Fanontaniana momba ny chat

1. hery ( 30/03/2005 12:21)
Ireto indray ary ireo fanontaniana mateti-pitranga momba ny fampiasana ny Karajia na ny chat. Raha misy fanontaniana hafa dia azonareo apetraka eto ambany.


  1. Ahoana ny fomba fidirana ao amin'ny chat?
  2. Jereo ny http://chat.serasera.org
  3. Tsy mety tafiditra mihitsy aho inona no tokony hatao?
  4. Rehefa miditra ao amin'io takelaka http://chat.serasera.org io ianao dia mahita vavahady roa. Rehefa tsy mety ny astero-chat dia andramo ny CGI-chat. Raha tsy misy mandeha ireo dia mety ny ordinateranao no misy olana. Ny fomba iray azo atao dia ny mampiasa an'ilay fitaovana anakiray atao hoe Syllabik izay ampiasain'ny sasany aminay http://www.syllabik.epiknet.org ny syllabik.
  5. Ahoana ny fomba hahafantarako ny mombamomba ny namana iray?Misy fomba roa hahalalana ny momba ny namana iray fa ny tsotra indrindra dia /whois solonanarana
  6. Ahoana ny hiresahako amin'ny namana iray? Ny fomba mahazatra dia tsindrio indroa ny solonanaran'ny namana tianao hiresahana manokana. Raha toa ka tsy mety anefa izany dia azonao atao ny manoratra hoe /msg solonanarana hafatra
  7. Ahoana ny fanovana solonanarana?
  8. Amin'izao fotoana izao dia tsy afaka manova solonanarana raha efa ao amin'ny serasera. Ny fomba atao dia mivoaka kely aloha /part #serasera dia manova solonanarana /nick solonanarana_vaovao dia miverina indray /join #serasera
  9. Miova ho AnonymeXXXX foana aho, nahoana?
  10. Rehefa nisy nisoratra anarana mampiasa ny solonanarana nofidinao dia miova ho AnonymeXXXX ianao. Raha tianao tsy hiova ianao dia mampiasa solonanarana mbola tsisy tompony ao amin'ny #serasera.
  11. Dia hisoratra anarana aho izany dia ahoana?
  12. Tsotra. Soraty fotsiny eo amin'ny chat hoe /Themis REGISTER mot_de_passe email dia araho ny fanoroana.
  13. Raha adino ny tenimiafina?
  14. Raha adino ny tenimiafina fampiasanao ao amin'ny chat dia azonao atao ny mangataka azy toa izao. Soraty ao amin'ny toerana fanoratana ny hoe /Themis SENDPASS solonanarana fa halefa any amin'ny adiresinao ny tenimiafina.
  15. Ary ahoana ny fanovana tenimiafina?
  16. Raha efa voatahiry ny solonanarana dia azonao atao (sy tokony hatao tsindraindray) ny manova tenimiafina /Themis SET PASSWORD nouveau_mot_de_passe



Nahitsin'i hery
novalian'i pony ny 18/05/2005 05:49
2. welie ( 30/03/2005 15:58)
merci hery fa tena ilaina mintsy ito ka!
3. yonikafopl ( 30/03/2005 17:55)
merci hery
4. McFy ( 30/03/2005 21:18)
Mci Hery
5. fijo ( 31/03/2005 04:34)
ilay resaka amin'ny namana iray io ve le hoe PV?(ilay tsindriana indroa ny PSny )
6. hery ( 31/03/2005 10:48)
fijo> Eny :-)
7. majakely ( 31/03/2005 13:32)
zah ko tamin'ny voalohany dia gaga refa tenenin'ny olona hoe pv-o zah ;de tsy fantatro akory ny dikany fa taty aoriana vao azoko !! :)
8. fijo ( 31/03/2005 20:01)
dia eo ampichatsevana eo izany no manindry indroa ny PSn\'ilay tiana anaovana azy sa mivadika mitady ny psny aloha.
9. hery ( 01/04/2005 09:11)
Raha ohatra ka hitanao ny lisitry ny ps dia ilay ps eo amin'io lisitra io no tsindriana indroa.
Raha tsy misy lisitry ny ps mihitsy dia aleo mampiasa an'ilay /msg ps hafatra alefa
10. miaous ( 14/04/2005 13:33)
za refa mi-chat dé tsy mety tafiditra mitsy. nefa ny ordi-ako tsisy blem akory. fa aôna ê?
11. cutie ( 14/04/2005 14:34)
ary raha banni de ataona ahona ny miditra hery. :?
12. pony ( 06/05/2005 19:54)
manahoana!
zay kou saika nanotaniko aki ry cutie, fa tsy koi fa na mety aza @ manaraka dé tsy maninn fa tsy ho ao tsony zà ka , sa ahoana ry hery!
misaotra mialoha fa efa hay lé lalàna ka !dé ahoana kou no atao hialana tsy ho namana tsony kay!
13. Veloo ( 06/05/2005 20:15)
hery a ny ahy java fa tsy mety tafiditra za...???
14. hery ( 06/05/2005 20:50)
cutie> raha banni dia misy antony maha-banni. Afaka manontany ny antony amin'ireo mpitantana ato amin'ny namana dia izy no hanazava. Raha toa ka mifanaraka ianareo dia hoesoriny ny ban.

pony> fa naninona indray? :-) Raha tsy vita dia aza atao fa sao dia marary eo fotsiny. Ny aina no aloha fa ny chat ve :-). Ny fomba fialàna tsy ho namana dia tsisy (intsony) Rehefa tsy sokafanao fotsiny io dia maty ho azy afaka 4 volana. (toa izany koa ny Yahoo ohatra)
15. pony ( 10/05/2005 18:32)
hery : :-D :-D :-D :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1083