1ére répoblika sns...

1. joda ( 22/12/2004 17:56)
1ére repulique ny tanjona dia hoe asa fa tsy kabary (acta non verba)
2e republique kabary fa tsy asa ....(verba non acta)oie oie..moa ka tsy izany va...
3é republique sady tsy kabary no tsy asa..(non acta non verba)... :-D
novalian'i jentilisa ny 26/02/2005 15:56
2. zakilinina ( 22/12/2004 22:19)
4ème : asa sy finoana
3. lallah ( 22/12/2004 22:25)
Raha jamba kosa angamba no tsy mahita ny zava-misy any Dago e ...

i Ra8 anie nanana ny programme-ny dia izay no arahany fa tsy hoe izay tian\'ny olona. Ny secteurs de base no nataony aloha na hisy maty noana aza. Tsy maintsy mi-sacrifier génération raha azo atao izany.

Ny roa taona voalohany dia ny lalana, ny roa taona faharoa dia ny développements ruraux. De tokony ho mbola lany izy amin\'ny 2° manda sinon rava ny ezaka efa natao. Ary tokony hi-impose an\'izay aza ny bailleurs de fond hoe tokony izy no tohanana ...

Matoa ny mpamatsy vola manome sy manesotra ny trosa dia mahomby izy eo anatrehan\'izy ireo. Jereo ny fihetsiak ataon\'ny firenena lehibe : MANAIKY AN-RA8 DÔLIDÔLY.

Fa i Ioda anie toa olona ahoana no tsy mahalala ny ordre de priorité angaha ? Raha tsy misy lalana dia hadinoy izany hoe handroso izany. Ratsiraka aza firipolo taona no teo, tsy afaka nanamboatra ny lalan\'ny Vatomandry ... I Lezafy inona no vitany tao Diégo ary angaha izy sy ireo namany sahy mandeha any ... ?

Izaho tsy hoe pro Ra8 fa kosa mba mijery amin\'ny maha-olona sy amin,ny maso tsy miangatra; manana hy programme-ny izy dia izay no arahany na dia misy maty noana aza aloha ... Ary ny gasy rehefa tsy hahay hamboly dia eo no raisina.

NY solika no mibaiko ny rehetra anie ry Joda e, rehefa miakatra ny solika dia miakatra ny rehetra fa tsy hoe i Ra8 no erany. Misy nuance zany.

Sa ve mety mahavita ny vitan\'ny Ra8 i Joda ? Manana orin\'asa toa an\'i Tiko angaha i Joda. Vitany io ry joda fa manana finoana ... omeo 4 taona indray mandeha izy dia ho hitanao eo ny tena fandrosoana ... atsy ho atsy !
4. loockx ( 23/12/2004 03:15)
lallah>??? Joda nge tsy niteny nininn e, juste we nampianatra teny latin fotsny :)
5. tsiperifery ( 23/12/2004 09:15)
5ème repoblika : finoana sy fandrosoana
6. heartbreakkid ( 23/12/2004 14:40)
Lallah: Maba atoroy ahy hoe izay rural developpé eo?? Aiza izany fa tsy mba hitako!! Aleo tsy mifampitatantara lainga sy mamoaka Théorie be sady mandreraka no tsy mandeha fa mahasosotra fotsiny!
Zaho tsy jamba ary izay indrindra no hahitako fa be loatra ny zavatra tsy mety manjo ny Malagasy @ zao fotoana izao!
Hamono Generation iray rangahy dia izany generation manaraka?? Hanangatra ilay génération novonoina teo aloha??
Dia fampandrosoana an\'iza no tena tianareo ho tenenina: Tiko sa Madagasikara??
Manaraka dia fanontaniana tsy mitombina ilay hoe: mahavita ny vitany angaha ianareo?? Tsy aleo tsy mamitaka olona toa izay milaza mahay nefa tsy izany akory??
Dia mbola marihiko ny @ ilay resaka hoe: \"FINOANA\" ! Raha tsy diso aho dia ny Baiboly no hatao fanohanana io hevitra io! Ka mba manontany anareo aho: mba iaza ho aiza ao @ Baiboly no nisy tranga iray naneho fa tena nino sy nahatoky an\'Andriamanitra tokoa ny mpitondra kanefa dia nikoroso fahana ny Firenena ary nijaly mafy ny vahoaka?? Sa misy toko sy andininy misy anzany ny Baibolinareo?? Ny anay mantsy tsy dia misy anzay loatra, tsy misy mihitsy raha ny tena \"Marina\". Ka aleo tsy hamitaka olona @ resaka be. Ny atao tokoa hono no hita, ka ny hitanay izao dia TIKO sy MAGRO no tena mandroso haigana ( haharitra tsy haiko)!
7. tsiperifery ( 23/12/2004 15:13)
hearthbreakkid> efa mba mahafinaritra kosa aloha ny mandre fa misy entreprise malagasy mandroso haingana izany e ! Antenaina fa mba aharitra izany, indrindra ho an\'ny mpiasa miasa ao fa tsy sanatria ho ataontsika hazalambo izy ireo fa privilegié !!
Ny aty lafrantsa koa mimenomenona mafy ny mpiasa kely karama na ireo tsy mahita asa firy. Rehefa jerena akaiky koa moa ny toe-karena dia maro ny orin\'asa lehibe izay tantanin\'ny fianakaviana akaikin\'ireo mpitondra fanjakana ireo ihany . Saingy maivamaivana kokoa noho ny any amintsika ny alahelon-kanina satria efa eken\'ny sain\'ny maro ny concurrence.
8. tanala ( 23/12/2004 17:27)
Ny zavatra hitako de izao tsy aiko nareo na mitovy hevitra amiko na tsia.
Tsy azo lazaina ho tsy niasa Ra8 diso zany tena niasa izy, toetrany tena tsara de izy tsy misorona manala zay be vinany na iza na iza, io no tena tsy tantin\\\'ny gasy sasany ndrindra ny tsy maty volavo an-kibo. Toetra tsy nananany filo talo io. Ny tena homeko tsiny mafy de mafy de isika gasy tarihina. Tokony mba saina tonga amizay e marina fa naletika tao ando hoe samy manao zay havelona ny tenany sy fiakaviny fa jerena ny firenena sy ny tombon-tsoa ny b sy maro. Mino aho fa nesorina tsy ho ao anatiny rakibolana malagasy ntsony ny teny hoe fihavanana.
Aza manana fanantenana akory hoe handroso ny gasy n\\\'iza n\\\'iza mpitondra eo ra tsy miova ny toe-tsaina.
Ra mba hanena kely ny toka lanin\\\'ny gasy de mba mety handroso koa izy, aiza boay kely any @ lycée interro 1 no vita hoe manala azy in no halana ny natao @ tsisy nanjary zay ny tanora ho avy ny firenena, fa ny lehibe aoka fotsiny ra vao mihaona eo, misy aza ra manana vola 5000 de bota 1/2 de vary 1 kapoka izy @ io miaraka @ zaza bonbon 1 tsy vovidy.
Reo mpanana ndray de mba tokony heritreritra projet matotra fa tsy varina @ revy, tsy reveko mihitsy ny mieritreritra le zanany tsy nahita fenarana manana vam hikotina sipa iny mabevoka zanakol de mipitsika sady zay ndray mbola izy no handova de very ny vola me mahantra ny fianaviny.
Farany homeko tsiny b d b reo reo manam-pahaiza malagasy maty heritreritra aty ivelany tokony mba homena tanana le filoha, tsy ampy ny manampaiza any Dago ka matonga ny havan\\\'ny sasany ho deba tsy vidiny.
Tsy mila mpamantsy vola reo zavatra 3 reo
Misaotra
9. pitchou ( 28/12/2004 18:36)
tanala kosa wa d misozy anay gasy aty e! tena bado tokoa v ny mba manam-pahaizana aty sa raha tsy bado d tokony ho sahala aminareo mahay milentika any?
saingy mba any nareo afaka mitsikera mamaivay ny zavatra tsy hainareo sy tsy iainananareo aty!
Fa tsy hoe tsisy marina akory ny teninao, fa raha te-hanampy anay bado aty enao d ampenaro handanjalanja ny tsara vita sy ny ratsy nampitomboina ny namana any ary e!
10. jentilisa ( 26/02/2005 15:49)
heartbreakkid:

\"FINOANA\" ! Raha tsy diso aho dia ny Baiboly no hatao fanohanana io hevitra io! Ka mba manontany anareo aho: mba iaza ho aiza ao @ Baiboly no nisy tranga iray naneho fa tena nino sy nahatoky an\'Andriamanitra tokoa ny mpitondra kanefa dia nikoroso fahana ny Firenena ary nijaly mafy ny vahoaka?? Sa misy toko sy andininy misy anzany ny Baibolinareo?? Ny anay mantsy tsy dia misy anzay loatra, tsy misy mihitsy raha ny tena \"Marina\". Ka aleo tsy hamitaka olona @ resaka be. Ny atao tokoa hono no hita, ka ny hitanay izao dia TIKO sy MAGRO no tena mandroso haigana ( haharitra tsy haiko)!


Tsy hoe nino sy natoky no MARINA fa izy ireny no nohamarinin'Andriamanitra. Samihafa izany fa diniho tsara. Dia vakio ny Tantaran'ny Josia mpanjaka fa izany no nolazaina fa nankasitrahan'Andriamanitra nefa tamin'ny androny no lasa babo tany babilona ny Joda. Any amin'ny testamenta taloha no misy an'izany fa tsy tadidiko ny tantara izy izay na mpanjaka fa mazotoa mamaky baiboly e


11. jentilisa ( 26/02/2005 15:56)
Avelao koa ny gasy any ivelany ho any fa isika eto no mila mieritreritra hanatsara ny fiainana eto na dia ny hiteny izay madilana hotenenina fotsiny aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1948