mampalahelo ny zava-misy ao gasikara...

1. joda ( 16/12/2004 18:49)
1-mampalahelo ny zava misy ankehitriny ao madagasikara
fa toa izay mpitondra toa milaza fa mahay mamily fiara
ny momba an\'ireo mahantra tsy haiko intsony
ny biby eny tsimbazaza no ambony

2-nasiana dévalution, tst ,flottement....
nampiasaina daholo tsy nisy hoe comment
aiza ve ka 1 euro lasa 15. 000
angamba tsy hahamenatra intsony ny hanao kiranil

3- tsy dia hoe fanaratsiana ny mpitondra vary raraka
fa ny gasy namana sasany kosa lasa ohatran\'ny tararaka
raha resaka 13 mai aloha dia mba tongava saina
fa sao ho lasa ratsy fiafara ka hifoka daina

4-raha dinihana dia mitady hiverina ny taloha
niverina nilahabary hatramindry bebe rasoa
o ry gasy namana mba tongava saina
lasa lafo hatramin\'ny mofo dipaina

5-raha tsy mino ialahy na koa mihanahana
dia mba mandehana harivariva eny tsaralalĂ na
fa dia ahita bofy be efa tena lany daty
manao varomaizina ao anaty ambiaty

6-ry tonton indray moa refa soir soir....
dia avy miasa dia ao anaty bar
rovitra mbamin\'ny pataloha
tsy mahatsiaro saina raha tsy in7 mandoa

7-ny hamaranako ny teniko dia mba tongava saina
fa izay politika tsy misy fotony mandramaraina
izay hahavoky sy idiran\'ny vola eritreretina
fa atsy ho atsy hitombo izay tsy izy ilay aretina


AMEN :cry:
novalian'i crrlanto ny 20/12/2004 20:06
2. fijo ( 16/12/2004 20:21)
izay ny fitanisana ny zavamisy,fa inona ary ny vahaolana hita sy azo hatolotra?
3. loockx ( 17/12/2004 03:40)
Hiaramientana isika
hanondrotra ilay gasikara
izay ahy, anao, antsika
ary ho an\'ny zanaka amam-para

ho tanteraka tkou anie izany
fa minoa fotsny ihany :wink:
4. ravatorano ( 17/12/2004 06:31)
samy kalaza no tafara dia ato izany eo amin ity sehatry ny adirima ity :D .
ny vaha olnana aloha dia io lazain i joda farany io eh
ny politika tsy mahasoa vahoaka rehefa diso avo lenta loatra ka lasa mampambotry aza fa izay hahavoky ny tena no atao.
Raha izay dia tokony hiasa mafy ny ti1-1 ary dia hanao izany ao anatin ny mahamalagasy azy fa avela ny ambopo ny fitiavatena , ny fitiavana tia kely .Aoka mba hifampitsinjo ny rehetra fa tsy variana amin ny kabary b lava reny .Ny mpanohitra tokony hanome vaha olana mifandraika amin ny olana misy ary azon ny fajakana tanterahina>Ny mpitondra koa dia tsara raha miezaka ny feo maro ary manivana izay tena mendrika amin ny soso kevitra entina hampandroso ity Gasikara
Amen
5. papex ( 17/12/2004 18:19)
tena ny mpitondra tia tena
6. rajn ( 20/12/2004 18:01)
Tena mampalahelo marina ny fahenoana ny zava-misy ao dago, ny any azo atao dia isika rehetra no tokony ho tonga saina , ny tantara tsy fanary fa lesona ho an\'ny ho avy .
Ny amin\'izao fotoana izao dia izay nataon\'ny teo aloha dia mba atoko koa ka aiza no tsy ho tia tena ny mpitondra amin\'izao fotoana izao ary miharihary izany ka ny minia tsy mahita no tena bado, mbola tadidiko ilay tenin\'ingahy Ravony fahavelony hoe \"isika nifidy no tena JAMBA SY BADO\" raha niteny ny momba ny J&B tamin\'ny andron\'i Zafy sy Radidy izy koa aiza lahy ny fiangonana aiza ny antoko polotika aiza ny vahoaka fa tena efa tafahoatra loatra izao zavamisy izao. Raha azo atao dia tokony asiana fihaonambe iresahana ny tena zavamisy marina.
7. crrlanto ( 20/12/2004 20:06)
Mahita ho lazaina foana sika, nefa sika kamo tsy miasa, indrindra sika eto @ ville, lazaina daholo zao atsanga rsy aman,orana zao , sady zay indray sika malagasy raha mba hampanjotso, na andrangitra , talentantsika io, ratsy saina sika malagasy, zay aho vao mihaiky,@ itony forum tony no ahitako an zany,tsy intelligent fa ratsy saina,ny mapandroso tsy haintsika, ny manadaboka dia taletantsika, natao ny 72, dia natao ny 91, dia naongana zafy ny 96, aiza nefa sika zao, noho zany ny toe tsaina ihany no ovaina,ajanony any ny fialonana e, ajanony any ny fifanenjehana e, adabohy any ny fingampingana e, avelao any ny hakamoana e, andao hiara hiasa, tsy ho vitan, ny mpitondra irery ny fampandrosoana,fa andao hiara misalahy,ny ho avy no banjino ry malagasy havana,mitarika anareo mpanohitra ireo koa , andao hiara hiasa e,aza tsy fitiavana olona iray no animbana firenenna e ,ho tsarainy ny tantara ianareo anie e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2208