hafahafa ihany aloha raha izao fisehony izao

1. ravatorano ( 04/03/2005 06:30)
Raikitra ny greve atsy mandeha koa ny ary.
Greve syndicale ireo.
Ny mahagaga dia izao raha vao misy resaka grevy dia milaza avy hatrany ny fitondrana fa mamofopofona politika na koa we greve politika io.
Raha nijery sy nyhaino momba ny greve ny SECES teny ankatso aho dia gaga raha nahare tamin ny fampilazam baovao fa notaomina indray ny mpianatra efa nianatra nokotabaina hiakatra hijery grevy lavareny.
Ny mahagaga dia izao efa hatramin ny ela no fomba fanao teny amin ny oniversite io ka ataoko fa tokony tsy hahagaga intsony sady rehefa nanao premier tour d vita isika nitaona ny namana rehetra na ny mbola taraiky nivalan-drano aza noraofina hanampy sy hanohana ary dia tsisy nisy niteny.
Miverina ny fika fahiny eh .Izay mpitondra tonga teo amin io fitondrana io dia tsy nanova filamatra na fihetsika fa tamboalohany ihany no tena nahavariana mihitsy ka nahavaky vava ny vahoaka rehetra.
Raha nitarika fitokonana ho fanoherana ny fitondra notarihin i deba isika d nirohitra dhl satria nihevitra ary rariny tokoa izany fa efa latsaka ambany ny firenena malagasy.Ny zo fototra no tena notakiatsika tamin ireny ary dia nanao greve generale isika , nanao investiture mihitsy aza satria iska nihevitra fa vita hatreo izay ny gaboraraka ka mila hafainganina ny fivoran ny raharaha rehetra na ara tsosialy na ara toekarena.
Amin izao firy amin ireo malagasy nanohana teny ireo no mbola hanohana eny indray.Ny antoko politika AVI aza moa dia ireny retsika ireny ny fandehany raha nampangain ny TIM ho ao andanosin ny greve nataon ireo mpitsara.
Sarotra eh tena sarotra mihitsy amin izao fa ny faniriana dia ny mba hivononan ny tsirairay fa tsy hanao b resaka ambavahady fotsiny na hipolitika amin ny resaka tsy mandeha fa aleo ialana mihitsy ny fika sy fomba fahiny , ny toetsaiana mampalaelo tsy hahitam bokatsoa fa io no mampiverin dalana ny firenena.
novalian'i bendrina ny 14/04/2005 16:38
2. naritsimba ( 04/03/2005 07:02)
ravatorano> marina ny voalazanao raha ny momba ny "fitokonana" no resahina.
Amiko manokana dia sahiko ny milaza fa ny antony itadiavana fitondrana dia ny HAMPITOMBOANA NY FANANAN'NY TENA MANOKANA.
Iza @ ireo orinasa eto Madagasikara no tsy hananan'dRa8manana vola ankehitriny? ary iza no tsy potehiny raha vao tsy manaiky idirany na mifaninana aminy?(Hotel Colbert, STAR, APMA, INJET, sns)

Raha ny Grevy manokana no resahina dia sahin'ny mpitondra ny manao ramatahora @ alalan'ny fanapahana karama ary natao ho fanta-poko fanta-pirenena izany, fa ho hitantsika eo raha sahy hikabary imasom-bahoaka indray ny Filoham-pirenena Ra8manana fa naloan'ny fanjakana indray ny karaman'ny SMM sy ny SECES tahaka ny nataony t@ nanapahana ny karaman'ireo.

Fomba taloha ihany izay efa fantatra ny ataon'ireo mpitondra ireo dia ny filazana fa MISY AMBADIKA POLITIKA ny resaka fitakiana SENDIKALY.

Koa adalan'izay mbola hifidy an'ireo @ 2007.

Misaotra eh!



3. ravatorano ( 04/03/2005 08:48)
tsy masaka intsony ilay fiaraha monina amin izao eh
mihavakivaky ny mpanohana an dravalo ary mihavitsy ihany nohon ny tsy fahalavorarina ny fiainambahoaka ka mitarika ny olona tsy hijery afa tsy ny tsy mety ihany indrindra fa eo amin ny fiainana andavan andro.
Te hime ihany aho ranaritsimba amin ilay we adala izay hifidy an ireo , izaho aloha efa adala satria nanitrikitrika sy nifidy azy teo kay moa notohizan elah we amin ny 2007 iny ndray mbola resaka hafa iny fa aoka aloha ny propany ho any eh
4. Surf ( 05/03/2005 08:27)
Raha nanao fitokonana lavareny ny gasy anie hanongana ny deba e, dia tena ny regime mihitsy no naongana satria tsy mahomby e, fa tsy hoe fangatahana tombontsoa ho ana antokonolona voafaritra e. Inona no moa no mety ho vokatry ny gravin'ny SMM na ny mpampianatra ? Tsy ny gasy rehetra ve amin'izao no mahatsiaro ho sahirana? Tsy hidirantsika ny hoe inona no nahatonga an'ilay fahasahiranana satria be dia be ny antony, kanefa hita fa misy ny fandraisana anjaran'ny fanjakana ary misy ny fandrika ataon'ny mpanohatra tsy hampahomby an'izany. Raha vita indray moa ny an'ny mpampianatra sy mpitsara ka hitokona indray ny dokoteram-panjakana satria izy ireo koa anie nianatra taona maro e ary ny service dia iankinan'ny ain'olona ka noho izany ny azy mbola important kokoa dia inona no hitranga ? Dia rehefa avy eo indray dia hitokona koa ny vahoaka izay azo lazaina fe tena sahirana dia ny mpiasa tsotra sns izay mandoa ny karaman'ireo mpitsara sy mpampianatra ireo ary mandeha milahabary isanandro?Amiko dia izao

1- Ny vahoaka rehetra no sahirana ary azo lazaina aza fa tsy ao anatin'ireny ny mpitsara sy ny mpampianatra. Tsy mahasoa ny mpianatra sy ny vahoaka izao gravy izao.
2- Destabilisation izao fihetsiketsehana izao ary tena politika. Iaraha-manaiky fa safidim-bahoaka ny fitondrana misy. Raha tsy mahoby izy dia ny safidim-bahoaka no diso ary azo arenina indray amin'ny élection manaraka. Dia averintsika eo indray ny sauvage sy mpangalatra.
3- Matoa mbola manana vola alefa @ fonds de solidarité ny mpitsara dia ampy izany ny karamany fa ny tena sahirana tsy manana. Raha mitady standing toa ny an'ny homologues-ny étrangers ny mpitsara (satria izay angamba no ilazany fa kely ny karamany)dia diso satria tsy izay no zava-misy ho an'ny rehetra
5. dadabe ( 05/03/2005 09:08)
Resaka politika io leroa a ...
Misy foana ny manakorontana fa mba te hahazo toerana ka sendra izay filona mody fanina ry zareo dia avelao ho ao fa ny mpianatra ihany koa araka manao pression an'ireo mpampianatra izay tsy tonga mampianatra.

Sa ahoana hoy ianareo ? :-D
6. intelligenzia ( 05/03/2005 13:28)
na politika io na tsy politika aleo aongany rehefa tsy aninn tsy aninn. Raha tsy izay tsy mahatsiaro saina izay tonga eo fa isaky ny mahazo fahefana dia hanao jadona lava izao! Raha miaina ara-dalana moa ny vahoaka mba azo leferina ihany saingy jereo ity fijaliana!
7. DotMG ( 06/03/2005 07:50)
Izao no tena loza manambana : Ny hevitry ny mpampindram-bola (TBI, BI) dia hoe tsy ilaina eto Madagasikara izany fampianarana ambony izany, fa tsy ilain' ny Malagasy ny manofana olona ho mpikaroka sy ho mpandalina fa olona mpanatanteraka no ilaina eto. Koa ny fampianarana ambony no tiany hopotehina satria rehefa bado no ofanina dia moramora kokoa ny manandevo. Ny fitondrana nifanesy teto, hatramin' izay dia tsy nanaiky lembenana tamin' izany fa ity fitondrana ity irery kosa no toa mitady ho vonona amin' io. Adidintsika efa vita fianarana sy mbola mpianatra ny hamerina ny tamin' ny taona 1972 raha vao ny fampianarana ambony no hoe tsy omena ny hasiny izany e! Tsy misy maha-firenena an' i Madagasikara raha vao ny fanofanana mpikaroka no atao faralahy na hofoanana.
8. xxx ( 06/03/2005 22:47)
tena loza miatao izany ry DotMG! Ny "experts" an'ny TBI sy BI nefa dia mihoa-papana ny vola anakaraman'ny fanjakana gasy azy.
Tsaroako indray taona nisy olon'ny BI nalefa hampiofana ny mpikaroka teny Ankatso dia niala maina fa tsy nanaiky ny SECES. Bandy vahiny tsy manana mari-pahaizana "troisieme cycle" akory ve no hampiofana dokotera sy profesera kanefa ilay sampana mitovy ihany!

Kanefa hoy aho hoe: avelao hakaton'izay te hanakatona azy ny oniversite raha izay no sitra-pony. Izy tsinona mety afaka mitsangatsangana any alemana dia rehefa miverina avy any mirehareha hoe nianatra. Feno diplaoma sandoka sy hosoka ny tanana, fampiesonana sy fahamantsinana koa izay!
9. ravatorano ( 08/03/2005 10:02)
raha we anakatona ny oniversite izany kosa alaoha defa mitady iala eo amin ny ftindrana angamba izay te hiditra amin izany fa dia hirehetan ny alahelom bahoaka raim mihitsy.
Marina tokoa fa efra reko io resaka io we mila olona mpanatanteraka eto executant izany fa tsy mpandalina sy mpampiofana izany.D amboarin dry nandra fotsiny zany isika ary izay no eritreretiny.Za manokana aloha dia mino ary mino fotsiny ihany fa ity fitondrana farany ity dia tsy sahy hiditra amin izany fa tena be loatra ny enjeux amin izany eh
10. moi ( 08/03/2005 12:47)
Ohatry ny hafahafa tokoa raha ny fisehony amin'izao, fa asa raha mihatra tokoa ny hoe ny any ambanivohitra no tena cible an-dry zareo fitondrana izao nanomboka ity 2005 ity. Ny programan'asa 2005 aloha dia efa nolazainy fa dia mankany, ka hoy ny mahita lavitra hoe mihezaka ny hambabo ny 80% isan-jaton'ny malagasy izy. Ny an-tanan-dehibe aloha dia be no mikolay amin'izy ity, fa nanomboka ny vidim-bary niakatra ireny no efa re teny ho eny hoe ny hampiverina ny maro ho eny ambanivohitra ny tanjona. Mazoto ange ny tantsaha raha ho tsara ny tsenany e !
Ny fifidianana 2007 ve ? Inona hono no holazain'ny mpanohitra ? Mbola lavitra izany ary tsy misy antoka koa hoe tsy hanao ny fanaon'ny teo aloha izay ho avy eo ! Raha tsy zefa angaha !
11. ravatorano ( 09/03/2005 12:11)
moi>io letsy izay programa aloah dia efa voalaza iny marina fa efa akaiky koa anie ny 2007 hanaovana ny fifidianana ho filoham pirenena eh ka tsy maintsy izao dia mi cible izay tokony ho azo antoka fa hahazahoana vato betsaka indrindra.
ny fomba fanao aloha d tsisy izay hitako miova izany fa na anova kodielekitoraly aza za mino fa ny teo teo ihany eh ny fomba fiady no miova fotsiny.
Mitovy fa tsy sahala
12. ravatorano ( 09/03/2005 12:13)
moi>io letsy izay programa aloah dia efa voalaza iny marina fa efa akaiky koa anie ny 2007 hanaovana ny fifidianana ho filoham pirenena eh ka tsy maintsy izao dia mi cible izay tokony ho azo antoka fa hahazahoana vato betsaka indrindra.
ny fomba fanao aloha d tsisy izay hitako miova izany fa na anova kodielekitoraly aza za mino fa ny teo teo ihany eh ny fomba fiady no miova fotsiny.
Mitovy fa tsy sahala
13. naritsimba ( 10/03/2005 07:00)
Tohano ihany Ravalomanana ahitanao azy, fa raha izaho ny kely izay nomena anay aza tsy naloan'ny mpitondra akory, ary mbola ampiana fampitahorana ihany koa.
Manala baraka ny toy izany.

Efa sirika anie fa manomana ny 2007 izy @ ireny resaka tantsaha ireny eh! propagandy vita ireny @ drizalahy. Fantany mantsy fa raha ny ville rehetra @ zao tsy ahazoany afa-tsy 20% raha mahazo.

T@ fifidianana farany teo ange ka 51% no azon'drizareo eh, de ny ambiny izany sur fa mpanohitra daholo, 49% miampy ny tsy hifidy azy intsony tsy ho afa-baraka eo ireo. Aleo ho hitan'ny havany eo.
14. Surf ( 11/03/2005 10:37)
K zay anie lé zavts e ! Nahoana ary raha tsorina hoe fanonganana an-dRA-8 no fonosin'io grevy io e ! Ny zavatra tsy mety @ fitondrana misy dia misey tokoa, mbola ampiana tsy mety koa ? Sa hiverina amin'i deba.
Malalaka ny vahoaka, zany hoe afaka misafidy ny olona tiany hitondra azy. Na mahomby koa anie na tsia ny fitondrana, safidin'ny vahoaka io (zah tsy miteny hoe safidiko na anao a!) ka rehefa tonga ny fifidianana di aongany e!
15. ravatorano ( 14/03/2005 07:50)
za aloha tsy manohana ny fanonganana olona izany mihitsy raha tsy amin ny alalan ny fifidianana ihnay
te hifidy azy teo ka we aongana ahoana , na mety na tsia ataon io dia miandry ny 2007 no mety d any izay tena tsy tia an io fitondrana io dia manezaha mafy manao plopangandy hanalana azy teo amin io toerany io dia manaova koa fanaraha maso mba ialana amin ny we mangala bato raha mbola lany izy.
16. naritsimba ( 14/03/2005 12:22)
Ny ahy ange tsy hanongana azy @ alalan'ny grevy fa zà efa manao propagandy hoe"MIFIDIANA OLONA ANKOATRAN'NY RAVALOMANANA @ 2007"
17. bendrina ( 14/04/2005 16:38)
fanonganana zany kou ve tsy efa lany andro sa averina le 1kalahy taloha?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1871