Inona no ho avin\'i Madagasikara?

1. mandrindra ( 12/01/2005 10:21)
Ankehitriny efa mikiaka ny malagasy fa tsy mitsahatra ny miakatra ny vidimpiainana. Tsy mahavoa ny mpitondra, misy aza ny mifamely izy samy izy. Ny mpanohitra tsy midradradra afa tsy fampiraisankinam-pirenena. Aiza ho aiza ny tombotsoan\'ny vahoaka amin\'izany, tonga any anaty lovia daholo ve ny resaben\'ireo mpanao politika ireo. Ahoana ny hevitrareo amin\'ny 2007? Higrevy ve alohan\'io? Ho tena fifidiana marina ve io sa tsy manantsafidy?
novalian'i xxx ny 15/01/2005 21:07
2. hery ( 12/01/2005 12:04)
avereno Ratsiraka :-)
3. kavitra ( 12/01/2005 13:46)
Ny voalohany dia ny filoha akehitrany dia tsimijery ny akapobeam-bahoaka.ny fampielezakevitra izay nataony tamin\\\'ny fifidianana filohampirenena ireny DIA HOE\\\"\\\"TSIHOELA DIA HOAVY AO ANTOKATRANONAO AHO ARY TSY HAKA NY FANANAN\\\'NY EFA MANANA ISIKA FA HAMPANAKARENA NY TSIMANANA\\\"\\\"io no tsara fatarina Ho an\\\'ny daholobeve sa Atokana ho anolombitsy .Raha ny zavamitranga ankehitriny no jerena dia LASANOLOMBITSY ILAIZY .Ka ny tsara atao dia manangana antoko politika vaovao ary vaovao tahakizany koa ny pikambana tsy manao atoko mpanohitra isika fa hitady hevitra hialana amin\\\'ny fahantrana amin\\\'ny alalany heritsika nanokana dia miainga avieo ny zavatra rehetra tsy vahaolana ny fitokonana na ny fiverenany Didie Ratsiraka
4. mafitoto ( 12/01/2005 19:54)
Tena tsy hita intsony ny hilazana ny tarainan\'ny Malagasy, fa izao no mba toro hevitra ko maninona moa raha averina ho toy ny faha MPANJAKA indray ny fitondrana toa ahitamboka-tsoa io toa tsy mety ity milahatra sy mi-grevy ity fa mandany andro, izaho aloha tsy manaiky ny hiverenan\'i didier e! aleo izay nahavita hitsotsotra be ny azony kono.NB fanazavana ho an\'ireo firenena mbola misy an\'io dia mampakatra @ mpanjaka ny olona hoe tsy laninay ny 1er Ministra dia miala indray.
5. maditra ( 12/01/2005 22:21)
mpanjaka ahoana no tianao lazaina ry mafitoto? Miala tsiny fa manohitra an\'izany ankitsiraniny aho. Izay rehetra filoha eo ekeko daholo na Ratsiraka izany aza raha toa ka voafidim-bahoaka!
6. betroka ( 12/01/2005 22:59)
Mikonaina ramalagasy kanefa mitombo andro aman\'alina ny 4x4, ny portable etc. Raha azoko dia be mifrim isika kanefa tsy alehany.
Na izany aza anefa dia betsaka tokoa ireo tena manana mahavita mivezivezy any ampita, miletra eny amin\'ny trano fisakafoana itangoronan\'ny 4mi. Tsy menatra ve izy ireo rehefa ataon\'ny vazaha sy ny afrikanina tondro-molotra. Koa na ny kaomaorianina aza ve tsy efa lasa lavitra @ fandrosoana ?
Atsaharo @zay re ny frim ramalagasy ê !
7. fijo ( 12/01/2005 23:42)
tsy hitako aloha izay maha menatra raha ny fisakafoana amin\'ireny trano fisakafoana ireny e.
idealy comisista izany ka tsy voako.
misy ary maro ny gasy manana.fa ny rafitra any amintsika no tsy mety .
8. mandrindra ( 13/01/2005 09:30)
Ary maninona mihitsy raha tsy asiana mpitondra intsony e. Nilaza azy ho dada daholo izay rehetra tonga teo nefa toa tsy hita izay vita. Tsy aleo ve samy mandeha samy mitady. Na miresaka amin\'ny manodidina aza ankehitriny dia mahavarina fa izao daholo no ambarin\'ny olona \"raha izaho aloha no tonga eo dia TSY MAINTSY mameno paosy aho\". Tsy misy intsony ny tanjona iarahana. Ny efa lasa tsy tokony hiverina intsony ny ankehitriny vao maika mampiletika. Koa tsy aleo tsisy mpitondra : anarchie.
9. betroka ( 13/01/2005 11:24)
i fijo koa angaha mpifrim ka mahavita miletra sakafo eo akaikin\'ny 4mi ?
10. levondraky ( 13/01/2005 16:12)
Toa marina daholo izay voalaza etsy aloha. Fa amiko dia azo ambara fa \"TANY MIADY I MADAGASIKARA\". Mety tsy mahatsapa izay ny maro ka mety ho voatora-bato ny tenanay fa izany no izy. Ny fambara rehetra efa niseho:
Kirizy ara-toekarena
Tsy fandriampahalemana
Kere
Fitotongan\'ny sandam-bola
Tsy fahafehezan\'ny fanjakana ny raharaha ankapobeny.
Henonareo moa ilay tenindra8 tamin\'ny kabariny farany manao hoe \'fepetra manokana sahala ny plan Marchal\' no tokony atao eto Madagasikara. Ny miady amintsika dia tsy iza akory fa izay nalahelo tamin\'ny nahazontsika fahaleovan-tena tamin\'ny 2002. Fantatsika fa izao vao sady tsy PADESM no tsy vazaha taratasy no mitondra eto Madagasikara.
azo tohizana.
11. fijo ( 13/01/2005 22:48)
betroka ny fihinana hanina ngamba tsy frim mihintsy.tadidio fa na ny fihinana maskita eny analakely aza izany dia frim raha izay no raisina.
12. maditra ( 13/01/2005 23:24)
levondraky> Raha izao fijaliana itarainan\'ny Malagasy(vahoaka) izao no lazainao hoe fahaleovan-tena, vokatry ny \" tolona\" nataonareo tamin\'ny 2002 dia aleoko lavitra ny fiainana talohan\'ny 2002! Fijerevako ny tombon-tsoan\'ny Malagasy tsirairay no ilazako izany. Raha amiko manokana ange, dia nitondra soa lehibe ho ahy ange ity fitondrana ity e! Fa raha mahita sy mahatsinjo ny fijalian\'ny mpiray tanindrazana amiko aho dia tsy maintsy mba malahelo ihany.
zah manko tsy mba karazan\'ireny olona raha vao mahazo tambiny kely avy amin\'ny fitondrana na antoko politika dia efa mifody vava na dia mahita zavatra tsy mety mibaribary ataon\'ireo aza!
13. xxx ( 15/01/2005 21:07)
miray hevitra @ maditra ny tenako
Be loatra ny promesse nataon\'i ra8 nefa ny firenena andalana mivoaka crise t@ ireny,ny antony satria ni séduire ny opinions izy,izao anefa 0 ny résultats, résponsable izy na tiany na tsy tiany.Mbola miana-draharaha ny filoha ankehitriny sy ny équipeny eny andalana izy vao nahita fa hay tahaka izao ny ato,ary izay no mahatonga azy manao mody hentitra be,rehefa incompétant ny olona dia solution sy paik\'ady fanao ny mody sévère tadidio io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4598