Miracle mon ami

1. notron ( 04/02/2005 10:06)
Nisy takelaka iray nosoratako momba ilay antokom-pivavahana mahavita miracle fa na fiarakodia aza angatahina dia mety ho azo. Nisy namazivazy moa hoe kou manin rah rôplana no angatahina? (andramo e! hihihi)

Nofoanan'ny Ministeran'ny Atitany ilay decret t@ 1998 nanome halalana ny fisiany ka voatery nakatona izy io.

Voalaza anefa fa nisokatra indray izy noho ny fandalovan'ireo bréziliana teto Mada. Na izany aza anefa dia efa nampodina any @ taniny avokoa ireo vahiny mpitarika azy io.
Ankehitriny indray dia niziriziry ny Ministera fa mikatona tanteraka izy io.

Vokany : tsy hita intsony mon ami :roll:

Voalaza ihany koa fa ny antony tena nanakatonana azy dia ny fomba fisarihany olona izay heverina fa tsy mifanaraka loatra @ maha-fivavahana azy.
Antony ihany koa ilay fandoroana Baiboly sy saplé tany Fianarantsoa. Niakatra fitsarana moa izany raharaha izany.

Nahazo olona tokoa izy ireo satria mafy ny fiainana eto Mada ka miazakazaka mitasy harena ny maro.

"Vava-kisoa misy sira io ka tokinao hihinana azy"
"Mangidy vao mafana sa gilasy mamy be?"
Anao ny safidy
novalian'i felicia ny 11/04/2005 00:26
2. eisy ( 04/02/2005 10:46)

Ekena fa mafy ny fiainana eto amin'ny tanàna, fa tsy hoe te hanambola akory de MODY mivavaka!
de lenanankatonana an-dry lerony koa anie toa ohatran'ny misy resaka lalàna sa fitsipika tsy feno e!
Za aloha tena manaiky mihintsy raha ny hanankatonana ilay fika e! sady ry zalahy anie rehefa misintona olona eo amin' ny arabe tena ohatran' ireny manao a-keriny ireny e! le fihetsika ohatran'ny ho eaty ty mivavaka ! haingana!!!
De lehoe nandoro Baiboly koa:ireny ve de mety? ry lerony ve izao de tsy hisalasala raha handoro ny Album photo ao an-tranony nefa ny Boky Misy ny tenin'Andriamanitra izay lazainy fa hivavahany dorany!Anndriamanitra izay lazainy fa hahavitany MIRACLE HONO
ALEO HIHIDY ANY FA NÔFA BE NY MOKONDOHA......HIDIO EEEEE! manakorotana ny sain'ny Malagasy na mahantra aza TSY KOUA!
3. ikaretsaka ( 04/02/2005 14:21)
Bien "mon ami"
4. fijo ( 11/02/2005 05:51)
ka ny sekta rehetra any mihintsy no tokony hidina satria fantany fa mahantra ny olona ary ny olona mahantra mora sarihana satria tsy mahalala intsony izay hiantsapiana.
adidin'ny fitondrana no miaro ny olona ary anisan'ny fiarovana ny olona izany
5. Ramaso ( 14/02/2005 03:19)
misy nge tsy mahalala hoe sekta le fivavahana misy azy e..
@ voalohany aloha faly @ zao fotsiny de avy eo voan'ny lavage dai tena jamba mahiratra be
6. moi ( 17/02/2005 15:40)
Dia mba ahoana izany reo olona tena nitady an'Andriamanitra tao ?
Mba ao ve ny fiangonana hafa hisintona azy sa dia avela indray hosintonin'ny secte hafa ?
Misy mpiangona fjkm fantatro izay nifindra tany amin'ireny, ary dia tena hita ho nafana fo mihitsy noho ny tany amin'ny FJKM, satria lasa hitany izany hoe mbola handeha hivavaka izahay rahampitso vao maraina (@ 6ora io), mbola hivavaka izahay rahariva ...(antenantenan'andro io an)
Nefa izy tao amin'ny FJKM alahady maraina aza tsy harany, sa ny FJKM tsy mivoha isan'andro misy mba hivavahany toy izany ? Manatombo aloha ny katolika raha isa-na lamesa e ! Fa ry EURD tena isan'andro !!!
7. eisy ( 18/02/2005 10:15)
Ireny olona ireny anie raha tena andriamanitra marina no nalehany tany; hain' Andriamanitra koa ny manamboatra ny sainy hiverina amin'ny lala-marina
8. moi ( 11/03/2005 13:00)
Hain'Andriamanitra, fa mety misy anjarantsika koa.

Nandalo tao Antanimena ao omaly tokony ho 7ora hariva mahery, dia gaga mahita an-dry zareo mbola vory be dia be ; hay mivavaka ety an-tokotany, fa natakona indray ny Eglizy ...
9. sonwin ( 11/03/2005 13:37)
Mahay ny zavatra rehetra Andriamanitra ary atorony antsika hatrany ny lalana tsara, nefa isika olombelona dia nohariana hanana safidy ka miankina be de be amin'ilay olona ny hiverina na tsia amin lalana marina.
Aiza anefa ny lalana marina?..raha tiana ho hitan'izy ireo ny lalana marina dia ny fiangonana aloha no tokony ho modely..aiza ve ka de hoe: miady tany amin fokonolona hono ny Fjkm atsy ananona, namorona fiangonana ho azy manokana hono ny pasitera atsy ananona fa voaroaka, tsy mazava hono ny fitatanam-bola dia lasa misy fiangonana protestanta maromaro any Paris(ohatra io an),tsy mifankahazo amin pasitera hono ny diakona???..misy aza ny fiangonana dia tatitra ara-bola mibahan-toerana be..nefa hivavaka no anton-dia ...dia tsy izany ihany fa ireo milaza azy ho kristianina toa mifanaratsy e, matetika moa de ny katolika no lasibatra..nefa kristianina ilay manakina amin'io an..de mitsara avy hatrany izy, nefa mbola ho tsaraina..de izany rehetra izany..ka amiko normal ny olona sasany raha handositra ilay heverina hoe lala-marina , ka nareo ao aza tsy milamina knou..sady any aminareo any aminy lalana marina any ange toa mila mihaingo vao miditra ampiangonana e(akoatra ny katolika)..raha misy rovitra ny patalohako makany toa maty jerijery ny tenanay knou..indrindra ange ka any amin Fj..e..toa tsy sahy makany za ka..aleoko..fiainana kely tsotsotra eto ihany, za sy ny Ray..dia Jesosy eo anilako ny Fanahy Masina mitsilo..fa raha ho any aminareo..mmhh resabola ny any, miady ny any, kata milay ny any, etc...
10. dadabe ( 11/03/2005 16:48)
ka efa hoe raha tena vonona ny hanaraka an'Andriamanitra ise de aza mijery olona fa ny teniny arahina =BAIBOLY ,azza mamazivazy an'io mihitsy satria io no tenin'i Ray"... ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona...
"...ny teny fiainana..."sns... (l) (l)
11. sonwin ( 12/03/2005 19:09)
Ka ny tsy hijerevana olona mihitsy no ts akanesana any aminareo any Dadabe an...hivavaka ny anton-dia any nefa toa resa-bola sy resa-kata ary fanavahana ny mavomavo no hita knou...ny tenin'Andriamanitra mipetraka foana tokoa, ary ts ho levona ato ampoko ihany koa, fa rehefa mivavaka dia any amin toerana tsy misy fiatsarem-belatsia no lafatra indrindra.
12. dadabe ( 13/03/2005 14:49)
sonwin>marina sy ekena ,de lalino sy araho @zay ary ny soratra masina e :D (l) (l) :D de ampy ary e
13. Mifenty ( 13/03/2005 15:23)
refa tsy ampy less ny baiboly de ampio an le boky manga na le boky kely maitso ah.


rarainla inn ze kil mijery any ah. Ny ati-fon la no jeren'i deba (Andriamanitra io an) fa tsy zé kata sy ny sisa any.

Tadidio le kozy iray iry. le resaka kôksa sy ny jiosy.

de tadidio kou le resaka fariziannn sy le joba nanome centimes d'euros.

Ra ireo tantara roa nalaina avy tao am baiboly reo no jerena de tsy nisy resaka kata mitsy na resaka sôsy le izy. Niala maina ny jiosy (fialan'ny jiosy) ary oainina kely le fariziannn niravaka be sy be sôsy.


fa le kôksa sy joba no nahazo tombony.

Dikany, aza raraina zé kozy afa any. "Ny finoanao no nahavonjy anao " hoy ilay fiteny zay, ny baiboly mantsy eh.
14. sonwin ( 13/03/2005 15:47)
Izao zany ilay hoe kofa mikozy an :lol: mety ho voatarika hivavaka ihany ny joba sy ny koksa sy ny faikam-boto eny amin sisiny eny raha ohatr'izao no fikoz hitoriana teny an..kozy milay avy any ambony..zao no voasoratra nisy koksa hono niara-nivavaka tam farisianana ..etc dia nahazo tombony ilay koksa (ts vaofaritra eto hoe tombom-barotra sa tombom-bavaka) :-D :-D :-D , mifenty afaka manambara ny filazantsara amin endriny vaovao ise :-D :-D
15. dadabe ( 13/03/2005 16:02)
sonwin>de kofa teny analakely mihitsy anie lery io e,eny ambondrona eny no tena tananany,de heheheheheheheheh =))sady mahay mifenty lery :D de ampy e
16. sonwin ( 14/03/2005 17:06)
=))
17. iartistika ( 14/03/2005 19:08)
efa mikatona ndray hono le mon ami eh!vao hitako t@ express teo,tonga tany mitsy hono ny vaditany sy ny prà...
18. dadabe ( 15/03/2005 14:36)
ahoana koa ary izany ,sokafana de avy eo akatona ,de sokafana njay de avy eo akatona.
Zah alou tsy hilaza ny hevitro satria zah tsy maharaka an'ilay kozy e.
mifenty >iza hoa le zanak'i bedaba maty zany ?(oay azafady fa tsy ao anaty size io ) :-D
19. sonwin ( 15/03/2005 14:40)
nikatona indray mon ami e...eo indrindra izao no tokony hiseho ilay hoe "miracle mon ami"..miandry isika e
20. iartistika ( 27/03/2005 13:35)
tô tsisy fika tsony letsy ko!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1437