Ekipa Nasionaly Malagasy

1. ralay ( 17/01/2005 13:44)
Hitako fa efa mihabetsaka ny gasy mipetraka aty (Europe) no mahavoa na mety hahavoa raha arahana tsara @ sports individuels na collectifs ka maninona moa raha mba mifandray @ diaspora ny ministère de la jeunesse et des sports dia mba manao fitsikilovana kely mandritry ny RNS mba ahafahana maka azy ireny @ fihaonambe toy ny jeux de la francophonie na jeux des iles na jeux africains, sns. Marina fa betsaka ny olana nefa ataoko fa misy foana ny vaha-olana.
Ahoana ny hevitrareo mpakafy fanatanjahantena?
novalian'i seffar ny 23/02/2005 08:00
2. tsiperifery ( 17/01/2005 14:35)
Misy tokoa ny mpanara-maso ny mpilalaontsika isaky ny misy fihaonambe ara-panatanjahan-tena kah ! Na any Dago na aty ivelany no isehon\'izany dia ao ambadimbadika ao rizareo fa somary discret.
T@ RNS t@ herintaona ohatra nisy boaikely 12 taona izay manatalenta t@ taranja tennis. Hitan\'ny mpitsikilo ny fahaizan\'i lery ary dia ny DTN gasy mihintsy no niantso ny ray aman-dreniny monina lafrantsa nony tonga tany Dago ny tatitra. Saingy ny somary manahirana dia tsy maintsy miatrika ny championnat de Madà any an-toerana hono le boaikely mba tsy hisy mizana mitongilana raha te hisolo tena ny firenena. Tsy maintsy mianton-tena @ saran-dalana izany.
3. kavitra ( 17/01/2005 16:55)
tsy naha velona ny sport any dago ary koa rahatoa ka sendra misy tombotsoa tsara dia ny mahitahita no mahazo toerana na tsy milaza @ be sy ny maro
4. ravatorano ( 18/01/2005 08:25)
izy io dia misy lafiny tsara sy ratsy foana nefa araky ny tenin dralay hoe misy foana ny vahaolana dia eo no ametrahana izany.
izao mantsy raha voakarakara araky izay tokony ho izy ny mpanao fanatanjahatena isan tokony eto amin ny tanana Dago izany dia hivoatra tsy ho ela izany fa amin izao dia mboaltsy any ny fitondrana fa mbola zary raha misy vola natokana ho an ireny hany ka isaky ny misy fivoahana izao dia ifampitadiavana foana ny vola aloa amin ireny na kotizassion zany na ny fré !
Izao koa misy ohatra : tamin ireny fisian ny scorpion ireny dia betsaka ny olona no nilaza fa tsy mamely ireo mpilalao matihanina satria tsy niaraka nilalao matetika tamin ny namany aty.Aza hadino anefa fa raha tafakatra ny ekipa dia ry zalahy teto aloha no niaigana izay vao hoe asio fanatevenana amin izay hany ka nony taty aoriana tsy nety nilalao tamin ny ekipam pirenena intsony ny mpilalao sasany fa d ataovy irery ao ny anareo na akao andry zalahy any ivelany eh.Eo izany mila fijerena manokana ihany koa ny fomba hampidirana sy hampandraisana anjara an ireny mpanao fanatanjaha tena malagasy any ivelany ireny indrindra eo amin ny lalao iraisana fa manjary ahitana disadisa.
Ity koa tena zava dehibe aoka mba hanana tetik asa ho fanomanana ny mpilalao fanatanjahatena ho matihanina aminizay isika malagasy izany hoe ny sport d \'élite fa tsy ity vonji tavan andro ity foana.
Ny fanatanjaha tena moa ry zareo dia mila vola ary dia miakina tanteraka amin ny fisian io vola io koa hany ka na hilofo aza ny mpialalo dia tsy afa manoatra ka raha tsy ny firenena mihitsy no maka fepetra hampankarana ny fanatanjaha tena dia tsy ho lasa mihitsy isika fa na ny nosy comores asa mety haharesy atsika atsy ho atsy.
enga anie izay tsy ho hitako mihitsy fa malaelo ny (l) ko raha izay no hisy
5. fijo ( 02/02/2005 05:22)
izay no tena marina.le politika mihintsy no mbola tsy vonona hanitatra ny sport any ka lasa ezaka anjambany sisa ny an'ny tia sport.
6. seffar ( 23/02/2005 08:00)
zavatra mba tsy azoko @ mpitondra sport malagasy mihintsy ilay hoe tsy maintsy manao Championnat de mada raha te hisolo tena an'i Mada!Ny atleta gasintsika t@ JO tany athènes ange ka 1 t@ 9 fotsiny no tena mipetraka ao mada fa ny sisa mivezivezy entre mada, afrique, europe manomantena e.Na mipetraka any ivelany mihintsy e!
Raha vonona sy mahavita ny gasy na any mada na ivelany, refa manao tatitra ny zava-misy izy ts'hitako izay olana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2684