ahoana ny hevitrareo amin ireny kabary nataon Ingahy Filoham pirenena Ravalomanana ireny ?

1. ravatorano ( 10/01/2005 09:26)
Voalohany indrindra eo amin ny fiakaran ny karaman ny mpiasam panjakana ho 12% nefa voalaza ny stat fa maherin ny 25% ny inflation asa na amrina koa io na tarehimarika omena fotsiny.
Manarak izany dia eto amin ny famongorana tanteraka ny dahalo izay ankinina amin ny tafika amnontolo ary dia ho tonga indray izany ny karazanà operation toy ny Tsimitsitsy sy ny hafa teo aloha.
Eo koa ny fandrosoana bebekokoa eo amin ny tontolo ambanivohitra eo amin ny fanampiana ny tantsaka mpamokatra sy mapmboly sy mpiompy ary mpanjono.
\'\' Miasà , miasà mafy, miasà tsara sy ny hoe mahareta dia mikiriza hatrany \"\" anisan ny teny nolazain ny Filoha ihany koa ireo.
Marina izany fa ny hevitrareo momba iny kabary iny no andrasana.
Misaotra mialoha
novalian'i xxx ny 16/01/2005 09:34
2. tsiperifery ( 10/01/2005 09:55)
1)Kely fisondrotra tokoa le karama raha oharina @ inflation .Saingy aleo raisina ihany aloha no sady mangataka equilibre miandalana eny ihany rehefa hita fa mandroso ny asa.
2)Raha fongorina ve ny dahalo hisy hena hamidy intsony eny an-tsena. hihihi ! Ny fitaovam-piadiana mahery vaika miparitaka eran\'i Gasikara amiko no tokony fongorina tanteraka. Na izaho na ianao mantsy mety lasa dahalo avokoa rehefa manana kalach na basim-borona tsotra fotsiny aza any Dago e !
3) Ny fikarakarana ny tantsaha mpamokatra tokony priorité des priorités no tokony ho mandavan-taona satria 2/3n\'ny gasy izy ireo raha kely !
4)Na miasa mafy aza, ny kibo noana tsy maharaka ny hafa sy tsy mamokatra tsara e ! Miverina @ 3) ny vaha-olana : vokisana tsara ny sarambabem-bahoaka dia mande ho azy ny asa fampandrosoana. Raha bobaka ny vary sy laoka dia efa afa-po anie isika gasy fa tsy dia sarotiny loatra tsinona e !
3. xhy ( 10/01/2005 11:03)
asany izany, tsy maintsy mba manome bonbon izy dia io 12% io ho an\'izay mahazo azy.
Solution hialàna @ fahantrana ve ny maha-foctionnaire? Na mpiasa @ sté hafa?
Amiko, mety ho oui no valiny fa ny ampahany maro @ Gasy tsy hahazo tombotsoa @\'izany fa hanararaotra izany kosa mba hahafahany mandresy io fahantrana io. Dia hiampy hatrany ny olana.
Ny lalàna mifehy ny tolotra sy tinady no tokony hamboarina, na antiny fa indrindra ny avy any ivelany fa any no fototr\'izao jaly izao.
Tsy fantatro na marina ny hevitro (ho an\'ny sasany) fa ny tsy fahampian\'ny fifaneraserana ara-barotra anaty sy ivelany no mampidangana ny inflation.
Mba asio discussion io, izay vonona!

4. ravatorano ( 10/01/2005 12:30)
xhy>azo ampidirina tsara any amin ny resaka toekarena io teninao farany io fa dia manainga anao hanpiditra lohahevitra momba izay dia ho avy eo ihany ny piserasera rehetra eh.
Tsiperifery>raha mila vokisana ny kibo tsy maintsy miasa mafy kosa eh , raha mbola izao aloha ny vokatra dia tsy mbola ho ampy.
izao no mahagaga ny vary gasy anie ka feno eny ambony etalage fa lafo tsy takatry ny be sini maro ny vidiny eh.Izany hoe manana vary ihany izany isika fa lafo nohon ny afarana avy any ivelany fotsiny v ?Raha izay dia inn no antony nampiakatra ny vidin ny vary teto antoerana raha izany.Io no nahatonga ny filohan ny senat niteny hoe taiza ela be izay tsy taitra fa efa alohalika ny ranom bary vao mikoropaka.
Ny dahalo no tokony fongorina amin ny fotony tokoa aloha eh.Ny fiparitahan ny basy anie ka azo atao ihany ny mamehy izany raha tena mandray ny andraikiny avy ny mpitondra rehetra eh ny ao amin ny Foloalindahy , ny Polisy , ny atitany , ny primature ary farany ny presidanssy.Io ny olona no tsy mahay mandray ny andraikitra tandrify azy dia mihananaka ny tokony tsy hiparitaka.
Tsiperifery>mbola tsy renao angah fa misy volavolan dalana any ho any mitaky ny hanalalahana ny fivarotana fitaovam piadiana toy ny basy eto madagasikara.Raha izay no mitohy dia ho faty ambamin ny zanatsamoina vao foy eny antsaha kouh !
Ny fonctionnaire no nahazo 12% amin ny fisondrotana karama fa ny vidin javatra koa dia hanaraka an io tsy maintsy hisondrotra io ary hanao ny ataony koa.
Ny vary izao dia voalaza fa tsy maintsy hisy fisondrotany atsy ho atsy satria izay no vokatry ny tinady sy ny tolotra araky ny resak i xhy teo satria niakatra indray ny vidin ny tonne any Thailande any ka tsy ho 3500 fmg tsony ny iray kilao fa hihoatra an io ary mety ho 1 000 ariary atsy ho atsy.
Ny fonctionera izay tsy solution zany fa ny fampitombona ny orinasa eto amitsika angamba no atao izay hahabetsaka azy.
Ny Filoha dia nilaza fa ho hatsaraiana ny vokatra rehetra ka hanangana ozinina afaka manodina ireny vokatra ireny eto antoerana isika mba hahazo asa ny tanora , hiakatra ny fidirambolan ny tsi1-1 satria hitombo ny harikarena faobe amin izay.

5. maditra ( 10/01/2005 13:22)
Efa tsy ho ela ny fifidianana ka manomboka manao be andraikitra eo ny fitondrana, na dia poak\'aty aza izany andraikitra izany.Izay ny hevitro!!!!
6. lo ( 10/01/2005 16:22)
Ho sarotra iany ny hanazava ny daholobe indrindra ny mpiasam-panjakana we 12% fotsiny no fisondrotan-karama zakan\'ny toe-bilan\'ny fanjakana, indrindra reefa hita fa 29% eo no fisondrotan\'ny vidimpiainana sady we foana ny trosan\'i M/kara amin\'ny firenena mpanankarena zatsy na zaroa. Tsy tokony hahavita bb kokoa noh izany v ny fanjakana rah ny tokony ho izy?
Tontolo ambanivohitra, natsangana ny PSDR fa tsy hita aloh hatramzao ze tena fiantraikany any amfaritra maro. Asa angamba atsy ho atsy
7. ikaretsaka ( 10/01/2005 16:42)
fa misy ilay fiteny eo manao hoe aleo hotsarain\'ny tantara e
8. nanahary ( 11/01/2005 04:38)
Efa intelo izao izahay no namosaka hevitra
momba ity vary ity hoe nahoana raha mba
atao aloha izay azahoana vola hanamboarana usine fanodonana zezika isan\'karazany izany hoe mihindrana vola ao amin\'ny Bank Mondial dia manao usine d\'Engrais isika
Malagasy mba ahazahoana ireo tonnage hilaina aloha toy ireo natao taloha tao amin,ny faritry vakinankaratra taloha annee
1963 jusqu\'a 1972 , tena hita fa nisy vokany
ireo zezika na dia nisy kely fahasimbany aza
ny tany , ary tsy ho simba ny tany raha afangaro zezik\'omby . raha jerena mantsy hoatra ry zareo any Croatia na croate Bosnia dia hita io no tena mampanakarena andrizareo satria misy ni zezika hilaina .
Ary tena aimpirenenana ny vary fa tsy hoe sangy , ka tokony handray handraikitra ny manampahefana ny amin\'izany zavatra manahirana ny Malagasy amin\'izao tsy fahampinin\'ny vary izao . marihana etoana fa
mitomany daholo ny reny eny ambanivohitra amin\'izao fotoana temps de soudure toy izao
9. mandrindra ( 11/01/2005 16:48)
Marina io tenin\'i Nanahary io nefa anie tsy ny fisian\'ny zezika ihany no mampitombo ny famokarana ny vary e, ao ihany koa ny fomba fambolena azy. Ireo zavatra roa ireo anefa tsy mitondra vokatra izao ankehitriny izao fa afaka fotoana vitsy izay vao hita ny tombotsoany. Ny hanohanan\'ny malagasy tsy afaka miandry an\'izany. Ny tokony ho ataon\'ny fanjakana aloha izao dia ny zavatra tsotra indrindra, firy taonina no vary ilain\'i Madagasikara ao anitan\'ny taona iray? firy taonina ny stock misy ankehitry? firy taonina ny ho vokatra? Vorio daholo ny mpandraharaha misarana ny vary ahafantarana hoe sahabo ho firy taonina eo no ho hafarany avy any ivelany ary rahoviana izany no hotonga?(toa izay angamba ilay karazan\'ny ataon-dry zalahy hoe PrivatePublic Partnership). Drafitrasa tsotsotra toa izany dia efa ahafahana maminavina ny zavatra mety hoavy. Taorian\'ny voina tany asia dia tokony efa hieritreritra ny fitondrana fa mety ho kelikely kokoa ny voka-bary avy any asie amin\'ity taona ity koa mety hiakatra ny vidiny. Dieny mbola tsy miakatra izy izao dia mety efa tokony hanafatra hatao ambimbava fa mety ho lafo loatra io afaka fotoana vitsy. Nilaza Ravalomanana fa ny vola misy fa ny ampiasana azy no tsy hita ko no tsy subventionner-na ny vidin\'ny vary mba hidina, toa nanome 100 000$ ho an\'ny tra boina any asia ny governemanta nefa ny eo an\'toerana aza tsy misakafo ankoatr\'ireo izay tsy manakialofana any amin\'ny faritra atsinana noho ny tsunami.
10. xxx ( 11/01/2005 18:17)
jeu de chiffre :inflation 20% et plus, veut dire sans hésitation, tsy solution ny fampiakaran-karama,satria manaraka logique ny fiakaran\'ny karama ny vidin\'entana en situation d\'inflation galopante ohatr\'izao,saingy tsy maintsy nitady kabary moa ny filohan-tsika na nisy namosavy...!sao tsy fantatrareo fa 29 000 fmg ny kg @ henakisoa any an-tanana...ets....
11. maditra ( 11/01/2005 23:01)
xxx> tellement tsy clair ilay izy! Comme si mitsambikimbikina beaucoup izany ny idee-nao! Je ne sais pas ny tianao ho teneninana par \"namosavy\" ni ny nitenenanao ny prix d\'un kilo de henan-kisoa! Et en plus c\'est trop vary amin\'anana aussi!
Merci, misaotra, good bye( ky sa tsy izany izy ity amin\' angilisy)
12. xxx ( 16/01/2005 09:34)
misy mahatsara anazy le kabary no sady misy maharatsy azy iany ,ny fahitako ani le 12% io alou tena kely fa lery alou tia tena loatra é,ra nampiakarina ny karama farafaratsiny ny produit TIKO ani lery hidina ny vidiny .Fa tsy ampiakarina ko io refa miakatra ny karama.lol
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1351