Mahaiza mi-chat

1. notron ( 01/01/2005 05:44)
Fomba iray ahafhantsika miserasera eto ny resaka mivantana (chat). Maro ny namana mbola sahirana sy tsy mahazo loatra ny fombafomba sy ny zavatra miseho @ zany.
Ho fanampiana azy ireny mihintsy no nanaovako ity. Ialako tsiny mialoha fa hifangaro ny teny vahiny sy ny teny Malagasy eto satria izay no mahamora ny fanoratana azy ary mahaingana ny hahazoana azy ihany koa.
1 - Efitrano (chan) : manindry etsy @ ilay hoa \"RESAKA MIVANTANA\" ianao.
Misy safidy roa eo dia ny CGI sy ny ASTERO, haingana kokoka ny fidirana eo @ CGI nefa somary ela izy rehefa miresaka ka mety hananosaotra ihany. Ny ASTERO kosa indray dia ela eo am-panokafana ary mety tsy hisokatr mihintsy aza raha kelikely ny débit nefa haingana kokoa izy rehefa miresaka sady misy hendriny kokoa.
Karajia no intsoana io takelaka iray io, midika izany fa toe-tsaina manana ny fahendrena malagasy no ilaina raha hiditra ao ianao.
Azo atao ihany koa ny manao téléchargement syllabik. Efa misy fanazavana ihany moa ao raha vao miditra ianao. Haingana sy mora ampiasaina tokoa io.
Tandremo anefa fa raha ordi ifandimbiasana no ampiasainao satria anontaniana anao eo @ insatallation ny mot de passe ary tazoniny ka raha misy olona hafa handimby anao dia ho tafiditra mora @ pseudo anao izy.
Noho izany tsy tsara ny hametrahanao mdp tena izy fa rehefa tafiditra ianao vao manoratra izany.
2 - Solon\'anarana (Pseudo, PS) :
Azo atao ny mamandrika PS raha tsy tianao hampiasain\'olon-kafa izy io. Mangataka mdp aminao izy @ zay fotoana izay ka raha diso no nampidirinao dia hivadika Anonyme..... io ps io.
Mbola misy fanazavana mikasika an\'io ihany koa ao @ \"RESAKA MIVANTANA\" azontsika hazavaina eto ihany raha toa ka misy ny tena sahirana.
Dia izay aloha ny masaka azo natolotra androany fa alefantsika tsikelikely sao tsy levona, raha misy tsy mazava dia mbola handalo eto ihany hizara izay kely mba haiko.
répondu par HeryLo le 09/10/2005 04:15
2. maditra ( 01/01/2005 07:47)
Izay zany hono e!
Fa mba mahaiza mifanaja fotsiny rehefa ao dia milamina be! surtout raha mba maromaro iny ny mpi-tchat ao!
3. chipie1 ( 02/01/2005 19:17)
ié satria betsaka maditra zay ao manko refa be oul :lol:
4. mihanta ( 02/01/2005 21:13)
chipie inn zay ditra zay hono
5. maditra ( 03/01/2005 01:18)
Zah kool be rehefa michat ka! Matetika zah no tonga dia miala rehefa hitady haditra izay! ha ha! Misy tsy mamaly arahaba izany aza ao dia tsy tantin\'ny ditrako! :wink:
6. notron ( 03/01/2005 11:16)
Manja ny resaka rehefa manja ny firesaka
7. watafon ( 03/01/2005 15:42)
tsy haiko alou za raha mahay mitsaty na ahoana e! fa za ndray alou tsy maditsa zany e! any mou mihanta ô ?
8. chipie1 ( 03/01/2005 16:00)
mihanta> humm njy njay ve no anotany ana akia :?: :-P
9. notron ( 05/01/2005 09:21)
3 - Ny fitsipika
Ny canal #serasera dia sampana iray ao anatin\'ny reseau Epiknet noho izany dia tsy maitsy manaraka ireo fitsipika izay napetra\'io farany io.
Izany anefa tsy manakana ny hametrahan\'ny tompon\'andraikitr\'ity takelaka ity fitsipika fanampiny araka izay hitany fa hahatsara sy hahamendrika izany.

oh : rehefa mampiasa ps voafandrika (reservé) ianao dia omena 1mn hampidiranao ny mdp. Raha tsy vita @ io fotoana io dia tsy maintsy mivadika ho Anomyme ny ps ampiasainao. Tsy ny #serasera akory nomanova an\'io fa efa hatrany am-potony mihintsy.
Noho izany dia omena 10mn indray ianao hanovanao azy.

Torohevitra : ireto no komandy ataonao mba hiovan\'izany sy hahaingana ny fidiranao indray.
1 - /part : mampivoaka anao @ efitrano nefa mbola connecté.
2 - /nick [ps_vaovao] : manova ny ps
3 - /join #serasera : mampiditra anao indray ao @ efitrano.

NB : aza adino ny manisy \"\\\" eo aloha fa io no hahalana fa komandy no nampidirinao.

Raha toa mantsy ianao ka mijanona mihoatra ny 10mn @ ps Anonyme dia voatery hamoaka anao ny tompon\'andraikitra. Tsotra ny antony, ny ps dia tsy anarana fa solon\'anarana ka efa solon\'anarana ve mbola Anonyme ihany? Mampisavoritana ny resaka izany fa manana safidy malaka ianao @ ps izay tianao nefa kendreo mba tsy ho ps ratsy na miteniteny foana no ampiasaina.
10. welie ( 20/01/2005 19:55)
Rehefa be olona iny marina ao dé be ihany ny maditsa ka! :lol:
11. yonikafopl ( 20/01/2005 20:43)
oupsssssss!!
tena misy mihintsy ireo ratsy taiza hatrany @ fiaraha -monina ka hatraty @ virtuel!!
Mampalahelo :cry:
12. notron ( 22/02/2005 13:05)
Raha maditra am-pahendrena indray ange tsy manin e! :idea:
13. Ramaso ( 23/02/2005 06:02)
yonika> ndry ve no mba mitaraina izany?? efa ela za no niteny an zany fa e e e!
14. notron ( 23/02/2005 09:11)
Ny tiako ho marihina kely fotsiny dia hoe:
Na firy na firy ny isan'ireo namana miditra tchat dia tsy maintsy manaraka ny fepetra izay napetraka sy izay efa nipetraka.
Noho izany, tsy sahala @reo efitra rehetra akory ny KARAJIA eto @ #SERASERA fa natao indrindra ifankahalalana, ifanoroana, ary ifanampiana ka na iza na iza izy manana fihetsika na fanehoan-kevitra mifanohitra @ zay efa nipetraka dia tsy hipetraka izy :lol:
Fomba fitaney daholo izany fa ny zava-dehibe dia ny fahatsiarovan-tenantsika tsirairay.
"Manja ny resaka rehefa manja ny firesaka e!"
15. ravatorano ( 28/02/2005 09:09)
merci letsy amin ny fanazavana ah :D
hafa ihany manana anao :wink:
16. iriko ( 26/05/2005 17:39)
za!!! mba te hiresaka ,mihitsy fa eh!eh! tsy tafiditra ao mihitsy,tsy maharitra koa angaha aho koa...
17. HeryLo ( 09/10/2005 04:15)
ok papa ah :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869