fanafihana diplomaty sy solotenan ny banky mondiale ary manampahefana malagasy vitsivitsy izay niaraka nivoery tamin ny trano iray anà diplomaty frantsay iray teny Mandroseza

1. ravatorano ( 25/01/2005 09:07)
Efa tena henjana tokoa ny tsy fisian ny fandriampahalemana eto amin ny tanana satria efa diplomaty mihitsy v no tafihiny amin izay indray ry lerony tsy mbo misaro tava akory nefa misy malagasy manampahefana koa tao
http://lamako.free.fr/articles.php?id=5097
Amin izao aloha dia efa nilaza ny tao amin ny zandary sy ny polisy fa efa misy voasambotra ry ilay montana..
Ny hevitrareo mety hisy fiantraikany amin ny fifandraisatsika eo amin ny firenena frantsay v izany na ny Banky mondiale satria Ingahy James Bond mihitsy anisan ireo voaendaka sosy tao
novalian'i Ramaso ny 05/02/2005 06:37
2. chuan ( 25/01/2005 14:18)
Ny fihetsika tahaka ireny dia te hampiseho sy hanamafy fa tsy misy stabilite politika eto Mcar dia mbola miverina ndray am`le resaka hoe concertation nationale , fifamelan-keloka ...sns . Na dia somary manana endrika internationaly araka ny filazan`ny jeneraly Ramakavelo aza ilay izy dia tsy takona afenina fa misy ifandraisany am`ny mpanohitra ihany araka ny hevitro . Hitarin-dry zareo hanana dimension internationale ny olana nateraky ny krizy 2002 , ho entina milaza fa tsy mandry ny tany , tsy hisy investisseur vao2 ho avy , nofinofy ny fampandrosoana , ilaina ny famotsoran-keloka faobe...etc . Defi ho an`ny fitondrana zany ny hametraka tany tan-dalana ka tsy hihemotra am`zany fa hanamafy ny fiarovana ny ola sy ny fananany na diplomaty izy na tsia , ary ny voalohany am`zany dia ny fisamborana haingana ireo zay nahavanona iny fanafihana iny ahitana zay ati-doha , fanamafisana ny fandriam-pahalemana anatiny fa tsy owe isaky ny misy zava-mitranga vao mikoropaka lava , fandaminana ara-diplomatika haingana ny mety ho disadisa aterany iraisam-pirenena satria na tiana na tsy tiana misy fiantraikany foana ireny .fa ny fiezahan`ny fitondrana ahita vokatra haingana kosa amin`ireny no midika fahavononana hiroso am`fampandrosoana ka mety hivadika ho points positifs izy am`zay ! Amiko nefa ny acte isolé otran`ireny dia tsy parametre iray misakana ny fanampiana ho an`i Mcar na de azo lazaina iany aza fa fandotoana rano ! Any Afrika aza misy firenena tena lazaina fa miady an-trano 100% mbola mahazo fanampiana iany koa tsy adala ngamba ry Atoa James Bond ka owe iny fanafihana iny fotsiny no andeha hakany fanapahankevitra ratsy ho an`i Gasikara !
3. kitjo ( 26/01/2005 17:24)
Zavatra managala baraka be aloha reny e
Fa amiko dia resaka politika be iny....tsy hay na mpanohitra na avy @ fanjakana ihany koa.
Ny mahagaga dia tena tsy maintsy notifirin\'ny GIR ve ilay bandy iray teo ANosy izay voalaza fa anisan\'ireo bande ireo .efa vohoidina polisy izy maninona raha natao tifi-danitra fts dia nosamborina na farafaharatsiny t@ tongotra araka ny lalana?

Soa aloha fa mbola velona any ireo sasany efa tratra dia ho hita eo ny marina!
4. xxx ( 26/01/2005 20:52)
ravatorano> ny manamboninahitra nga tsy azon\'ny dahalo tafihana?

chuan> hitanao misy stabilité (politique, sociale et économique) ve amin\'izao fotoana?
Ny investisseur tsy matahotra mpanendaka fa ny ngezalahy tompon\'ny fahefana no atahorany. Ny eo aza dakana (satria concurrrrrents) ka hitady an\'iza ihany koa?
5. xxx ( 26/01/2005 21:17)
kitjo> ireny ny zava-misy iainana andro aman\'alina, tsy matory ny olona noho ny sécurité. Na ny tsy mpanao politika aza dia mandry an-driran\'antsy satria hividy \"pare-brise\" isan\'andro indry ohatra raha tsy mifoha matetika mijerijery ny tomobil ao amin\'ny garage!

Rehefa ny vahoaka ve no tratra dia normale sy jerem-potsiny fa rehefa i James Bond sy ny mpanao polifika dia manala baraka?
6. booboo ( 27/01/2005 11:18)
sady misy antony ao matoa bala tsy tadidiko no ndray teny aminy fa tsy oe te hitifitra fotsiny ny pôlisy.
7. fijo ( 27/01/2005 22:22)
ilay xxx io,mba mijereva amin\'ny fo tsy miangatra.
mibaribary fa misy resaka ambadika politika iny resaka iny.
ny tsy hay dia iza?ny mpitondra sa ny mpanohitra.
8. xxx ( 27/01/2005 22:31)
fijo> rehefa dahalo dia misy resaka ambadika politika daholo.

Fa ny mahasorena dia hoe rehefa ny olon-tsotra no voaroba dia jerem-potsiny sahala amin\'ny zavatra mandeha ho azy. Fa rehefa mpanao politika kosa dia LAZAINA FA MANALA BARAKA!!! Sahala amin\'ny hoe milamina ny tany kanefa dia ireny no iainan\'ny vahoaka isan\'andro!!!
9. fijo ( 31/01/2005 23:27)
izay aloha dia iarahana mitsikera e.fa na izany koa aza fomba diplomatika io ka tsimaintsy notenenina
10. eisy ( 04/02/2005 09:58)
ioà ange raha tena tsikafonina hatrany am-potony de ho kobo eo hoe misy debadeba ambonimbony tafiditra tao e! sady efa tena nanapoïnsa mintsy izy vao nanao ilay fika
Za zany miheritreritra fa le Kôfa iray notifirina iny saika nanaposaka ny strataka rehetra de novonoina!
Fa raha vao kobo eo kosa ny deba be de mba tokony ho dradradradraina mintsy hoe ity na ity. Sady mino aho fa raha kobo io fika io mbola misy fika hafa miraikitra amin'io tratra koa.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1547