xxx

1. DotMG ( 06/04/2005 06:19)
Hono ho'aho, rehefa amin' ny fotoana inona ianareo no manafina ny anaranareo eto @ serasera?

Izaho aloha dia ireto no antony nanafenako ny anarako :
Ny iray namaly namana iray aho, ary efa mifamaly an-kevitra diso matetika loatra izahay sy ilay ranamana io ka andrao lasa toa fihantsiana ady raha ny solonanarako foana no mitsikera azy. Dia mba nanao xxx aho.
Faharoa dia nandefa hevitra somary mifanohitra @ personnalité faritako ato aho (http://serasera.org/namana/iza:dotmg). Dia sao manohintohina ny sasany dia mba nafeniko aloha ilay solonanarana, saingy nasiako sonia ihany hahalalan' izay kinga saina hoe izaho no nametraka an' io, raha olona kinga saina mantsy dia malalaka koa ny sainy izay.

Fa ny an' ny namana sasany ato somary mahagaga ahy! Misy ny sasany mila fanampiana nefa atao xxx ny mpandefa. Indray mandeha aho tena afaka manampy ilay namana mihitsy amin' ny fanampiana ilainy nefa izy aza tsy fantatro ka akory atao? Fanampin' izany tena tsy fahalalam-pomba anie izany e! Alaim-panahy ny olona tokony hamaly hanao hoe sao olona tsy ampy fialam-boly no mametraka an' itony handaniana fotoana izay mamaky fotsiny fa tsy tena mila fanampiana akory. Matoa efa natao solonanarana ny ato fa tsy tena anarana, tokony tsy hahamenatra ny hametraka azy.
Angamba tokony hoheverin' ny mpitantana ny sehatra ihany koa ny mametra ny xxx azon' ny olona ampiasaina. (Ohatra : nandefa hafatra 3 tsy niafina izy vao mahazo mandefa hafatra iray tsy mitonona anarana).
novalian'i maditra ny 09/04/2005 19:18
2. maditra ( 09/04/2005 19:18)
Ny ahy miankina amiko sy ny hevitra narosoko ary izay mbola harosoko io. Raha mifanohitra ohatra ireo tiako tenenina ireo dia matetika zah manao xxx. Misy fotoana koa, tsy tiako fotsiny ny ahafantarana ahy. Tsy aiko ny antony fa toa mahatsiaro plus libre izany kokoa aho rehefa miafina! hahah, tsy matetika io ry zareo fa tsindraindray ihany ka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7151