Menatra ve aho? Menatra olona sa an'Andriamanitra?

1. intelligenzia ( 16/02/2005 00:48)
Tsy sanatria hiteraka fikorontanana, ary tsy misy fanavakavahana no antony hanoratako an’ito lahatsoratra ito fa milaza ny marina amin’ny fo madio. Efa hatry ny ela no nahazo ny “fahaleoven-tenany” i Madagasikara, saingy mbola miankin-doha amin’ny firenen-kafa isika mandrak’ankehitriny. Velona ary ny fitarainana tetsy sy teroa noho ny fahantrana niainana nandritry ny taona am-polony maro. Tsy tao Antananarivo ihany fa saika nanerana ny Nosy dia nandeha ny resaka toy ny hoe: “avelao mba hitondra indray ny merina fa tsy mbola nisy merina nitondra mihitsy”. Ny Jeneraly Ramanantsoa sy Ratsimandrava moa iaraha-mahafantatra fa fotoana fohy monja no nitoerany teo, torak’izany koa ny an’Ingahy Praiminisitra Ratsirahonana. Nametraka fanantenana tanteraka tamin’ny Filoha Ravalomanana ny vahoaka ary nanao ny ainy tsy ho zavatra nandritry ny tolona namoizana aina tamin’ny taona 2002. Natao avokoa tamin'ireny fotoana ireny ny fomba rehetra, toy ny "fanesorana devoly tamin'ny minisitera". Ny masera namatsy sakafo ny mpiambina sns...

Iaraha-mahita ankehitriny ny vokatra fa na ny vary foto-tsakafo sy ain-dehibe aza sady lafo vidy no mbola ilaharana. Ny fahantran’ny daholobe mitombo kanefa etsy an-danin’izany ny orinasan’ny fianakavian’ny filoha dia miroborobo tokoa.

Menatra ny fijerin’ny olona aho! Aoka re tsy ho raisina atao faobe amin’ny fihaviany ny olona fa samy manana ny maha izy azy, ny fahaizamanaony, ary koa ny fahendreny ny tsirairay avy. Torak’izany koa ny antokom-pinoana! Raha misy “kristianina” iray na roa hitanao manao zavatra tsy mendrika, aoka tsy ny kristianina rehetra no ho voasoketa. Tsarovy fa ny lohandohan’ny pisoron’ny synagoga mihitsy no tsy mendrika sy nanenjika sy an’i Kristy, saingy tsy nampiova ny finoan’ireo nanara-dia azy izany. Koa raha toa mahita ianao tompon’andraikitra ambony amin’ny fiangonana manao ny ataony, aoka tsy hampiova ny finoanao izany fa Jesoa Kristy irery ihany no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Ny henatro ny olona araka izany dia tsy manan-danja loatra amiko noho ny fitiavan’Andriamanitra ahy
novalian'i marozevo ny 29/04/2005 00:33
2. eisy ( 17/02/2005 10:06)
Ekena nama a!
Raha mahita olona iray manary vola 10.000 ariary eny am-baravaran-kely ve enao de ho arinao daholo koa ireo 10.000 ariary ao an-tranonao e!!!!
3. moi ( 17/02/2005 10:55)

Sahala amin'ny manjo ny mpankafy an-dry Mickael Jackson ihany izy ity e ! Menatra tsy fidiny ...
Koa aza henjehina velively ny merina fa tsy fidiny ho azy ny ho merina. Ity mantsy tsy mba azo nisafidianana, fa raha nahazo nisafidy, ny mainty hoditra mba te ho fotsy, ny fotsy te ho mainty. An-taratasy angaha !
Fa ny maha kristiana no mety azo ovaina, satria na teraka tanaty fianakaviana kristiana aza, afaka mivadika fivavahana hafa.

Fa iza aloha no milaza fa hihatsara izao fiainana izao e ?
4. dadabe ( 20/02/2005 08:28)
hoy ny soratra masina"raha menatra Ahy ianareo dia mba ho menatra anareo koa aho..:"aza menatra an'A/tra izany ,satria tsy sitrany ny maha-toa izao ny malagasy saingy,tsy maintsy lalana izorana izao ,satria izay no sitrapony. 8)
5. intelligenzia ( 20/02/2005 22:15)
sitrapony taiza indray koa? ny mpanao politika no manao ny ataony ka lazaina fa izay no sitrapon'Andriamanitra! Aza mba manendrikendrika kosa e! :)
6. fijo ( 24/02/2005 23:42)
ka ianareo mpino ihany anie no milaza fa lahatr'andriamanitra ny ety antany e.ka inon a indray ary.
7. dadabe ( 31/03/2005 07:46)
as lesy kou,
8. annie ( 14/04/2005 14:15)
andraso aloha ho dinihina tsara fa toa resaka hafa indray izy ty! 8)
9. marozevo ( 29/04/2005 00:33)
Intelligence > Mino tokoa ve ianao fa eto no tena tokony hitoeran'ity ady hevitra ity sa any amin'ny toeran-kafa ? Aoka tsy hatao tery vay manta hoe miteny indraim-bava momba ny fivavahana aho dia ato izany ity, nefa ny 90% politika. Fivavahana, Finoana no loha hevitra eto. Ka izay ve no ipetrahan'ilay tsindrim-peonao ?
Raha sanatria moa ka diso ny fazahoako azy, dia ny soratro no ario fa tsy ny tenako. Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2064