hyperthyroïdie

1. sechat ( 14/12/2004 15:59)
Ho an\'izay dokotera ato sy ho an\'ny rehetra zay manan-kevitra ny @io aretina io sy ny vokany ary ny fomba fitsaboana azy
2. kinaoly ( 14/12/2004 16:41)
tsy zany ve le goitre ? (fona be raha diso fanoratakou anazy an)
3. kally ( 14/12/2004 18:40)
Tsy dokotera aho fa ny fantatro dia matetika kizintina sy mihamahia nefa mahery misakafo ny olona tratran\'ny hyperthyroïdie.Tsemboka lava ary mora sempotra.Lasa tsy matory sy mandeha mikapa matetika.Ny analyse ihany anefa no afaka tena maneho fa misy hyperthyroïdie ilay olona satria ohatry ny olona tsy marary ihany ny olona tratran\'izy io.maharitra ela ela ihany ny fitsaboana ,mila analyse matetika,misy traitement atao @ rayon x,nefa arakarak\'ilay marary koa;Izay aloha no fantantro e!
4. fijo ( 14/12/2004 20:51)
misaotra kally ,fa dia tena tsy misy fantatray izany aretina izany le.
5. sechat ( 15/12/2004 08:53)
kally> ié tena ôtr\'izay mitsy le izy raha ny fijereko azy afa-tsy le mande mikapa foana :-D :-D
fa goître arak\'ilay nolazain\'i kinaoly ve le iz e? de azo tonga de didina ve? :°)
6. kally ( 15/12/2004 16:27)
Ka izy io ho\'a arakaraka ry Sechat,misy aloha lasa goitre tokoa fa ny sasany toa tsy maninona ,dia misy didiana dia misy tsaboina @ rayon x ankoatry ny fihinanana fanafody.Fa arakaraka fa tandremo fa manimba be izy io satria mahamora osa be.
7. dasy ( 15/12/2004 18:00)
tena marina daholo ny nolazaina i kally , fitsabona fanafody mandeha tsara betsaka fasitranana, ny fandidina dia raha tsy mandeha ny ffanafody ambava ,tandremo tsara anefa
8. sechat ( 16/12/2004 11:13)
sôtra betsaka ry reto fa tena hande hijery an-dradoko alou zany fa mampatahotra be ty zavatra ty :-* raha mbola tsy maty a de miverina eo ihany :^)
9. bichette ( 16/12/2004 14:12)
voa an\'io angaha i sechat
10. sechat ( 16/12/2004 15:43)
ié :-D
11. watafon ( 17/12/2004 15:18)
ao anton\'ny atao hoe \"maladie endocrinienne \" zany izy io e! ny goitre zany de fomba fisehony iray ary marina daholo zay voalazan\'i Kally etsy ambony ireo ! ary aretina azo tsaboina tsara izy kah !
12. sechat ( 17/12/2004 15:38)
watafon> fa ny tsy azoko de inn no zavatra nahatonga azy ? oh hoe ny mampanavy zao dia reraka na mangatsiaka na lanin\'ny moka sns... :?:
13. watafon ( 18/12/2004 10:06)
ny zavatra mahatonga azy zany de misy karazany maro e! ny étiologies no filaza azy !fa héreditaire zany izy io fa tsy acquise e ! zany hoe tsy avy aty ivelany fa efa avy @ toe-batana mihitsy !
14. andrianarivonyrandy2016 ( 25/05/2016 12:17)
salama tompoko.
aiza no misy dokotera mahay azo antonina sao mba misy mahalala.na fitsaboana azo arahina(naturel).hyperthyroidie efa mivonto kelikely ety ivelany le mahazo.goitre mihintsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3658