RNF toa ahodikodin\'ny politika

1. hery ( 14/01/2005 09:56)
Faly aho nandre ny fisian\'ny RFN teny amin\'ny Panorama iny. Mba olona tsy politisiana loatra no nitarika... betsaka koa ny olona tsotra avy amin\'ny sivily toa andry Ramaholimihaso sy ry Remy Ralibera...
Manahy aho anefa fa toa tsy ho tafita ny hevitr\'izy ireny satria tafiditra sahady ao ny Politika... sao dia ataon\'ny mpanohitra tohatra fiakarana fotsiny ilay anarana hoe tsy misy politika?
novalian'i xxx ny 23/01/2005 17:02
2. sechat ( 14/01/2005 10:12)
Inn le RFN? 8)
3. chuan ( 14/01/2005 15:07)
h@ zao alou mbola tsisy firehana mazava ny RNF fa owe mpanohitra ary tsara ny hisian`ny karazan`antokon`olona ao anatiny satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra ! Anisan`ny ola manana ny maha-izy azy ireo ao anatiny reo ka ataoko fa tsy de hirona bontolo any amin`ny fanoherana be fahatany satria raha izay no mitranga de ho very ny hery politika mety hananany eo amin`ny fanehoan-kevitra (opinion publique) toy izay nanjo ny CRN amin`izao fotoana . Raha mivondrona hanome tolo-kevitra ho entina mampandroso ny fiainam-bahoaka tokou mou tsy hitako ze maharatsy azy loatra . Raha ny mifanohitra am`zay kosa de atoko fa manome fahasorenana ho an`ny valala tsimandadiharona fotsiny ! Aleo ho hita ny tohiny dia ny tantara no hitsara .
4. soitx ( 14/01/2005 18:53)
Miombon-kevitra tanteraka @ chuan aho ny @ hilana vondrona aro-fanina hitondra tsikera fanorenana ka handrosoan\'ny firenena ho any @ tsaratsara kokoa. Tena mibaribary tokoa fa be ny zavatra tsy mandeha @izay laoniny any amintsika ka ilana fanamboarana faran\'izay haingana indrindra.
Ny mba somary mahatsikaiky ahy fotsiny dia ilay nolazain\'ny hery hoe tsy dia politisiana loatra sy ny anarana sasantsany nomenao tao. Ny fanontaniana miperaka mantsy dia ny hoe: \" hatraiza no fetra azo isokajiana ny olona ho tsy mpanao politika (na hoe tsy dia manao politika loatra) raha toa io olona io ka mandray anjara mivantana @ ady hevitra mikasika ny fitantanana ny raharaham-pirenena, iza marina no tena mpanao politika ary iza no tsy izy?\". Amiko mantsy tsy izay mpilatsaka hofidiana, tsy izay mpitantana isan\'ambaratongany, ary tsy izay mibaribary miseho vahoaka fantam-poko fantam-pirenena ihany no tena mpanao politika. Ao ireo fetsy ratsy mody tsy miseho vahoaka, milaza ho tsy manao politika kanefa miasa mangiana ho an\'ny antoko politika na mpanao politika sasany mba hiarovany ny sezany na handrombahany indray ny fitondrana. Eo ilay lazain\'i hery hoa ataon\'ny mpanohitra ho tohatra fiakarana fotsiny.
Tsy milaza aho hoe ny RFN iray manontolo dia toa izay daholo kanefa kosa ny mpikambana mpanorina maromaro ao @io vondrona io mihintsy no efa mampiahiahy ny aminy fa efa namela tantara tsy tsara teto @ firenena. Ao koa ireo sokajiana ho anisan\'ireo olona voalazako etsy ambony.
Manaova anie jery todika ny tontolo politika tany amintsika hatrizay dia ho hitanareo fa be dia be @ mpikambana ao no efa nitana toerana ambony teo @ fitondrana, ary ao dia ao koa ireo natao ho mpandoto rano fotsiny ka tsy miaka-tsehatra mihintsy raha tsy rehefa misy tolom-bahoaka na koa rehefa mandalo fotoan-tsarotra ny firenana sahala ny @izao fotoana izao. Mpisava lalana fotsiny ny karazan\'olona sahala @izany fa ny tena gaigilahy mpanohana azy efa miandry ambadika fotsiny.
Enga anie aho ho diso kanefa ny ahiahy tsy hihavanana sady eo ilay tenin\'ny Ntaolo manao hoe\"ny lasa tsy fanadino\". Ny lasa niseho maneho mibaribary fa misy karazan\'olona mihatsara velatsihy fotsiny kanefa tena nambotry ny tanindrazana.
5. xxx ( 15/01/2005 20:51)
ho an\'i hery ho fanazavana:
1/ Ampahafantarina ise fa mpanao politika i andry ramaholimihaso sy i remy ralibera
2/ Tsy afaka ialana ny politika ary tsy maintsy atao ny politika fa raha tsy izany dia lalaovin\'ny politika,dikany,ny politika sy ny mpanao politika dia tsy maintsy eo foana rehefa raharaham-pirenena sy raharaham-pitondrana,raha kamo ianao na hoe tsy tia politika dia izay no ratsy indrindra satria ny politika mandeha foana fa ianao izany lalaoviny eo sy mi -subir fotsiny
3/ aza hoe tsy tia opposition rehefa eo @ fitondrana na hoe trehefa tinao ny fitondrana dia tsy henoina nahoe diso foana ny lazain\'ny opposition,tsy ilaina ny manangana fahavalo etsy sy eroa toy ny ataon\'ny filoha hajaina ra8, en matière de politique,il faut rassembler le maximum d\'opinions,ary io voalazako farany io no tian\'ny RFN ahatongavana raha tianao ho fantatra
6. hery ( 17/01/2005 08:11)
Mahaliana ahy ilay resaka.

Izaho tsy pro-ra8 (fahatany). Tsy pro-olona mihitsy aza fa pro-fotokevitra sy pro-réussite. Rehefa mahomby (na i Ratsiraka aza) dia zay no tohanako.

Ilay contre anefa tsy midika hoe handrava na handrodana. Ny maximum d\'opinions raisin\'ny RFN amin\'izao fotoana izao tsy fantatro hoe avy aiza sy avy aiza. Vao manomboka mantsy ilay izy dia efa mizana mitongilana sahady. Ka raha mizana mitongilana no hitantana ny concertation national, dia azo atokisana ve fa maximum d\'opinions no azo? Sao dia maximum d\'oppositions kosa no tanjona... ahafahana mandrodana?

Izay no ilazako hatrany hoe fika mahomby ho an\'ny oppositions koa ny mandray anjara amin\'ny fampandrosoana izay efa misy eo. Opposition positive avy ao anatiny. Hohitan\'ny olona izy amin\'izay fotoana izay fa hoe mahavita zavatra... ka amin\'ny fifidianana manaraka dia afaka milatsaka hofidiana.

Ny Hasina Andriamanjato no saika nahavita an\'io... saingy tsy vitany ilay izy tamin\'ny farany.

Mazotoa hatrany
7. fijo ( 20/01/2005 22:33)
la izy aloha tsy hita hafenina fa ny mpanohitra dia mitarazoka eo ambadika eo e.izao ny mpanohitra avy aty frantsa avy no efa hita manamafy azy ao.ka izay no mety hanimba io RNF io
8. ( 21/01/2005 11:42)
tsy azon\'ise mihimtsy izany ilay lazain\'ilay namana tetsy aloha,efa hoe aza tsy tia mpanohitra rehefa manao raharaha politika,contre balance ny mpanohatra mba hisian\'ny équilibre sy mba hitandreman\'ny fitondrana,sa tsy asiana critique sy arofanina....!
9. xxx ( 23/01/2005 17:02)
tsy hay miitsy io fa nareo zay manoratra ato ary mpanao politika ko .lol
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3236