Demokrasia=hazo boboka

1. Merinaforever ( 06/04/2005 22:36)
Ity tononkalo ity dia ny andininy 5 farany amin'ny "fanasemporana" (jereo ny takelaka tononkalo:mpanoratra Merinaforever).

Nosoratako izy ity satria mba onena ihany aho mahita ireto Merina miantehatra amin'ny Demokrasia:raha mpanao sarisary toa an'i Plantu aho,na Aimérazafy dia angamba ho tsapa mazava mihitsy ny hovitra mahazo ny Merina izay mametraka ny fanantenany amin'i Ra8.

Hivazavazana na itarainana,tsy maheno!Raha mba sendra maheno mandaka.Hanaovana amboletra,mba ankamamiana ihany ary mbola antenaina.Havela amin'izao,havadiky ny demokrasia gasy fotsiny dia ao ny tranony.

Aiza ny "arrière" ra-Merina ô? Ary complet ve ny "avant" ê?

Asa raha tadidinao fa ny fitsapan-kevibahoaka natolotry ny vazaha tamin'ny 58 (eny na tsia)no efa tokony ho rakatrao ny poizina!

Ny ahy dia ny Indépendance no efa eritreretiko fa very finoana aho ny amin'ny "be noho vitsy".Sezan'i Lehidama ve leiretsy dia omena an'i Tsiranana,sy Ratsiraka,Ratsimandrava,Zafy, Pierrot...Dia olona voasaringotry tady vavaran'ny "urnes",nefa manao toetram-panjaka ve no mba ianteheranao ra-Merina!Tsy "Monarchie" anie ny lalan-dalao,fa Demokrasia ê!(amin'izay indray "urnes folles")
Ataon'ireo sambo-balala main'andro io e!

Raha tsy manaiky ny hevitro ianareo dia ataovy matotra ny "arrière" ê.Fa aza mody be fika hoe:"ko maninona moa!" raha sanatria ka avadiky ny Demokrasia indray.


Dia samy efa fantantsika daholo ny manaraka
Nafandimby teo : Tandroy , Betsimisaraka
Asa indray ‘zay hataon’Imerina sy Imamo !
Fa ho avy indray angamba ny Bezanozano.

Dia ifandimbiasan’ny hafa eo ilay toerana
F’izany no voalazan’ny lalam-panorenana.
Ary ny maro an’isa no manao ny lalàna
Ka nahavoa an’Imerina hatrany ampiandohana

Izany no anaovako ho toy ny tsy misy
An’io rafitra io satria be no ho vitsy.
Maharikoriko ahy ilay « Demokrasia »
Fa manery ny ikambanana amin’i Rainimaria

Amin’izay indray,dia manaiky ilay vahoaka
Raha ampanantenaina vary tapa-kapoaka
Maro ny tsy mahalala ny politikan-tsingala
Manan-jo hifidy daholo na ny bado na adala

Ka lava loatra ity ka aoka aloha ho faranako
Ka mba mihevera re ry Merina namako
Fa raha tsy hioitra isika,ary tsy hiova toetra
Tsy aleo ve resahana dieny izao i Maroantsetra ?

Merinaforever
2. mandrindra ( 07/04/2005 06:40)
Toa fampiadina rima no tena hitako.
3. Merinaforever ( 07/04/2005 14:09)
Samy manana ny solomasony io ry zandry a!Misy solomason'ny mpanao soudure,misy ny an'ny soavaly,misy manalehibe,misy manakely,misy manamainty,misy mangarahara,misy maso lavitra,misy telescope,periscope sns. Tsisy ifanomezantsiny ê! :)
4. annie ( 07/04/2005 15:46)
Fa enao ve zany aloha tsy merina no toa varina mahita any merina? :-D :-D :-D :-D :-D
5. Merinaforever ( 08/04/2005 07:22)
annie:

Fa enao ve zany aloha tsy merina no toa varina mahita any merina? :-D :-D :-D :-D :-D



:lol: Merina aho ka!fa tsy ilay sokajin'ilay nametraka ny fanantenany eo amin'ny Demokrasia Rapoblikannna eran'ny nosy.Amiko dia tsara dia tsara ny maha-Merina ny olona rehetra eo amin'ny fitondrana.(Tsy tiako mihitsy ny mahavoatery ny anasiana resaka ethnicisation eo amin'ny fitondrana.)Tsy misy anefa ny stabilitén'ny fahamerinana eo amin'ny fitondrana raha demokrasia eran'ny nosy no ampiarina.Ka izay no mampahonena ahy anareo Malà izay inoako fa manana faniriana miafina ny aha-Malà ny olona mpitondra,nefa nohon'ny maha demokrasia Malà-gasy ny fitsipi-dalao dia mety hipitika indray ny Malà fa ny gasy no ho avy.Dia mody alefa avy eo ny resaka fampiononan-tena hoe ,"ka izany no atao hoe alternance koh".Nefa ny marina dia ny vazaha no namahana antsika io fitsipi-dalao io nanomboka tamin'ny referendum taona 1958.Raha tsorina dia dia monrchie no teo Imerina,ary Merina no teo amin'ny lohany,dia tokony ho Merina koa izany no mankeo izay vao afaka miteny hoe "indépendance".Ankehitriny inona no miseho?=mba tsara vintana indray mandeha i Ra-Merina fa voatery nanilika an'i Badé ny Malà-gasy,dia efa mivaralila sy mivazavaza daholo ny Club.Tsy vitan'izany ihany koa fa mbola ry zareo indray no mampifilafila satria fantany ny lanja omen-dRamerina izany atao hoe "firaisam-pirenena" izany.
Lasa monaie d'échange ny firaisampirenena.Ny club rahateo tsy mitsitsy anareo mihitsy fa tsy Gasy araka ny tokony ahitany azy no hitany eo amin'ny fitondrana fa Malà.
Dia lazao indray fa "olom-bitsy" ny club hé hé hé!!

NB:izaho indray matetika no ataon'ny Malà fahavalo :cry: ,tsy maninona aloha fa atao ahoana,ny fiharetana an'izany no ataoko fa anjara-biriky azoko entina. (l)
6. xxx ( 08/04/2005 22:38)
oh merinaforever ah! Zah izao lesy Betsimisaraka pure mihitsy! Mety ataon'la mankahala Merina zah fa diso trop ity habadoanao! Ny olona izao efa manomboka miala amin'izany tsy fitovian- poko, volon-koditra, sns! Misaotra an'Atra zah fa tsy toa an'la daholo ny Merina rehetra fa raha tsy izany....
Mieritreritra izany ela io fa vahaolana amin'ny firaisam-pirenena ny fanomezana voninahitra ambony ny foko Merina? Kel idee lesy e! Mampiomehy ahy marina ela ity!
7. Merinaforever ( 09/04/2005 07:21)
xxx:

oh merinaforever ah! Zah izao lesy Betsimisaraka pure mihitsy! Mety ataon'la mankahala Merina zah fa diso trop ity habadoanao! Ny olona izao efa manomboka miala amin'izany tsy fitovian- poko, volon-koditra, sns! Misaotra an'Atra zah fa tsy toa an'la daholo ny Merina rehetra fa raha tsy izany....
Mieritreritra izany ela io fa vahaolana amin'ny firaisam-pirenena ny fanomezana voninahitra ambony ny foko Merina? Kel idee lesy e! Mampiomehy ahy marina ela ity!
Raha voadinikao tsara ny voalazako dia ho tsapanao fa ny Merina no iresahako fa tsy ny foko hafa.
Ka lava loatra ity ka aoka aloha ho faranako
Ka mba mihevera re ry Merina namako
Kanefa efa eo ihany ianao dia valiako arak'izany.Raha Betsimisaraka ianao,ary izaho Merina bado,dia tsy mampaninona akory izany.Isaorako ihany koa Andriamanitra fa tsy mitovy amin'ny anao koa ny hevitry ny olona rehetra.
Miresaka ny foko Merina aho,tsy hoe hiavoavoany eo amin'ny foko hafa tsy akory,fa kosa ao amin'ny foko Merina fotsiny no misy ahy.Raha foko Betsimisaraka no nisy ahy dia ho Betsimisaraka koa no ho resako.Raha misy ny fahaleovantenan'ny foko tsirairay avy,tsy midika akory izany fa hifandrafy izy ireny.Sa ny eritreretinareo dia hoe :na miray ,na miady?????Resaka safidy fotsiny io amiko,ary ny safidin'ny Vahoaka Mala-gasy hiray dia tsy tena safidy fa voaterin'ny lovam-panjanahan-tany hatramin'ny 1958.
Raha iray ny fahavalo talohan'ny 1960,mazava loatra fa lojika ny itolomana miaraka hanohitra ny fahavalo iraisana.Dia izany no araraotin'ny Mala-gasy inoana fa iray isika,ny fiteny ihany koa iray,ny fomba misy itovizany.Kanefa tsy toy izany mihitsy tany ampihandohana.
Ambonin'izany dia tsotra ny teniko:tsy mino aho hoe tsy ho tian'ny Betsimisaraka sy ny foko hafa ny hijanona amin'ny mahaizy azy ka hitazona ny anarampokony.Dia mitovy amin'ny "raisonnement-ko amin'ny fahamerinana ihany.Tiako sy lalaiko ny ahy ary tsy tiako ho bahanan'ny Maha-Malagasy.
Fa ny mety aminao sy ny foko hafa dia esory ao an-doha ny fieritreretana fa fankahalana ny anareo ny fampiasanay ny anay.
Izaho izay raha maheno Betsileo na Vezo mirehareha ny amin'ny mahaizy azy dia hotezerako ,lazaiko fa be zesta sy miavoavo sy mpandranitra adim-poko????

Raha ratsy aho ka ny hamely anao toy ny amelezanao ahy no mahafinaritra ahy dia hoy aho hoe ilay pseudo-nao hoe XXX no manambara fa ianao no bado(XXX=klinfelter syndrom).Ny tiako ho anao dia toy ny hoe Betsimisarakaforever :)
8. xxx ( 09/04/2005 19:24)
xxx:
oh merinaforever ah! Zah izao lesy Betsimisaraka pure mihitsy! Mety ataon'la mankahala Merina zah fa diso trop ity habadoanao! Ny olona izao efa manomboka miala amin'izany tsy fitovian- poko, volon-koditra, sns! Misaotra an'Atra zah fa tsy toa an'la daholo ny Merina rehetra fa raha tsy izany....
Mieritreritra izany ela io fa vahaolana amin'ny firaisam-pirenena ny fanomezana voninahitra ambony ny foko Merina? Kel idee lesy e! Mampiomehy ahy marina ela ity!

Io fotsiny koa no averiko
9. Tanala ( 10/04/2005 13:35)
Merinaforever:
hovitra mahazo ny Merina izay mametraka ny fanantenany amin'i Ra8.


Nga moa lety i Ra8 nampanatena manokana ny merina?
Filoha ny gasy anie Ra8 fa tsy an'ny merina e.
Eo ndrindra no tokony hahatonga saina ny gasy, fa ny tanjony Ra8 de ny ampiray saina ny gasy porofon'izany ny finiavany hanambotra làlana.
Ny làlana nisy hatrizay mantsy de nataon'ny vaza hamoahana vokatra any ivelany, fa tsy natao ho an'ny gasy.
Averiko ndray ty hevitro ty fa akoatry ny fifohanin'ny vokatra, de ny làlana de natao indrindra hifaneraseran'ny foko rehetra mba tsy ho izay mpanao politika ao aminy no tompoiny na de hita zao ary fa efa mpangalatra sy mpamono olona.
10. Merinaforever ( 11/04/2005 09:29)
Ra8 dia tsy an'ny Merina ihany fa an'ny Mala-gasy.Io aloha dia tsy laviko satria iray ny firenena ankehitriny.Fa moa ve Malagasy no ahitan'ny olona rehetra azy????Tsy mino izany aho:Merina no fahitan'ny olona an-dra8:na ny Merina izany,na ny avy any anindrany dia toy izany avokoa fa tsy dradraina fotsiny.Ny tanindrany sy ny vazaha dia tsy nieritreritra mihitsy ny hamela merina eo amin'ny maha-filoha.Vao nisy Merina mba sendra tonga teo dia na nipitika haingana nohon'ny "tsindry",na eo ihany toa an-dRa8 fa sady voajery vilana no tsy andry izay ialany (Jereo daholo ireny Club des 17 sy ny 5 ary ny hetsika trocadero ireny sns sns).Ny Merina rahateo mba misy faniriana "miafina" ihany mba ho Merina no eo amin'ny fitondrana.(Porofon'izany ny nisokiran'ny Merina an-Rabemananjara tany Paris mba hatao filoha tamin'ny androny).Rariny rahateo izany nohon'ny antony tsy ivalamparako eto.
Ka ho an'ireny Merina ireny no itenenako tsotra manao hoe:ny demokrasia iainanareo anie ka "hazo boboka ê!Raha demokrasia "à l"echelle de Mada" no miady eo dia aleo mampionon-tena fa tsy hisy ho anareo eo.I Ravalomanana no andrasan-kanirina,nefa araka ny filazan'ny maro dia toa vao mihe mampivandravandra hono.

Ary tadidio fa tsy ny mofo ihany (izany hoe tsy ny vola sy ny economie ihany)no iveloman'ny olona,fa ny teny rehetra izay avoakan'ny vavan'Andriamanitra (izany hoe ao koa ny resaka hafa toy ny foko misy ny mpitondra).Ary rariny loatra izany ka tsy misy azo ifanomezantsiny.
Fantatro anie fa rariny sy hitsiny ny mba itiavan'ny Antanosy,na ny Mahafaly...mba ho dimbaka avy any aminy no mba mitondra ny baolina ê!Fa saingy tsy mifanaraka mihitsy amin'ny fijery na tombotsoan'ny hafa izany ê.
Dia inona no olana?Ianareo alin'andro mampandry adrisa,sy mitory "filazan-tsara",ny foko isan'isany anefa hifanasa vangy sy hifandringo-bolo foana (au moins guerre froide).Dia izay no mampihisatra ny fandrosoan'ny Nosy.Nefa raha samy manana ny azy dia sady samy ho afa-po,kanefa tsy ho voasakan'ny fizarazarana tsy akory ny fandriampahalemana,afaka miara-miasa toy ny mpifanolobodirindrina normal.Izany no fototra stable ahafahan'i Madagasikara misidina ara-toekarena sy miala amin'ny fahantrana.Tsy hisy intsony izany hoe "mbay tany ialahy fa Merina" ,na hoe asio equilibre ethnique ao amin'ny fitondrana ê.
Amin'izao fotoana izao anie ny "harmonie" fototry ny fandrosoana no tsy misy e.Mba Merina ihany i Ra8 fa toa hanome fahadisoampanantenana ny Merina no hiafarany.Iza indray nefa ny Merina hasolon'ny Merina azy eo?Handroso maty Raibe,hihemotra maty reny be,hijanona amin'izay hataon'ny lalao democrasia hitsa-peta.
Mandrampanoratra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.11