Mba misy mitovy amiko ve ato e???

1. Imahery ( 11/04/2005 10:04)
Faly manolotra ny arahaba antsika namana rehetra. Mahita ny dinika isan-karazany ato aho dia mba te-handefa ihany koa. Asa raha mba misy mitovy faniriana amiko ny namana ato. Manam-paniriana ny ho pretra sy relijiozy. Ka mba mitady namana mitovy amin'izany faniriako izany koa aho ato. Miandry antsika namana rehetra e!
novalian'i malalako ny 30/04/2005 10:10
2. domoiina ( 11/04/2005 10:05)
mirary soa ho anao @ fikasanao
3. Imahery ( 11/04/2005 10:08)
Misaotra e! Samy ho tahin'Andriamanitra.
4. tranokely ( 11/04/2005 14:23)
Raha ny hevitro aloha de henoy tsara ny feon'ny eritreritao fa raha vocation-nao zany de tanteraka, de mirary soa
5. sonwin ( 11/04/2005 18:21)
mirary soa rahalahy.frera sw
6. maditra ( 11/04/2005 18:38)
Mahereza lesy! Sady ela koa efa Imahery! :-*
7. Imahery ( 11/04/2005 19:39)
Marina tokoa ny nambartan'i Tranokely hoe tsy maintsy dinihina tsara aloha ny feon'ny fieritreretana. Misaotra anao nankahery hatrany.
Dia misaotra antsika rehetra nanome fankaherezana.
8. tafita ( 11/04/2005 20:27)
Izaho indray de tsy misy azoko atao afa-tsy hoe MAHEREZA satria ny mitovy tokoa hono no milambana
ka izay mitovitovy faniriana dia afaka miresaka tsara . Marinaizany e

Imahery:

Faly manolotra ny arahaba antsika namana rehetra. Mahita ny dinika isan-karazany ato aho dia mba te-handefa ihany koa. Asa raha mba misy mitovy faniriana amiko ny namana ato. Manam-paniriana ny ho pretra sy relijiozy. Ka mba mitady namana mitovy amin'izany faniriako izany koa aho ato. Miandry antsika namana rehetra e!



9. yaya ( 12/04/2005 11:46)
Tsara be ny fanirinao ; mivavaka ho anao aho , ary mahereza ary aza misaraka indrindra2 am'Atra .
10. Hantakely ( 12/04/2005 12:56)
Mahafinaritra be izany fanirianao izany. Izany no ilain'ny fiangonana amin'izao. Mazotoa e!
11. Imahery ( 12/04/2005 12:58)
Misaotra antsika namana rehetra nanome fankaherezana sy fivavahana fa raha tsy miaraka amin'Andriamanitra tokoa mety tsy ho tody amin'ny faniriana. Misaotra, mankasitraka!
12. annie ( 12/04/2005 13:25)
Imahery!
Raha tena miorina @ finoanao enao ka manaraka tsara ny baiboly sy ny lalàny fa tsy toy ny an'izao tontolo izao de tohizo fa tsara,hezaka lehibe zany fanirinao zany!
13. sonwin ( 12/04/2005 15:44)
Hatramin'izao aloha izany tsybola misy mitovy amin'ise fa fankaherezana daholo.
Dia mankahery hatrany e.Frera zokinao
14. Merinaforever ( 12/04/2005 16:58)
Ny ahy indray ny hevitro,raha mitady olona mitovy hevitra aminao ianao mba ho relijiozy dia tsara raha any amin'ny sexe opposé no manao izany.Ny antony dia tsotra=raha tsy misy "compensation" mihitsy eo amin'ny tarehimarika dia voatery mampirafy ny sasany satria ilay tovovavy(na tovolahy)tokony ho vadinao dia manjahatra fotsiny.Nefa ao amin'ny lalàn'ny fiangonana dia tsy manaiky ny hampirafesana.Mbola mangin'izany koa ny "communauté" rehetra "unisex"=misy firehana any amin'ny "homosexualité",nefa soa ihany "fa tsy toy ireny akory ianao".
Mba hankaherezana anao ary dia indro ny fitsapana voalohany=Ny vehivavy ve eritreretinareo "maopera" fa voninkazo,sy masoandron'ny fiainana sa eritreretinareo fa "fanafintohinana",sy "incarnation du demon",fototry ny fahotana rehetra...?
Izaho mantsy tsy nanao maopera satria misy zavatra hitako fa tsy mi-kaoly mihitsy ao.Maro ny olona no manafosafo manaraka ny lantonm-bolo,fa ny tadidio dia maro koa ny manana sai-mamokatra:Iza izao no namorona ny sapile???Iza no nanao anareo fa ny dikan'ny hoe "mivavaha ka aza mitsahatra"=manaova fivavahana lavabe,ary miverimberina ary "comptabiliser-na"??Sa ny anankiray na roa "fanatic" tamin'ny fotoana iray,dia nanjary nolovan-taranaka.Malahelo aho milaza aminareo fa noho ireny olona ,lazaina fa olomasina mamoromporona fahatany ireny ihany no nandany andro ny Reniko ka tsy nahafahako nitafa taminy akory fa ilaozany manao sapile sy raozery.
Izay ary ny ahy fa izao indray sokafy indray ny saina sy ny "debat"ary aza mailaka fotsiny indray mitsara sy manompa ahy.Iangaviako ianareo hijery ny tononkaloko mitondra ny lohanteny hoe "ny maha-kristianina";satria tsotra ny ahy ny teniko sy ny faniriako=ekeko ny mahakristianina raha manaja ny an'ny tena fa tsy mandrodana ka manokatra varavarana hidiran'ny "conneries" isan-karazany toy io voalazako etsy ambony io.
Misaotra.
15. kally ( 13/04/2005 10:37)
Tsara ny fanirianao,hanokan-tna amin'Andriamanitra saingy efa betsaka ny reko sy hitako, dia ny fiarahamonina anivon-dry masera na ry frera na ry môpera izay fatra-pitsikilo sy mpandaza ary mpialona an'ireo miofana na relijiozy itovy aminy,fifanenjehana no tena misongadina ao anatin'ny "fianakavian"-dry zareo.Ka mahakivy ambony ihany ireo izay tena manana tanjona tsara.
16. sonwin ( 13/04/2005 11:50)
imerinaforever> Averiko aminao fanindroany ny fanontaniana: fa tsy arakao anga hoa ilay hoe Fitoriana ny Vaovao Mahafaly manaraka ny volon-tany?=>maha-kristianina manaja ny an'ny tena...raha katolika ianao dia tokony ho fantatrao tsara io, raha protestant ianao dia mitombina tsara ny hevitrao amin'ny maha-kristianina.
17. welie ( 13/04/2005 16:59)
Fa i sonwin ve frera sa Mopera e? Sa aloha frera vao lasa mopera fa sty aiko fa toi indraindray miteny we mopera sonwin dé izao nefa we frera sonwin... Mba mila fanazavana kely...
18. sonwin ( 13/04/2005 17:23)
frera miofana ho mopera :lol:
19. Imahery ( 13/04/2005 19:03)
Mahafinaritra tokoa ny adihevitra e! Fa hatramin'izao aloha mbola tsy hitako hoe iza no tena manana faniriana tahaka ahy io e!
Samy manana ny heviny koa ny tsirairay ka aoka samy haneho an'izany fa tsy misy maharatsy azy.
Aoka hialana fotsiny ny fifanaratsiana.
Mankasitraka antsika rehetra hatrany.
Tsara anie izany manao mompera izany e! Io no mahatonga ahy hiroso amin'izany lalana izany. Ho famonjena ny fanahy.
20. Merinaforever ( 13/04/2005 21:22)
sonwin:

imerinaforever> Averiko aminao fanindroany ny fanontaniana: fa tsy arakao anga hoa ilay hoe Fitoriana ny Vaovao Mahafaly manaraka ny volon-tany?=>maha-kristianina manaja ny an'ny tena...raha katolika ianao dia tokony ho fantatrao tsara io, raha protestant ianao dia mitombina tsara ny hevitrao amin'ny maha-kristianina.
Eny e!"stratezia" ilay hoe manaraka ny volon-tany mba hahafahana mitory ny evanjely ho avotry ny fanahy.Fantatro izany ,nefa izao:ny olana anie dia hatramin'izay dia tsy "passif" toy izany ny toe-javatra ê.Ny fivavahana mihitsy no lasa "locomotive",izany hoe lasa fitaovana,na fomba amerezana ny nentin-drazana amin'ny lafiny maro.Ka raha amiko dia tokony hisy fandravinana hatrany ireo ary asa goavana izany.Tsy ho ary vitan'ny olom-bitsy fa tsy maintsy ifandrimbinana,ka noho izany dia tsy maintsy "d'accord" aloha ny maro,indrindra fa ny mpitondra fivavahana.Ka eo amin'io "stade" io isika izao=fifanakalozan-kevitra:ka izay no isarihako ny sain'izay mety ho mpandraharaha voaantso hitaiza vahoaka.Anisan'ny toloko izay,ary tiako ho tolontsika mianakavy na dia tsy dakaoro amin'ny hevitro sy ny politikako hafa aza izy.
Ka rah taloha natao ho fitaovana ny fivavahana hamerezana ny nentin-drazana,dia tokony ho fitaovana ihany koa izy amin'izao fotoana mba hiverenana amin'ny nentin-drazana.Ny marimarina kokoa dia ny hoe :hampifanarahana ny finoana sy ny nentin-drazana (sanatria akory tsy hampifangaroana fa hampifandrindrana,aoka hazava tsara satria sao dia ho lazainareo indray fa tiako hafangaro ny paganisma sy ny kristianisma).Izay aloha no azoko valiana satria toa mivoaka ny taranja!



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1744