momba ny fanjanahatany sy ny toetsaina frantsay

1. kavitra ( 01/02/2005 11:14)
hono mba fantatrao ve ny nataony fatsay tamin\'ireo malagasy hanafaka ny madagasikara indridra fa ny tao Moramanga fa dia nampiseho ny fahabibiana sy ny fitiavantenany ny firenena Frantsay nefa ny mahagaga dia izy mananeloka ny nataon\'ny nazy tamin\'Jiosy izy nefa raha jerena ankaiky dia toa nitovy ihany ny tanjon\'ny Frantsay sy ny Nazy tanjona dia iray ho foanana ny jiosy sy ho foanana ny malagasy izay mitaky ny fahaleovantenan\'ilay Madagasikara ka inona no azon-tsika atao mba hanehoana amin\'Frantsay fa tsy ny Nazy ihany no nanao ny tsy nety fa ny firenena izay namono olona na kely io na betsaka dia meloko
novalian'i fijo ny 05/04/2005 20:16
2. lo ( 01/02/2005 12:33)
refa victime nge d mora le mimenomenona manameloka, fa refa manao le izy ndray tsy mahatsapa satria en position de force :twisted:
3. NyKanto ( 01/02/2005 12:40)
Toa misy vanim-potoana maharitraritra, tsy dia fantatro firy, fa tokony ho anelanelan'ny 50 na enim-polo taona eo vao azo atao ny ampamoaka mikasika ny zava-niseho tamin'ny fanjanahan-tany, ary efa maro ireo mpandalina tantara no miandry izany. Misy antontan-taratsay maro mantsy izay mirakitra ny habibiana niseho fa saingy tsy ampelatanantsika fa aty ampita, aty amin'ny trano fitehirizadrizareo, izay no tena antony mahatonga antsika miandry.Dia miandry izany, eo ampiandrasana izany dia efa azontsika atao sahady ny maneho ny zava-niseho nandritra ny fanjanahan-tany amin'ny alalan'ny sarimihetsika sy ny sisa...indrindra ny firesahana izany.... fa mbola ho avy ny ampamoaka amin'io!
NY KANTO
4. mandrindra ( 01/02/2005 14:38)
Raha io resaka io dia isika malagasy notena tsy tian'ny frantsay mihitsy. Hitantsika fa resy ry zareo tamin'ny ady lehibe faharoa dia avy hatra ny isika dia nikomy tamin'ny 1947 dia nanaraka avokoa ireo zanatany frantsay hafa. Toerana telo no tena nanaovan'ny frantsay izany : Madagasikara, Indochine ary Aljeria. Rehefa mamaky ny boky fianarana ny tantaran'i Lafrantsa ianao dia nofafana daholo ireo habibiana ireo. Ankehitriny inona no dradradrainy: ry Turque ô ekeo fa meloka ianareo tamin'ny génocide arménien. Inona no hidiran-dry zareo frantsay amin'izany, te hilaza fotsiny hoe madio ry zareo.
5. mandrindra ( 01/02/2005 16:48)
Fanampiana kely sasdy fanistsiana ny voalzako tetsy ambony; Hoy aho hoe : "Rehefa mamaky ny boky fianarana ny tantaran'i Lafrantsa ianao dia nofafana daholo ireo habibiana ireo". Ny habibiana vitan'ny frantsay no tiako hamabara eto. Nisy namana nangataka fanazavana fanampiny tamin'io koa dia isaorana manokana izy.
6. booboo ( 01/02/2005 17:17)
NyKanto>50 taona.
mandrindra>izao efa manomboka betsaka ny étudiants aty F/ce ( historiens ) manao thèse momba ny affaire 1947 tany Dago satria efa misy afaka jerena ny archives sasan-tsasany. Efa misy tafiditra any @ cours eny @ univ. fa mbola ny ampahany kely ihany na izany aza ( fa ny Guerre d'Indochine sy ny affaire tany Algérie no tena mameno toerana )
7. fatsoraly ( 01/02/2005 22:47)
tsarovy fa nodisoan'ny frantsay ny tantaran'i Madagasikara. ary ireo "historiens" Gasy manana ny maha izy azy toy ny Doyens faculte des lettres taloha dia ny frantsay koa no namolavola azy. ny historiens Gasy azo antoka dia ny dadan'i dadan'i dadan'i dadan'i dadabe.
8. booboo ( 02/02/2005 12:05)
Aiza kosa e ! misimisy ihany zareo no azo antoka kah.... na tsy ampy fitaovana fotsiny aza
9. kavitra ( 03/02/2005 06:37)
misaotra antsika rehetra izay nandray andrara tamin'ity volavolankevitra ity
10. jentilisa ( 26/02/2005 15:29)
Misy ny mpandalina tantara fa ny haino amna-jery sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny no tsy miraharaha izany dia izayno araraotin'ny sasany. Ny frantsay ange no manoratra ny tantarantsika amin'izao e! Tsy omeny hasina izany ianao raha vao tsy mifanaraka amin'ny zavatra tadiaviny ny soratanao. Izay no ilàna hikofohana mafy mba hananganana ny tantaram-pirenentsika. Andao hifanampy amin'izany.
11. hykara ( 31/03/2005 08:15)
Ny fanjanahantany sy ny toetsaina manandevon'ny frantsay dia mbola mitohy hatramin'izao vanim-potoana iainan-tsika izao. Jereo ange ! firy ny isan'ny orinasa sy tombontsoa frantsay tsy azo kitikitihina eto Madagasikara. Raha ny fantray dia tohanan'ny frantsay amin'ny fomba maro ireo mpandraharaha vahiny hafa tsy ahafantatra an'i Madagasikara. Zava-misy izany koa dia antsika malagasy no mieritreritra.
12. fijo ( 05/04/2005 20:16)
efa tsara raha isika eto aloha no manomboka misaina toa izao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0899