Foire international, Blacksburg, Virginia

1. hokie ( 10/03/2005 05:47)
Dia manasa izay namana afaka tonga ao Blacksburg, VA fa misy ny Annual International Street Fair ao downtown ao ka hisy stand malagasy. Rahoviana? Amin'ity 9 avril 2005 ity.

Mbola vao ho eritreretina ny zavatra aseho sy entana hamidy fa izaho moa faly be fa mba misy stand Madagascar e...
novalian'i fijo ny 07/04/2005 21:41
2. Veloo ( 11/03/2005 16:37)
:) Tsara ndray izany... fa mba mila adiresy mazava re eeee.
Izahay avy aty DC ka lavitra avy eo ve sa tsy?

Dia miandry ny valony reee
3. hokie ( 11/03/2005 23:55)
Downtown Blacksburg izy io, tsy maintsy hita fa tanana kelin'ny mpianatra izy io e. Ary NoVA 4h avy eo fotsiny ka tongava e! Manaraha ny signal mankao Virginia Tech dia tonga.
4. dadabe ( 12/03/2005 07:49)
aiza ho aiza ny totoha-baton'Antaninarenina izany resahanareo zany le? :roll:
5. sonwin ( 12/03/2005 19:42)
Fa aiza ho aiza eto amin'ity planeta ity aza no misy io toerana io izany?avaratra sy atsimo? Virginia aloha raha ny fahafantarako azy dia sipa mipetraka ao Italie ao e.Blacksburg indray toa...mmhh black moa zany mainty no dikany amin teny gasy?? burg indray ..ny tanana any Allemagne any toa miafara amin burg ny ankamaroany. Raha azoko tsara izany dia hoe Virginia ao italie no mikarakara foire internationale ka any amin tananan'ny mainty (mitovy amiko)ao Allemagne no hanaovana ilay foire? ka aiza anefe io tanana io? toa misy hoe 4h miala amin NOVA..i NOVA koa toa kofa mipetraka ao Italie ao,ka mahita ny tranon'ileiry daholo zany ny olona dia eo hono izany e, 4h avy eo dia tonga any ny namana te handeha.Tongava daholo zareo an
6. dadabe ( 13/03/2005 16:46)
sonwin>marina ve zany sa lah mananihany e ?zah mantsy mety ho any hanofa jet hihihihihi :wink: :roll:
7. cutie ( 13/03/2005 21:58)
sonwin
any @ planeta antsoina we sonwin no misy an;le foire. :-D :-D :-D :-D
8. sonwin ( 14/03/2005 16:48)
cutie> ilay foire :-D :-D ..tsy misy planeta sonwin zany knou..sa aiza zany?..mila jet mihitsy aloha indray raha hamonjy ilay foire satria lavitra ihany nge any aminareo any e.Sady mbola an amin Mr Nova ny fotoana zay vao mamonjy an'i kala Virginia any amin'ilay tanana. De refa ao amin Nova izany de za mba hiaraka amin-dry amin'ilay Jet an :wink: ..za Cutie tsy mba olona mihanihany an :-D :-D fa indraindray fotsiny
9. Veloo ( 14/03/2005 16:51)
Reto ko raha hananihany tssssss.

Hokie a avy ao Virginia ve enao io sa Maryland sa DC mihitsy e? ary Sabotsy ihany ve no hisian'izy io sa misy alahady?

Dia misaotra mialoha hokie an
10. cutie ( 14/03/2005 21:32)
efa hita be io sonwin fa mananihany mbola we. :-D :-D :-D
Veloo, enao zany no solon-tenako.
11. fijo ( 14/03/2005 23:19)
fa cutie hoaiza?hummmm tsy mazava an
12. hokie ( 15/03/2005 13:58)
Mba mahitahita resaka koa nareo . Izy io moa toa ho an'ireo namana izay efa eto USA izay afaka mandalo ao Virginie.

Lalana avy ao DC..
1.Take I-66 WEST towards FRONT ROYAL - go 52.6 mi
2. Take exit #1A towards ROANOKE onto I-81 SOUTH - go 172.5 mi
3. Take exit #128 towards IRONTO(US-11) - go 0.1 mi
4. Turn on N FORK RD - go 8.7 mi
5. Turn on DEN HILL RD - go 0.9 mi
6. Turn on ELLETT RD - go 2.6 mi
7. Turn on US-460-BUS - go 1.8 mi
8. Arrive at N MAIN ST AT COLLEGE AVE, BLACKSBURG
13. hokie ( 15/03/2005 14:00)
Saika adinoko
Ity ny brochure
http://www.geocities.com/ngpixes3/newsletter2005.pdf
14. sonwin ( 15/03/2005 14:30)
ok refa mandalo ao amin'i Virginie zany an, dia mifanena amin-dry Take sy Take exit ary i Turn. Olona telo izany no mitari-dalana eo mmhh ka lehilahy ry zareo ireo sa vehivavy? Dia i Virginie zany handalovana fotsiny fa tsy ho any?:wink: ..ny tena marina dia lasa miteny amin'ny teny tsy fantatra ny gasy, toa misy go zany koa dia misy hoe towards..fanina mihitsy za klé. Aleoko ihany mifanao fotoana amin'i NOVA.
15. dadabe ( 15/03/2005 14:43)
sonwin>matoa ialahy fanina de satria misy tansioo,heheheh tsy hain'ialahy angaha fa zany virginie zany anie lety eo mpivarotra menakely etsy behoririka e,de le go avy @teny hoe gona(teny sihanaka) i gothlieb zany no kozindry zalahy amizany :( sa diso njay aho le :cry:
16. sonwin ( 15/03/2005 15:03)
dadabe> eny gona an. marina zany :lol:
17. cutie ( 15/03/2005 16:20)
sonwin mbola mananihany iahny . :-D
Za fijo tsy ho aiza tsy ho aiza. :-D
18. Gill ( 22/03/2005 13:52)
toa tsy afaka aho le-gona. Manahirana ilay hitady olona maro be tsy fantatra afatsy i Virginie ao Behoririka.
19. Veloo ( 23/03/2005 19:42)
Hokie a,

Dia misaotra betsaka momban'ny info rehetra e.... Hiezaka ny andalo any mihitsy za.

Zay ndray aloha an
20. sonwin ( 24/03/2005 15:50)
Misaotra akia Hokie a, ho avy any za sy cutie raha tsy raikitra ao amin'ny virgnie
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3226