Ny fahalemena koa harena

1. hery ( 28/02/2005 23:32)
Eritreritra nandalo teny ambony bus :-) Sendra nisy rangaha henoko niteny t@ teny italiana hoe Deboleza dia niezaka nitady aho hoe inona no tena dikany... dia hay fahalemena.
Harena koa ny fahalemena... satria ahatsapana fa tsy parfait ianao ka afaka mihoitra indray.
Harena koa ny fahalemena satria tsapanao fa tsy mahavita tena ianao dia mitady olona
Harena koa ny fahalemena satria mampianatra anao izany hoe mitraka.
Harena koa ny fahalemena satria raha tsy izany tsy fantatrao ny atao hoe mafy
Harena koa ny fahalemena satria ... torimaso mamin'ny fahasalamana ny kidoro malemy :-p

Dia miady rima ny hoe harena sy fahalemena amin'ny teny gasy... dia amin'ny teny frantsay koa La faiblesse est une richesse dia amin'ny teny italiana koa Deboleza è ricchezza

baoninoiiii daholo
novalian'i pitchou ny 12/03/2005 16:54
2. intelligenzia ( 01/03/2005 00:31)
...de lazaivo koa fa harena ny fahantrana e!
3. booboo ( 01/03/2005 09:59)
mampianatra anao hikarataka mafimafy kokoa raha te ho isan'ny survivant eto @ ty tany 'ty
4. kally ( 01/03/2005 10:13)
Ny fahatsiarovan-tsaina re no tena harena e!na halemy tahaky ny inona aza mety ho be taraina fotsiny hoe izaho ve malemy dia ataonareo an'izany fa rehefa mahatsiaro saina hoe na dia manana fahalemena aza aho afaka hitovy @ rehetra no harena.Sa ahona ozy enao?
5. NyKanto ( 01/03/2005 11:06)
Ny tenin'Andriamanitra dia milaza ihany koa hoe :
"Ny fahsaoavan'Andriamanitra dia tanterahina ao amin'ny fahalemena" ... raha te-hahita ny herin'Andriamanitra miasa eo amin'ny fiainanao ianao dia mila manetry tena eo anatrehany. Fanetren-tena ny fiekena fa malemy ary tsy mahatontosa ny atao raha tsy misy fanampiany.
Sa tsy izany ? ... izay no antony ilazan'ny olona efa nanankim-po taminy hoe : Raha sitrapon'Andriamanitra, fahalemena-fanentren-tena lehibe izany raha tena vokatry ny fo.
Ny Kanto.
6. nikopol ( 01/03/2005 11:33)
Ny fiainana no harena. Dia zay rehetra ao anatin'io dia harena daholo. :lol:
7. hery ( 01/03/2005 15:03)
intelligenzia> mbola tsy tao anatin'ny eritreritro aloha io... fa nisy an'izay rangaha izay no niteny hoe "Sambatra ianareo mahantra"...

Nykanto> hay tokoa moa ao amin'io boky nolazainao io misy hoe "Ny fahalemeko no heriko"

Mazotoa daholo :-)
8. fijo ( 01/03/2005 21:16)
io voalazan'i kally io no marina .
aza avadika moa le kozy ra intell an
9. judicael ( 02/03/2005 06:35)
salut daholo!marina aloha fa harena ny fahalemena nefa tandremo fa raha misy olona iray mahita fa ianao de malemy izany hoe ny fahalemena tiana ho lazaina mantsy eto dia ny fandeferana raha azoko tsara ka aza atao fantany ihany fa malemy ianao fa de avy foana izy amin'ny angady sy ny harona hanindry anao tena hitako eo amin'ny fiarahamonina misy ahy mihitsy mantsy io hany ka rehefa tena mampiseho ny lohambotonao koa ianao de mahalalamatahotra ihany ry zareo manana toetra manindry ,noho izany ny fahalemena amiko de ny fahaizana mametraka azy no tena tsara ok! ary fa tsy hita izy ity fa resaka ifampizarana ka de namoaka jevitra aho e!
10. fijo ( 02/03/2005 23:30)
marina mihitsy fa ny fandeferana akory tsy midika hoe fanararaotana
11. eisy ( 03/03/2005 08:23)
Ny AINA mihintsy no tena harena lehibe
12. hery ( 03/03/2005 14:48)
eisy> Hery ny aina zany
13. cutie ( 03/03/2005 15:54)
ny Fitiavana no tena harena. (l)
14. eisy ( 04/03/2005 05:47)
Ahoana no hitiavana raha tsy manan'aina? cutie
15. eisy ( 04/03/2005 05:55)
Ahoana no hitiavana raha tsy manan'aina? cutie
16. cutie ( 04/03/2005 18:26)

Matoa ianao velon'aina de noho ny Fitiavana zany . Eisy :)
17. iartistika ( 04/03/2005 18:35)
taiza koa ,Ntsss!
18. cutie ( 04/03/2005 18:35)
velombelom-poana zany ?? lol
19. poupounesana ( 05/03/2005 15:29)
marina zany kah! ny fahalemena no hitarika anao hiezaka mba hihoatra sady hahita situation tsara2 kokoa! azavaiko : ny zaza rah gaté b dieny mbola kely tsy hisahirana izy hitady zay hahatsara kokoany fiainany, satria mihevitra fa tsy maitnsy ho azony daolo ny zavadrehetra! rah ohatra indray anefa zaza nanana enfance "malheureuse"(tsy d nanana ny RAD ohatra, ...) mety hanao zay ho afany izy hihoatra izany ary mazana manao zay ho afany tsy hampiaina izany ny zanany!
20. pitchou ( 06/03/2005 18:44)
harena daholo ze rehetra hita sy mihatra raha hay ny mankasitraka sy mampiasa azy ko! na ny fisian'ny mpangalatra aza angamba satria mampianatra ny rehetra tsy hanadino izany fa misy tokony harenina eo @ fiaraha-monina ary tokony hiambina lalandava! na ny hanohanana aza satria rehefa mahita sakafo enao @iny na d poti-mofo aza dia ahatsiaro ho tena sambatra fa nisy nitsimbina! harena koa ny fahoriana midona satria manaporofo aminao fa hay enao manana hery ahafahanao mitraka ... d harena be koa ny sakafo oaninao satria ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.194