tsy misy ny tahiry insuline ho an'ny diabetika

1. intelligenzia ( 18/02/2005 08:48)
fa maninona ny insuline no salama irery no mpamatsy azy? nanaiky izany hatramin'izay ve ny amadia? ary ahoana hoy ny pharmaciens sao koa dia sanatria mifono politika fanapotehana vahoaka sahala amin'ny vary io resaka io. fantatro mantsy fa tsenam-barotra tena "chasse gardée" mihitsy izy io taloha.

dia tsy fantatry ny mpitondra ve hoe iza "ny tompon'i salama"? hay ito fitondrana ito tsy ampy lobbying ihany fa manao amboletra fotsiny!
novalian'i cocorie ny 21/06/2005 21:50
2. Ramaso ( 18/02/2005 18:09)
tsaraaaaaaa mahasalama aaaaaaa
3. raym ( 14/05/2005 15:40)
Mampahalahelo tokoa fa ny tenako dia diabétique fa dia voatery tsy maintsy nitady lalana aty ivelany fa maty raha any Dago.Sady lafo tsy takatra raha misy,fa dia tsy misy aloha.Tsy asian'ny fanjakana resaka firy mihitsy izy io fa dia aleony angamba ho faty ny diabétique any Dago.Fa angaha io mety atao hoe anio misy dia afaka iray volana indray tsy misy intsony fa tsy maintsy miandry kely indray.Na atao hoe retard no mety aminao fa tsy misy io fa lent no misy ka dia atao @ io aloha mandram-pisy indray izay tsy mbola fantatra hoe rahoviana.Tokony mba hisaintsaina io ny ao @ fitondrana fa tsy ny olona rehatra no manana fahafahana andeha aty an-dafy.Mampalahelo mihitsy fa ny Dr aty dia miteny fa tsy voatsabo araka ny tokony ho izy ny gasy diabétique satria vitsy ny pourcentage-n'ny olona diabetique par rapport @ population dia tsy dia ataon'ny ao @ fitondram-panjakana olana loatra.Mampalahelo mihitsy ilay fomba fijery sa satria mahantra loatra ve ny gasy no mahatonga izany dia izay betsaka isa ihany no tena jerena?Lavalava ihany fa miala tsiny fa tena tohana tokoa ny fo satria voatery misaraka @ vady aman-janaka mihitsy vokatr'izany.
4. cocorie ( 21/06/2005 21:50)
Asa raha fantatrao fa nanome insuline be dia be ny Amadia Ra8 tamin'ny semaine de 06 juin teo (tsy tsaroako le date) de nozaraina maimaim-poana tokoa tamin'ireo diabetika membren'ny Amadia ireto izy ka nahazo 6 avy ary raha toa ka mbola tsy lany ny stock dia mbola omena indray rehefa lany hono ireo 6 ireo. raha mba misy toy izany foana dia tsy maintsy hifidy an-Ra8 ihany ireo diabetika mba hitohizan'ny fanampiana sa ahoana? lalina tokoa mantsy ity vidiny! na eny Ambohipo aza dia lafo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.119