantara sisa ny atao hoe kristianina. Raha olona tsy mpino ohatra, mhh ts ho ao mihitsy izy ka ny ao anatiny aza tsy mitovy firehana kanou!
19. sonwin ( 28/04/2005 15:14)
toa tsy hita ny namana kristianina vao nanontaniako ny ho avy klé? sa ny lasa ihany no maha-liana? iny tsinona misy iadina hevitra e? :lol:
20. maditra ( 28/04/2005 19:28)
Eo aloha ianareo sy ny tantaranareo. Zah tsy ho eto loatra no hanovo hevitra raha resaka tantara no resahina. Tsy manambany ny resource ataon'olo eto aho (ary toa tsy misy akory izany resource nakana histoire izany) fa aleo ihany ampoton'ireny boky malaza ireny manovo. Asa raha mba azonareo ny tiako tenenina fa tsy misy resaka fanambaniana mihitsy izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1001