fanovana mambra ao amin ny governemanta

1. ravatorano ( 18/03/2005 12:27)
Fanitsiviny izao no nisy fanovana io governemanta Sylla io ary dia tamin ity farany ity dia Ingahy praiminisitra Lefitra mihitsy no nisaorana fa nahavita ny adidy nampiandraiketina azy.
Gagagaga ihnay ny mpanara baovao nahare tamin ny fahitalavitra izay nanao fandaharana spessialy mihitsy nilazana izany vaovao izany.
Novakiana izany ny vice primature ka lasa ministera transport sy amenagement ary d naverina tamin ny endriny taloha.
Nanelingelina v Ingahy Zazah Ramandimbiarison na eo amin ny lafiny politika na eo amin ny lafiny arak'asa ? Mataotra v ny tim satria Ingahy io dia tsy mambra ao amin io antoko io fa sympathizan fotsiny ihany ?
Sa kosa nahita ny lavaka mangitsoka ao amin io governemanta io izy sy ny tsy fahombiazana misy amin izao ka nametra pialana ankolaka d nolazaina fa nisaorana sa heverin ny sasany fa mahay boll b ka voatazony aby ny commerce , finance, transport, ny economie izay antsoina hoe ny vice primature indray no tena mitazona ny tokony ho andraikitry ny primature ! sa noho izany dia hazo avo alandrivotra ka mila adaboka amin izay .
Sa tena mila hery vaovao mihitsy io governemanta io mba hiaingany indray araky ny tenin i Ingahy filoha Ra8 tamin ny fanolorana ireo mamabra vaovao ao amin ilay governemanta.
Amiko dia nanao ezaka lehibe Ingahy Zazah Ramandimbiarison teo amin ny toerana isy azy ary isan ny nahavita adidy tokoa tamin ny fahavitan ireo lalana marobe ary koa sahy tena nandray andraikitra.
Tamin ny andron io rangahy io no mba nisy we mpanao lalana voasazy fa tsy mety ny asa vitany .Tsisy izay tsy nandre ny momba iny lalana nakany Ambondromamy - Port berge sy mianavaratra iny.
Ny siosio mandeha dia mety mbola hisy mpikambana hafa ao amin io governemanta io koa ho soloina fa nahavita ny andraikitra nankinina taminy.
Soa ihany fa tsy mba nolazaina we nesorina toy ireo chef des region anakienina izay voalaza fa tsy nahavita ny tokony nandrasana taminy ka dia voaraoka"
Miandry ny vahoaka raha hahavita betsaka noho ny teo aloha ireo izay asolo azy.
novalian'i fijo ny 05/04/2005 20:04
2. ravatorano ( 18/03/2005 12:37)
Misy namana nanontany we fa naninn Raianona no tsy nesorina dia novaliako we ny praim sy ny filohan ny repoblika dia manan zo sy alalana araky ny lalampanorenana manala izay olona hitany fa tsy mamely ao amin ny governemanta.
Ny nahatonga izany mantsy dia maro ireo minisitra manana olana izay hisian ny greve ao amin ireny minisitera ireny nefa tsy ahitam bahaolana (fanabeazam pirenena , fitsarana,Enam ) , oa koa ilay minisitra izay nisolo ilay nalana nefa toa nitovy ihany ny fomba fiasa fa izao aza manjary misy federation akiroa ny athletisma ary dia mbola ho olana ihnay koa izay tsy maintsy hatrehina io.
Ny ao amin ny asam panjakana moa dia io mifandroritra ny talen ny sekoly enam sy ny mpianatra d ny ministera amin io mamono afo fotsiny
d ho hita eo eh
3. chadlepunk ( 19/03/2005 10:30)
J'ai été très surpris par ce dernier changement de quelques membres au sein du gouvernement Sylla. Les limogeages au sein de l'équipe de Ravalomanana est chose courante certes, mais le dernier remaniement était bien spécial. Spécial dans le sens où la vraie raison pour laquelle le VPM a été limogé, n'a ja mais été évoqué clairement. Déjà que beaucopup de gens se demandent pourquoi le N°1 malgache a voulu écarté du pouvoir Zaza Ramadimbiarison alors que ce dernier était à la tête du seul département qui soit performant dans le pays. D'habitude, on écarte du gouvernement ceux qui gènent et qui ne foutent rien...et pas ceux qui excellent et qui réussissent...A quoi on joue?
4. dadabe ( 19/03/2005 15:07)
politika avo lenta izany ry zalahy a,fa zah mino fa niy antony tao... :oops:
5. sonwin ( 19/03/2005 16:04)
ary ara-politika io antony io an
6. ravatorano ( 22/03/2005 06:54)
ny antony aloha dia misy ary anakiroa ihany dia izao na manelingelina izy na vita marina ny contrat nampiandreketina azy.
Ny politika avo lenta dia ao anatin ireo ary hain ny m[itondra malagasy izay mahazo fitondrana io karazanà politika io satria manao an io daholo oizay tonga eo amin ny fitondrana na dia olom baovao lazaina fa tsy nanao politika mihitsy aza :twisted:
7. fijo ( 24/03/2005 22:15)
za koa dia gaga tanteraka raha naheno iny vaovao iny.ary manontany tena hoe fa ahoana marina izy ity e
8. mandrindra ( 25/03/2005 15:34)
Ny valin'izao rehetra izao dia miverina any amin'ny fiandohan'io fitondrana io : "minoa fotsiny ihany"
9. Tanala ( 25/03/2005 19:57)
Ra ny fijeriko manokana de mety nanala tena ingahy Zazah Ramandimbiarison.
Ra mahavita toy nataony ny manampahaizana malagasy rehetra de mandroso tokoa ny firenenantsika,ataoko fa nahavita zavatra izy na de misy aza ny gasy tsy mahita ny zavatra nataony, io no mety nialany.

10. iza ( 28/03/2005 18:27)
Toa ny manala ihany no manavanana an'ny mpitarika raha izao no jerena.Misy siosio fa asa raha marina fa hatao ambassadaoro aty Frantsa hono ingahy VPM,mitovy an'ilay VPM teo aloha lasa any USA izany.
11. Ramaso ( 30/03/2005 07:08)
dadabe:

zah mino fa niy antony tao... :oops:

Minoa fotsiny ihany..
Aza jerena sy tadiavina ilay antony!


12. fijo ( 05/04/2005 20:04)
asa fa miandry izay hitranga isika e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.14