MAHITA VOLANA ALOHAN\'NY BIBY

1. tafita ( 04/01/2005 08:20)
Asa na mba efa henonareo ity fitenin-drazana ity , fa raha izaho aloha de efa fahenoko matetika izy io , fa tamin\'ny loza be ( tandindon\'ny farandro tany Indonesia ) vao tena fantatro hoe kay moa izany tokoa le hoe mahita volana alohan\'ny biby: Gaga aho raha naheno ary fa fotoana vitsy talohan\'ny hitrangan\'ny loza de nisy nahita ny fihetsika nataon\'ny biby sasany ( Elefanta , omby sns ....) izay nandositra lavitra , toa efa nahalala fa hisy ranobe ho tonga teo. ... De lasa ny saiko hoe , A/ tra ve niahy ny biby fa nahoana no tsy nampandosiriny koa ireo olona na zaza teo akaikin\'ny tena nitrangan\'ny loza nahatsiravina iny . De izay koa aho no nahatsiari ny teny hoe hay moa ny biby de mahita ny zavatra mbola tsy hitan\'ny olombelona , satria raha ny zavatra niseho de hoatra ny hoe efa nahalala ny elefanta fa hisy loza hiseho , fa tsy afaka nampita izany t@ olona ka de tao ny olona no noraisina.
izay ihany ka
novalian'i fijo ny 11/01/2005 05:40
2. naritsimba ( 04/01/2005 10:53)
Tsy avy amin\'io heverinao io akory no nahatonga ilay fitenenana hoe\"Mahita volana alohan\'ny biby(HABIB)\" fa i habib dia olona mpandinika ny lanitra izany hoe mitovy @ ireo Magy izay voalaza ao @ Baiboly ka nahita voalohany ilay kintana avy any atsinana t@ andro nahaterahan\'ny Jesoa Kristy.(efa nohazavaiko io Ohabolana na oha-pitenenana io)

Raha ny momba ny hoe: nandositra daholo ny biby talohan\'ny nitrangan\'ny tondra-drano tany Asie, dia izao no fanazavana azoko omena anao: rehefa misy horohorontany hitranga dia ny biby foana no mahare azy mialoha ary tsy vao izao io no nitranga fa efa hatramin\'izay ary azon\'ny Siansa hazavaina tsara ny mahatonga izany fa manontania mpanao siansa.

Misaotra antsika eh!
3. naritsimba ( 04/01/2005 11:04)
Tsy avy amin\'io heverinao io akory no nahatonga ilay fitenenana hoe\"Mahita volana alohan\'ny biby(HABIB)\" fa i habib dia olona mpandinika ny lanitra izany hoe mitovy @ ireo Magy izay voalaza ao @ Baiboly ka nahita voalohany ilay kintana avy any atsinana t@ andro nahaterahan\'ny Jesoa Kristy.(efa nohazavaiko io Ohabolana na oha-pitenenana io)

Raha ny momba ny hoe: nandositra daholo ny biby talohan\'ny nitrangan\'ny tondra-drano tany Asie, dia izao no fanazavana azoko omena anao: rehefa misy horohorontany hitranga dia ny biby foana no mahare azy mialoha ary tsy vao izao io no nitranga fa efa hatramin\'izay ary azon\'ny Siansa hazavaina tsara ny mahatonga izany fa manontania mpanao siansa.

Misaotra antsika eh!
4. sariaka91 ( 04/01/2005 11:20)
naritsimba> misaotra @ fanazavanao ny tantaran\'i Habib. Ka tsy tokony ovaina ve ilay fitenenana hoe mahita kintana alohan\'i Habib ? (fa tsy volana) !....

tafita> izay angamba ilay hoe 6è sens tsy ananantsika olombelona... Sa koa ny biby samy manana ny \"sens\" manokana, developpé kokoa miohatra amintsika. Ny saka ohatra mahita 100 x mieux que les humains, les poissons sont sensibles a la moindre vibration... Ny antsika eo ho eo daholo ny 5 sens (assez moyen, voire mediocre raha oharina @ biby sasany) satria isika olombelona \"misaina\". Ny atidohan-tsika lehibe et plus complexe noho ny biby. Angamba fa izaho aloha tsy mahalala siansa.
5. pitchou ( 04/01/2005 18:10)
sariaka> otratran\'izay ilay izy ka! ny biby tena sensibles be @ zavatra tsy mitovy @ iainany isanandro! ary ny ankamaroany dia matanjaka be ny sofiny sy ny orony. azo heverina agamba hoe henony hoe avy aiza ilay feo mampihorohoro azy satria tsy mitovy @ fahenony andavanandro dia mandositra an\'iny izy!
6. fijo ( 04/01/2005 23:13)
marina iry fanazavan\'i naritsimba fa marina koa fa ny biby dia mahita io volana io alohan\'ny ahitantsika olona azy rehfa le manombola mivoaka iny izy.
7. maditra ( 04/01/2005 23:55)
Mety marina daholo izy jiaby zany ka!
8. naritsimba ( 05/01/2005 11:08)
Ohatra azo raisina eo amintsika olombelona koa ireto:
1- Jereo ny olona jamba fa ny sofiny dia tena malady be mihitsy raha oharina @ sofintsika olona mahiratra tsara.
2- Diniho ihany koa ny olona moana marenina fa ny azy indray dia ny orona no haingam-piasa noho ny orontsika olombelona tsy manan-kilema.

Ny hevitra azo tsoahina @ ireo voalaza ireo dia izao, samy manana ny nanaovan\'Andriamanitra azy ny zava-mananaina rehetra ary isika olombelona dia tokony tsy hihevitra fa isika no fara-tampony. Isika no mihevitra fa tsy misy saina ny biby nefa raha nandinika kely fotsiny ireo olona izay nahita ny fandosiran\'ireo biby t@ fotoana nitrangan\'ilay loza tany Asie io ka tsy nihevitra ilay biby ho adala na romotra dia tsy ohatran\'io ny zava-nitranga.
Raisiko ho ohatra @ izany ny tantaran\'ny Sambo fiara izay namboarin\'ny NOA: noheverin\'ny olona fa adala i NOA raha namboatra sambo fiara t@ fotoana nahamaina ny andro, kanjo nony tonga ny safo-drano tsy nisy velona afa-tsy izay tao anaty sambo fiaraihany na olona io na biby afa-tsy ny zava-maniry izay tsy nampidirina tao mihitsy fa natao ho porofo fa efa mihena ny rano nony injay nitondra ravina maintso ilay vorona nalefa nisidina taty ivelany. Izany no mampiseho fa tokony tsy ho tsinotsinoavina mihitsy ny zava-mananaina rehetra.

Tahaka ilay fitenenana manao hoe: Nanaonao foana tahaka an\'Andriamanitra nanao ny voay.

Tsaroako tampoka eto koa ilay sangisangy fanao taloha hoe: Tendrombohitra mideza mitafy zavona maraina fa ny lohanao dia ngeza fa lehibe tsy aman-tsaina.

Anjarantsika olombelona sisa no mieritreritra fa matoa noforonin\'Andriamanitra ny zavatra rehetra dia misy ilana azy avokoa koa aoka isika tsy hihevi-tena ho inona akory.

Misaotra e!
NARITSIMBA
9. andansonia ( 05/01/2005 14:20)
Ny biby dia manana sens matanjaka ambony noho isika olombelona. Ny bibilava mivoaka rehefa misy horohorontany na volcan.
Fa raha hoe tsy nahitana fatimbiby mihintsy tany Asie teo dia izay :niépargnern\'Andriamanitra ny biby,Maninona azy moa ny biby, isika zanak\'olombelona ihany anie no tena mahatezitra azy.Ny nampihomehy ahy dia nisy moine tany Sri lanka nilaza fa tezitra hono Bouddah, nefa ny kristiana dia mahita kosa f\'efa mampiseho ny fatezerany Andriamananitra.Afaka manome ny fanazavany daholo na ny siantifika izany na ny rehetrarehetra no sady samy manana ny interpreterny azy koa.
Samia ho tahin\'Andriamanitra e
10. fijo ( 06/01/2005 21:50)
le andriamanitra kosa eto mpamono olona e.izay no izy.
11. mihanta ( 08/01/2005 12:41)
ramaso hihihi volana ambony rano v zany mazava taratra hariva :-D
12. pitchou ( 08/01/2005 17:53)
:-D :-D :-D
ramaso> kay lery manana biby? ambarako fa hoaniny daholo ny biby fa tsy tehiriziny! :-D
13. ikaretsaka ( 08/01/2005 18:51)
pitchou.. atsovy i fijo de verifieo tokoa le
14. pitchou ( 08/01/2005 19:01)
andraso izy anontaniana rehefa tonga e!
15. watafon ( 08/01/2005 19:13)
io izy d tonga d anontanio e! sady miaraka @ le biby mitsy ! :-D
16. fijo ( 11/01/2005 05:40)
ka ny ahy bibi tsy mihinana fa hendry dia hoan\'ny sasany ko.
ary taiza ialahy ry zandry no izao vao hita le.nisy nanafina tanyindray lery an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.091