fantatrareo ve fa ...

1. xxx ( 19/04/2005 15:16)
Fantatrareo ve fa :
1 - Isika ato amin'ny namana no farak'izay MPANARARAO-PATY indrindra.
:-D :-D :-D

2 - Mihoatra ny 10 ireo lohahevitra no mifarana any amin'ny fanaratsiana ny finoana katolika ato amin'ny serasera hatramin'ny nahafatesan'ny Papa Jean Paul II.

Marina mihitsy fa misy ... na hoe tsy vitsy no marina amin'ireo voalaza ao amin'ny dinika hafa ireo (toy ny hoe mopera manao sipa e! ...), fa izao no lesona notsoahiko avy ao de zaraiko aminareo:
na teo aza ireo zavatra tsy mety ireo amin'ny maha-olombelona ireo mpitantana ny fiangonana katolika ireo, dia mmbola mijoro ary mbola matanjaka io fiangonana io 2000 taona aty aoriana. Toa vao maika mampitombo ny finoako sy ny fahalalako ny voalazanareo rehetra tato fa misaotra betsaka.
namana
novalian'i dadabe ny 22/04/2005 05:31
2. sonwin ( 19/04/2005 16:18)
3. sonwin ( 19/04/2005 16:19)
4. mishou ( 19/04/2005 16:27)
8-) :/ :^) :{
tian'ny gasy io resaka finoana io e, ny finoanoam-poana moa tsy lazaina intsony e
:-P :-P :-P ;-) ;-)
5. pitchou ( 19/04/2005 18:41)
indrindra le izy raha saronana ny tava tsy hisy hahita sy hahafantatra :P
6. fijo ( 19/04/2005 21:02)
dia minonoa foana ao ary e
7. Mifenty ( 19/04/2005 21:35)
inona io ry fijo ah.

ary inona ndray le teniteny foanan'i fijo atsy andrefana atsy hoe hitleriana?
8. xxx ( 19/04/2005 22:24)
Maninon
9. xxx ( 19/04/2005 22:26)
Maninona aloha i xxx raha tsy miafina e! sahia miseho sy mijoro @ tena hevitrao e!
10. yonikafopl ( 20/04/2005 00:16)
oadray manao ampamoaka njay ny samy xxx hihihihi
tsy fanaratsiana kosa ange le ato fa mba resaka hatao hateza e hihihihihih.
Fa sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa raha enjehina noho ny zavatra ataony ve de mbola sambatra kou??? :D
le xxx nanao sonia namana, tsiky de ampy wa
11. sahary ( 20/04/2005 04:23)
aza mora miakatra izany wa fa adi-hevitra no atao ,dia mahaiza mifikitra @ hevitrareo raha mitombina izany fa raha hita kosa ve fa efa lany andro le foto-kevitra ifikiranareo mafy io tsy aleo mitandrina sao de miantehitra @ hazo boboka. :P :P
12. ndrena ( 20/04/2005 04:57)
Ny zavatra tsara ho marihina dia izao e:tokana ny lalana makany an-danitra ka na iza na iza antokom-pivavahana misy ka tena mitondra ny lalana makany dia tsara izay,noho izany dia ny foto-papianaran'ilay fiangonana no jerena na araka ny baiboly na tsia satria io ihany no lalàna fototra hijoroan'ny finoana kristiana
13. naritsimba ( 20/04/2005 07:04)
Ny finoanao no mahavonjy anao...!
14. dadabe ( 20/04/2005 13:21)
hoy i xxx le voalohany " efa ho 2000 taona izay...."
diso izany fa ny fiangonana katolika romanina dia niforona taty @taona 476 apres Jesus Christ rehefa nomen'ny emperora Justinien fahefana ny evekan'ny roma ,mba ho filohan'ny eglizy erantany .
ouuuuuuu !ca fait tsy mbola ampy 200 ans zany ,sady le izy anie rehefa tsy mahalala ny namana de mametraka fanontaniana de tokony ho valian'ny katolika e,ny tsy fahalalany npo mahatonga azy hiteniteny foana,fa anjaranareo ny manitsy azy :D
15. sonwin ( 20/04/2005 16:29)
:roll:
16. fijo ( 20/04/2005 22:22)
mifenty tsy teniteny foana io ,fa efa hain'ny rehetra fa tamin'ny ady lehibe faharoa dia tao anatin'ny tanora hitlerianina i ngahy ratz.mamakia gazety fa efa lasa resabe io izao.
17. dadabe ( 21/04/2005 07:48)
raha zao no mitohy de lasa resaka xxx ity ny farany le :twisted: nefa zah frera
18. marozevo ( 21/04/2005 09:12)
Dadabe > Tena 2000 taona fa ny fandraisanao azy no ahitsiko kely variiraiventy. Tsy hoe rehefa neken'ny Amperora vao nisy ilay izy eh. vao niteny i Kristy hoe "Ianao no Piera, vatolampy..." dia nisy ny Fiangonana. Ary tena Katolika mihitsy izy, satria ny dikan'ny hoe Katolika dia "Universelle", manerana ny tany. Mandehana ianareo eran'izao tontolo izao... sns...
Tena 2000 taona ny Fiangonan'i Kristy.
Ny hazo hono no voatoratoraka dia noho ny voany,
Ny hazo no voatolatolaky ny rivotra dia noho ny haavony.
Ny Fiangonana no ..... dia....
aoka ihany sao halanao aho.
19. fijo ( 21/04/2005 22:12)
marina izany ry dadabe
20. dadabe ( 22/04/2005 05:31)
:( :( :( :( tsy misy ambara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1521