Possible ve zao....

1. sechat ( 25/03/2005 09:55)
Ahoana marina moa ny fandehan'ny lalàna any amintsika @ resaka fifampidiran'ny raharaham-panjakana sy ny raharaha ataon'ny mpitondra (affaires perso sy public). Mba tsy hisian'ny disa2, ny fanararaotana, ny monopole sns... de mba nieritreritra aho hoe possible ve ny fampidirana lalàna manakana ny mpitondra tsy hanafangaro an'ireo? Ohatra: tsy tokony avela mamaly ny appel d'offre public toy ny fanamboarana lalana ohatr'ireny ny olona ao @ fitondrana.
Ohatr'izay koa ny fampiasana ny fahefana maha-pitondra anao mba ampandehanana ny orinasanao manokana.
Manao ahoana ny lalana antsika mikasika an'ireo?
Techniquement, possible ve ny mametraka an'izany ao anaty lalana sa tsia?
novalian'i sechat ny 06/04/2005 09:56
2. mandrindra ( 29/03/2005 13:01)
Manao volavolandalàna ny govenemanta dia alefa hanaovana latsabato manoloana ny antenimiera roa dia rehefa lany iny dia soniavin'ny filoha mba hampiarina. Izany hoe azo atao izany ny mamolavola lalàna araka io voalazanao io, fa saingy tsy ho atondry zareo satria manohitohina ny tombotsoany.
3. isrine ( 02/04/2005 18:28)
fanamarihana:
ny teny gasy ampiasaiana eto indray2 dia tsy azo satria tsy teny gasy aradalana, ka na ny zavatra lazain'izay mametraka lohateny aza tsy mazava.
4. fijo ( 05/04/2005 19:59)
sechat possible io ary efa misy any amintsika.saingy mora ny mihodina amin'io satria manangana SA fotsiny ny mpitondra dia efa hafaka mamaly tolobarotra aradalana .
5. sechat ( 06/04/2005 09:52)
isrine> inona no tsy mazava aminao?
6. sechat ( 06/04/2005 09:56)
fijo> maty isika zany koa. Izay iray hiakatra eo ka manomboka mahita mamy @ fahefana sy ny vola dia hanao ohatr'izany daholo, haka ny harena rehetra ho azy ...
Efa mba nitady ihany aho fa tena tsy misy fika mihitsy... :snif: Tsy ho avotra mihitsy angamba isika :snif: :snif: :snif: ...na ny saiko no tsy mandeha lavitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3934