NY MARINA MOMBA NY VPM NESORINA( NANALA TENA)

1. rakarandoha ( 07/04/2005 10:47)
Salut!
Misy vaovao tena marina ity momba ny nialan'ny VPM teo aloha Zazah RAMANDIMBIARISON.
Izao no zava-marina:
Misy vola izay nomen'ny Banky Mondiale hikarakarana ny fitaterana eto amintsika.
tadiavin'ny RA8 sy i Jaques SYLLA hanombinana io vola io hanaovana zavatra hafa, fa tsy nanaiky ny VPM ary sahy nilaza fa izany ve no fampandrosoana firenena ataonareo, ary dia naleony nametra-pialana, ary dia tsy nekena fa nataon'dra8 sy Sylla hoe: ALEO IANAO ESORINA dia iny nalana iny izy.

Ny tsapa dia izao tsy fampandrosona no tadiavin'ireo eo fa fampandrosoana ny tenany sy ny fianakaviany ary ny orinasany.

mandiniha isika malagasy
novalian'i fijo ny 14/04/2005 19:55
2. blondin ( 07/04/2005 18:32)
rakarandoha -->taiza no nahitanao an'io vaovao io? Tena marim-pototra ve? Azo antoka tsara ve ny loharanom-baovao nahazahoanao an'io vaovao io? Izaho tsy mahalala izay antony nanalana azy ary tsy momba an'iza na iza fa tiako ho fantatra fotsiny hoe tena ara-dalana ve io vaovao omenao io? Fa raha tena marina io dia tena mahagaga tokoa. Tena tonga @ilay fiteny hoe ny Teo Ihany no Miverina.
3. maditra ( 08/04/2005 00:30)
tsssss! Zah tsy mpanohana ambokony an-dravalo fa sarotra amiko ny hino an'io! Na izy ilay nesorina aza lesy tsy niteny n'inon'inona koa! Tsy haiko aloha e! Raha voaporofonao indray ny originaliten'ny zavatra teneninao dia mety mino zah!
4. judicael ( 08/04/2005 05:22)
salut!! raha izaho ma
5. judicael ( 08/04/2005 05:34)
Raha izaho manokana aloha de efa nahalala sady asa raha tsaroanareo ilay teniko teto hoe ny tsy manana aza izao vao maika tsy manana ihany izaho aloha raha tsoriko de tsy hoe mpanohitra ny fitondrana fa anisan'ny mba azo lazina ihany hoe maba nandray anjara t@ fifidianana an'io Filoha io nefa rehefa hita fa tsy mety ve de tsa mba haneho hevitra ,sady izao anie ry zareo jereo anie eee! isika dradradradraina fa afaka ny trso
6. rakarandoha ( 08/04/2005 07:15)
Tsy sanatria mpamahan-dalitra akory ny tena, fa misy namana ato mahafantatra tsara an'io ihany koa, ary miaraka miasa akaiky t@ Vice-Primature, ary dia nanazava tsara, fa ny detail no tsy fantany, fa ny nambarany dia nametra-pialana ny VPM no tena marina, ary dia nohamarinin'ny olona izay mpiasa ao @ VPM ka dia io nosoratana ery ambony io.

Ny tsy filazany an'io dia sao heverin'ny olona fa malahelo toerana indray izay niala, fa dia aleo mangina satria sao araraotin'ny hafa ihany koa.

Aleo ny tantara no hitsara e!

Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andrinay ihany.
7. Tanala ( 08/04/2005 08:49)
O ry Karandoha a

De le zavatra hafa lazainao ery ambony hoe saika hanombinana le vola ve tena tsapanao hoe hampandroana ny fianakaviny sa hoe atao inona?
8. ravatorano ( 08/04/2005 11:47)
rakarandoha>za aloha misalasala b mihitsy amin io resaka io eh satria mifamahofaho b niany eh.
Nisy nilaza koa mantsy ary efa navoakako tany amin ny lohahevitra hafa ny resaka PST sy AGETIPA .
Izaho aloha mino fa nisy olana tao fa raha Ingahy Zaza Ramandimbiarison tsy hiala fotsiny amin izao na hoe nanala tena eh
9. clever ( 08/04/2005 20:06)
Ny ahy indray ny azoko tenenina dia ny hoe "aiza matahotra fa minonoa fotsiny fa tapahiko ny karaman"izay tsy manaiky ny hevitro " mahereza daholo .
10. rakarandoha ( 11/04/2005 07:19)
Tanala> Ho hitantsika eo e! zà moa tsy maintsy mahazo information foana @ reo namana akaikin'ny tena izay miasa ao, koa avoakako eto foana isaky ny misy vaovao.
Ravatorano> marina ko io lazain'ise io fa dia anisan'ny anankiray koa io.

mahereza dia manana faharetana e!
11. fijo ( 14/04/2005 19:55)
rakarandoha,zakoa toa an dravato.miahiahy aho,f amino fotsiny fa misy olana ao.
ravato.asa izay tena misy ao fa vao miresaka amin'i lery momba an'io aho dia tapaka ny tel.ka asa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2202