fampielezankevitra

1. kavitra ( 01/02/2005 16:47)
Mba tadidintsika ve ny fampielezankevitra nataony filohatsika tsy hovoantanisakodaholo fa ireto misy vitsivitsy "hoavy tsihoela ao antokantranonao aho" ary koa nyany filoha taloha "raha tsy zaho no lany dia hisy ny instabilisation politique eto" azonareove ny tianireo ambara raha adikako tsotra dia hoe"haka ny toeranao aho"ny iray mamaly hoe "tsy hoazonao noranora io"ka dia miantraika aminy vahoaka madinika ny vokany
novalian'i jentilisa ny 28/02/2005 17:08
2. mandrindra ( 02/02/2005 14:10)
Marina izany lazainao izany hoe miresaka ankolaka izy roalahy. Ny ahy indray kosa ampiko hoe ny vahoaka no handefasany izany teny izany.
"Ho avy tsy ho ela ao antokantranonao aho" hoy le8 : efa tonga anie izy e,efa novidiany daholo ny ankamaroan'ny orinasa malagasy. N'aiza n'aiza alehanao dia eo foana izy.
"Raha tsy izaho no lany eo dia hisy instabilité politique eto" hoy ratsy, vao tsy lany izy, napokan'ny tetezana, noratiny ny adimpoko, izao indray dia mody mitarika conférence nationale nefa hanakorontana ny ao andoha.
3. jentilisa ( 26/02/2005 15:22)
Tsy any amin'ny orinasa kosa angamba ny tokatranonao e. Matoa indray ilay iray nahasahy niteny fa tsy hisy firenena milamina eto tsy efa izany ve no mitranga mandraka ity androany? Mba tsy nandainga izy tamin'iny an! Mbola matanjaka manera-tany anie ny namany e!
4. mandrindra ( 28/02/2005 16:20)
Tsy hoe orinasa=tokantrano no tiako ambara, fa aiza ny olona no mikarama? ary ireo vokatr'ireo orinasa ireo dia saika mahakasika ny tokantrano malagasy tsy ankanavaka.
5. mandrindra ( 28/02/2005 16:41)
Lasa tsy nahy izy teo koa ity ny tohiny.
Izany hoe tonga aoa antokantrano amin'ny mahampandraharaha azy ilay ra8 fa tsy amin'ny mpitondra fanjakana azy.
6. jentilisa ( 28/02/2005 17:08)
Izay vao mazava ka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1108