tafita @ fiainana

1. booboo ( 23/02/2005 10:14)
Inn aminareo no atao hoe tafita @ fiainana. Refa nandinika zà dé ny ankamaroan'ny oul miteny aby oe refa nahavita fianarana bacc + taona maro tsy haiko, manana asa sahaza an'iny, mandray karama araka izay kou, manana trano, tsy ory matériellement.
Raha tsy zay nefa no miseho fa sambatra na tsy manana afa-tsy trano bongo tondra-dronono ve dé tsy tafita zany ?
novalian'i felicia ny 03/04/2005 17:09
2. eisy ( 23/02/2005 11:23)
Amiko de ny mifaly ao anaty fianakaviana e! de manana asa ahafahana mamelona sy ahatafita azy ireo, tsy hoe manankarena be akory fa rehefa afaka mifaly de izay.
Tsy ho irin'ny olona no sady tsy haniry olona ihany koa.
De ny tafita amin'izay tanjona izay no heritreretiko fa tafita amin'ny fiainana
de zay
3. moi ( 23/02/2005 11:53)
Arakaraka ny fitaratra jerenao io :
Raha eo anatrehan'ny olona, rehefa mihoatra kely ny hafa ianao dia efa tafita ianao izay aminy, nefa ianao aza mbola tsy afa-po.
Fa misy fotoana ianao mba manonofy iny hoe raha tafavoaka amin'ity kosa aloha dia tafita e ! Dia tafita tokoa ianao tamin'iny, dia misy zavatra hafa indray tadiavina ... vao tafita ...

Fa ny tafita anankiray, dia ny manana fiadanam-po, izay tsy miankina amin-javatra ivelany, toy ny fananana vola, na fahaizana, na fahasalamana. Io fiadanana io dia vokatry ny Fanahy araka ny voalaza ao amin'ny Galate 5 : 22...
4. moi ( 23/02/2005 11:58)
Arakaraka ny fitaratra jerenao io :
Raha eo anatrehan'ny olona, rehefa mihoatra kely ny hafa ianao dia efa tafita ianao izay aminy, nefa ianao aza mbola tsy afa-po.
Fa misy fotoana ianao mba manonofy iny hoe raha tafavoaka amin'ity kosa aloha dia tafita e ! Dia tafita tokoa ianao tamin'iny, dia misy zavatra hafa indray tadiavina ... vao tafita ...

Fa ny tafita anankiray, dia ny manana fiadanam-po, izay tsy miankina amin-javatra ivelany, toy ny fananana vola, na fahaizana, na fahasalamana. Io fiadanana io dia vokatry ny Fanahy araka ny voalaza ao amin'ny Galate 5 : 22...
5. kally ( 23/02/2005 14:49)
Tafita @ fiainana hoy aho rehefa miadan-tsaina tsy feno tebiteby ary milamina sy feno fitiavana.
6. ikaretsaka ( 23/02/2005 19:35)
izay!
ny an'i kala Bla no marina
7. kally ( 23/02/2005 19:49)
Androky any !!!ataondroky malaza be ery ikala Blà :P
8. booboo ( 23/02/2005 19:50)
hihihihi io ara fa lasa haiko ry kally hihihihi
9. ikaretsaka ( 23/02/2005 19:51)
kally:

Androky any !!!ataondroky malaza be ery ikala Blà :P


fa nanomboka oviana ndray ndroky ro tsary nalaza yyy?
10. fijo ( 23/02/2005 21:54)
marina tokoa ny an'i bla.
11. chipie1 ( 24/02/2005 09:00)
Bla bla =))
12. xxx ( 24/02/2005 09:27)
tsy ny vola amankarena , tsy prestige, tsy ny celebrite, tsy ny bac + 10, tsy ny fananana trano be, tsy ny zavatry ny zao tontolo izao fa :la vraie vie est beaucoup plus que les biens materiels sans compter que la richesse ferait peut etre de nosu un etre agressif dominateur sans coeu. reussir sa vie n'est pas seulement vivre mieux que les autres avoir plus d'argent plus de pouvoir etre celebre c'est beaucoup plus, c'est vivre pour toujours avec le Seigneur
la reussite est une des composantes du bonheur, c'est pourquoi ne vous contentez pas d'une reussite ephemere spectaculaire peut etre voire exaltante mais qui demain vous laissera dans le plus grand desarroi. recherchez la reussite de votre vie toute entiere et ne sacrifiez pas celle ci pour un court instant de succes
13. didi ( 24/02/2005 16:06)
xxx> Vivre pour toujours avec le seigneur : efa rendrika any ambany rangolahy izany ve vao ho tafita @ fiainana ? :lol: . Tsy maninona miaraka Aminy fa tsy misy bedy raha miampy vola sy trano sy " biens materiels" koa angamba kosa e !
14. fijo ( 28/02/2005 22:27)
marina nen'i didid.ny eto no resahana fa tsy izay tsy ita any e
15. felicia ( 03/04/2005 17:09)
tafita @ fiainana amiko c-a-d réussir dans la vie les choses qu'on voulait faire,vivre bien matérielement e avoir la serènité en meme temps...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3747