FAMPIANARANA KABARY

1. naritsimba ( 21/02/2005 07:38)
ARARAOTY! ARARAOTY! FAMPIANARANA KABARY

Efa misokatra izao ny fampianarana Kabary izay iandraiketan'ny Sampana FI.MPI.MA Ambohipo HANITRA NENTIN-DRAZANA eny @ Fiangonana FJKM Ambohipo.

-Ny fisoratana anarana dia mifarana ny 27 Febroary 2005 ho avy izao.
-Ny saram-pisoratana anarana dia 500 Ariary (2500fmg)
-Ny saram-pianarana dia tsy misy fa rakitra no tantazana.

-Ny fotoana fianarana dia isaky ny Alahady manomboka @ 2 ora ka hatramin'ny 4 ora tolakandro ao @ Ankany FJKM Ambohipo ihany.

"ANDRIANIKO NY TENIKO HO KOLOIKO FA LOVA TAMIN-DRENIKO"
Dia manasa antsika namana izay afaka ary ô!

NARITSIMBA
novalian'i fijo ny 25/02/2005 00:17
2. intelligenzia ( 21/02/2005 07:41)
resaka matotra: sao dia mba tokony andefasana an'ito koa ao Ambohitsirohitra ry Naritsimba?
3. naritsimba ( 21/02/2005 08:11)
intelligenzia> andefaso fa tsy olana ka! mandray oll koa izahay izay vonona ny hiaraka handihy sy hihira vako-drazana ara-pilazantsara ho an'izay liana @ izany. Ny fotoana indray dia ny Alahady hariva @ 4 hatramin'ny 5 ora hariva. Ny toerana dia tsy miova fa ao @ Ankany FJKM Ambohipo ihany
4. tafita ( 21/02/2005 13:58)
intelligenzia:

resaka matotra: sao dia mba tokony andefasana an'ito koa ao Ambohitsirohitra ry Naritsimba?

Izaho aza andefasana an'ito satria hitako fa izay olona mivoaka amin'io fianarana mikabary io de lava resaka be ka tsy dia mahaliana ny olona loatra intsony indrindra aty aminay . O K
5. chipie1 ( 21/02/2005 14:51)
iza koa anefa no handany andro andefa anizany ho any i tafita . OK :twisted:
6. naritsimba ( 22/02/2005 05:43)
tafita> aiza moa no tsy ho ny very ny vakoka Malagasy raha toa anao daholo ny olona rehetra.
Aleo tsoriko aminao fa t@ Sabotsy19 Février teo dia nisy fanateram-bodiondry natao ka Vazaha ilay lehilahy ary Malagasy ilay vehivavy.
Toy izao ny tenin'ilay Vazaha sy ny fianakaviany nanatrika izany:TSY ATAO ANY AMINAY NY MARIAZY FA ATAO ATY MADAGASIKARA IHANY FA ATY NY FIANAKAVIANA TENA MAHAFINARITRA FA TSY TOY NY ANY AMINAY FA TENA MIAINA AO ANATY FIFANKATIAVANA REHEFA MISY RAHARAHA ATAO.(Dika-teny malalaka io)Io fomba io izany no fomban'ny Malagasy sasany rehefa tonga any am-pita.
Ary dia Kabary @ Teny Malagasy madio no nanaovana azy fa nisy kosa ny nandika teny, ary dia ny mahagaga dia ny vahiny no liana @ fampiasana ny Kabary fa ny Malagasy sasany toa anao dia manao tahaka ny VALALAN'AMBOA KA NA NY TOMPONY AZA TSY TIA.

Misaotra ireo mpanohana sy ny mpankafy ary ny mpakamamy ny maha Malagasy.
7. naritsimba ( 22/02/2005 05:50)

8. fijo ( 25/02/2005 00:17)
o ry tafita an raha ny fanariana ny maha gasy no atao hoe fandrosoana any aminareo dia mampalahelo be izany.maha menatra ahy ianao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1705