velona 1 trano .. maty 1 fasana

1. ikaretsaka ( 17/12/2004 14:53)
Asa raha sendra voamarikareo fa raha mpandeha RN7 iny ianareo dia misy tanana iray izay afaka kelin\'i Behenjy, tsy tadidiko ny anarany
Ny mampalaza io tanana io dia ny \"tranon\"\'ny olona ao dia fasana ny tapany ambany dia trano fonenana ny tapany ambony. ary ny tanana 1 manontolo mihitsy sia izany aby ny plans...

Ny antony de hoe \"tsy misara mianakavy\" hono!

Ahoana ny eritreritrareo @ io.

Aza mba vaky pneu na em-panne andro alina eo akaikin\'io tanan aio ihany fa mandondona any @ tsy izy!
novalian'i ramaso ny 20/12/2004 23:22
2. sechat ( 17/12/2004 15:14)
3. tolotra ( 17/12/2004 15:25)
misy hiran ilay bandy akama izay hoe: dada malala o! razana ianao fa tsy olona ka rah tou enao miverina aty d tsy anisanireo fokonolona,maty sy velona isika ka aoka tsy ifanalika! hafatry jeneraly io e!
4. kinaoly ( 17/12/2004 17:40)
ikaretsaka: bbrrr :^)
5. maditra ( 17/12/2004 23:46)
Tolotra> F\'angaha mifanalika tsy indraindray? baratatatattttttttttt
6. tolotra ( 18/12/2004 11:08)
hita fa manangatra ry lerony ,d mampatahotra ny velona fotsiny ,zay ilay hoe mifanalika!
7. maditra ( 18/12/2004 17:26)
kay ve?
8. narilala ( 18/12/2004 18:08)
Toa tsy any akaikin\'i Behenjy le izy ry Ikaretsaka fa any @ RN1, dia faka kely an\' Imerintsiatosika, alohan\'ny hidirana an\'Ambatonapoaka. Nandalo teo mantsy izahay indray andro dia tena nijanona mihitsy nijery avy ety @ arabe. Toa hoe noraran\'ny fanjakana tsy mahazo ipetran\'ny velona intsony, hono, ny tapany ambony fa toa tsy mahasalama noho ny aretina avoaky ny maty avy ao ambany. Tsy fantatrro ny fahamarinany fa dia izay no mba nolazain\'ny olona anay.
9. ikaretsaka ( 18/12/2004 18:23)
misy koa any behenjy ka, Sendra en panne tany za de nandondona tao no nahitako an\'io . fantatro sy efa reko koa io afaka kelin\'i imerintsiatosika io fa tsy mbola hitako maso .
fa mba lasa kely koa ny eritreritro momba an\'io hoe ahoana ny adin-dry zalahy hoe ny velona iznay matory eo ambonin\'ny maty... dia midina etage 1 iznay ianoa rehefa tapitr\'aina...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.281