fahafatesan'ny Pape: hisaona sa tsy hisaona ?

1. felampaiso ( 06/04/2005 10:35)
Manomboka miresadresaka isika malagasy izao ary lasa ady hevitra hatrany @ radio don bosco sy ny kidaona maraina hoe : mbola tsy mety milaza ny fanjakana hoe tokony hisaona @ fomba ofisialy ny malagasy , ny vaovao farany re fotsiny dia hoe : tsy misy mianatra ny sekoly katolika @ zoma , fotoana handevenana ny Pape.
2. heriso ( 06/04/2005 15:31)
tsy dia mahita ho lazaina izao fa izay hevitrin'ny fanjakana hiany fa maro fotsiny ny firenena izy misaona ny fahafatesan'ny Pape fa ny mpitondra no mahita izy ho ataony eo!
3. iartistika ( 06/04/2005 17:35)
samy misaona any am-pon'ny tsirairay any zany eh!ny asa ny andri-zareo tsy maintsy mandeha!sô de very fihinanana...
4. welie ( 07/04/2005 13:25)
Samy misaona any am-pony koa no hitako mety... :/
5. paulkraus1202 ( 07/04/2005 15:33)
ho ahy kosa aloha de tokony ho dinihina hoe firy @ malagasy moa no katolika de izay vao manapakevitra an tsia , raha tsy diso aho mantsy de 30% ny malagasy ihany no katolika ary zah de anisan'izany tsy ampy atsamanila akory noho izany heveriko fa tsy tsara ny hanaovana azy ho fisaonana ho an'ny firenena fa anjaran'ny katolika tsirairay no mimbombavaka ho fialtsasatry ny fanahiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1731