tantaran\'ny malagasy

1. cutie ( 16/01/2005 22:49)
Mba misy fanontaniana ty we, in kay ny nahatonga an\'le teny we \"ambaniandro\". Inona tsara ny dikany ze mahalala.?
novalian'i cutie ny 17/01/2005 14:35
2. ikaretsaka ( 17/01/2005 02:06)
Tanaty kahie malagasy taloha fony mbola garabola ity no nadikako tsotsotra ::
Ambaniandro = Ambany masoandro
ny jeografian\'i Madagasikara dia ny eo ampovoantany no avo sy be tendrombohitra .. tsy misy zavatra intsony eo amboniny
Olona monina na avy amin\'io faritra ampovoany io no atao hoe ambaniandro satria ny andro (masoandro) sisa no eo amboniny!
3. maditra ( 17/01/2005 04:19)
Ary toa mitombona be izany tenin\'ikaretsaka izany! Satria antsoina hoe ambanivohitra izay mbola misy vohitra eo amboniny!
4. ikaretsaka ( 17/01/2005 04:47)
za no comment fa mamerina ny lesona anay tamin\'ny mbola kely fotsiny ka!
misy koa ilay hoe any ambany ravikazo.. satria misy hazo (ala) ny tanana dia ny ravinkazo (ravin\'ilay hazo) aloha no eo amboniny
ambanivolo toy iznay koa io satria ny volo (volontsangana) le fanaovana valiha ireny no tiana tenenina eto.. dia ao ambanin-ireny izy no maka alokaloka
5. cutie ( 17/01/2005 14:35)
mrci daholo, fa nahazo fahafaham-po za. :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1856