tsy sahy misaraka

1. xxx ( 08/12/2004 11:43)
t@ za niainga tany dago zany dé tena mbola matotra be ny anay e!5 mois teo zay no nialako tany,izy manoratra foana hoe hiandry ahy na firy taona no hijanonako aty ,za nef zao efa leo!manontany izy @ mail hoe za ve mbola tia sns,izy hono tsy hanadino.ka zao zany no izy e,te hisaraka za nefa fantatro fa alahelo be izy,izy ko somary sensible zay iany,za ko ohatran\' mahatsiaro tena ho diso satria za t@ niainga somary nanao promesse hoe tsy hanadino an\'lery,inona no ataonareo ra teo @toerako?dé misaotra mialoha e!
novalian'i fijo ny 21/02/2005 23:03
2. hery ( 08/12/2004 12:33)
Aza miaina ao anaty fihatsaram-belantsihy... fa raha tena tsy tianao izy, ka tsy misy fanantenana intsony mety mbola hitiavanao azy any aoriana... dia aleo faranana dieny izao. Ny zavatra mitarozaka ohatra an\'izao dia mety hampitombo fanantenana azy... mety mbola mieritreritra izy fa tia azy foana ianao... dia amin\'ny fotoana hitenenanao azy hoe tsy hiaraka intsony ianareo dia mafimafy kokoa ny zavatra hanjo azy... mafimafy kokoa ny fery amin\'izay fotoana izay noho ny fery kely mety hanjo amin\'izao fotoana izao.
Jereo ihany anefa sao dia mbola hisy fanantenana ny aminareo... dia mahereza e.
3. sechat ( 08/12/2004 13:10)
Marina mitsy io tenenin\'i hery io, nefa ny pb le fomba hitenenana azy mba tsy harary loatra :roll:
4. tsiperifery ( 08/12/2004 13:20)
Raha efa ela niarahana ( am-bolana na an-taona maro )ka mifankahafantatra toetra tsara izahay dia manao ezaka ahita azy mivantana aho hitenenana azy hoe \" leo \" ...na mainka tia an\'azy ! Aleo tsy mirotoroto sao hanenenana ny vava latsaka
Raha vao tsy ela ny fiarahana dia vitaiko @ mail ny resaka satria fitiavana sendra niserana iny matoa nankaleo ahy sahady ! Tsy mbola mafy ny fatotra ary na izy aza angamba nahatsapa izany ka tsy ho lava alahelo.
Lahy sa vavy aloha i 3x fa miankina @ izay koa io e !
5. nananie ( 08/12/2004 16:57)
Marina daholo ny voalaza etsy ambony. Fa raha misy zvt azo atao angambany alou de ny mieritreritra tsara. Ataovy ny bilan\'ny fiaharahanareo. Sao dia manenina avy eo satria tsy mahita olona tsara ôtran\'azy tsony.
Zay wa le pb le fitiavana à distance. Refa misaraka dia matetika mora azon\'ny fankampanahy; indrindra rehefa mbola tsy mafy fototra ilay izy.
Mahereza e!
6. nikopol ( 08/12/2004 17:23)
aza mbola misaraka alou fa ataovy ze tokony atao :lol:
7. jhouhlambout ( 08/12/2004 19:36)
Tsy matotra tsara izany ny fitiavanao azy!
Raha izaho no eo @ toeranao dia mila manontany tena hoe: fa maninona aho no leo sahady?
8. fijo ( 08/12/2004 22:38)
raha za manokana tsy misaraka izany aho fa ataoko fiandry iny
9. dezy ( 09/12/2004 10:08)
vao 5 mois ve de lany sahady ny mari-pana???asio fieritreretana fa sao de tsy fitiavana fa zavatra hafa !!!!!
10. chipie1 ( 09/12/2004 10:39)
ka mety tsy tia zany! fa mody tia
11. xxx ( 09/12/2004 11:28)
misaotra ny conseil rehetra lo e!
tsiperifery> za vavy
tsy de ela kory ny niarahanay,za tsy hoe nisy fakampanahy na inona akory,fa tsoriko ary fa za mbola tsy matotra loatra @io lafiny fitiavana io e :oops: ,tena ohatran\'tsy vitako ny mieritreritra hoe ohatran\'zao foana zany pdt 3 ans eo eo,dé mifandefa mail sns,ny fotoana halalako azy tsara ko tsy de ampy loatra ka mety zay zany le hoe tsy mafy fototra,
tsy maintsy fisarahana iany ngamba no iafarany,fa saingy zao,inona no teneniko mba tsy hampalaelo azy loatra sy mba tsy ahatapaka ny amitié fotsiny farafaharatsiny? :(
12. vegas ( 09/12/2004 11:49)
Aza maka ny toeran\'ny olona ho sarahana ô. Tsy ho tafiteny mintsy enao ra zany....
sady efa misaraka nareo zao ra ny tena marina fa saingy odinareo fanina. Oul miaraka zany de io miaraka arabakiteny io mintsy
13. jhouhlambout ( 09/12/2004 13:38)
teneno izy hoe: lavitry ny masoko ianao ka lasa lavitry ny foko!
14. fijo ( 09/12/2004 21:43)
marina ny anao raha mbola tsy vonona dia aleo vitaina.tsory fotsiny hoe mafy ny fianarako ka aleo aho aloha hianatra fa ataovy mahalana ny e-mailnao.efa manomboka tonga saina izy amin\'izay,dia rehefa mahalana io ho hitanao fa hiamalemy koa ilay afo avy any dia vita
15. xxx ( 10/12/2004 07:11)
Nitovy cas taminao za @ io toe-javatra io.Za lo bandy e fa enao tsy haiko ra sipa.Natao daôly zao promesse retraretra zao nefa no elaniela tsy navita za na de nanoratra tsony aza ary farany nanao sipa.Amiko manokana ra ny anao no resahana de manahirana iany no mety ho tohiny satria manko io fa mitranga ny olana no ny fisarahan-toerana.Ny tentation ko mo betsaka moa enao ve tsy anala azy.Miena be ko ny fifampitkisane fa zao anao ny decision aza fitahana izy fa refa mi-tromper azy enao de tsofy rano izy hahita zay anazy.Zay ngamba fa eritrereto tsara iany alo.Mahereza
16. mihanta ( 11/12/2004 08:48)
amiko refa tsy sahinao ny milaza hoe leo ianao ry xxx d maninn raha atao oe na inn zavatra midona sy mitranga,aleo mijanona mpinamana foana..fitavana sarahin\'ny elanelan tany io manko manahirana ihany njainjay fa miankina am tsirairay ihany io
17. lema ( 11/12/2004 09:33)
zao ry sipa a!
aza manoratra aza mandef mail tsony aza miantso tsony ary ra manotany izy dé teneno hoe za tsy manam-potoana fa shirana mianatra dé kopy ihany izy ny farany,raha manotany izy hoe énao ve mbola ty anah de teneno hoe tsy aiko,fa tsy maintsy kopy ihany izy.
dé mitadiava bandy ato @ namana
18. mihanta ( 11/12/2004 09:42)
lema sao henjana b loatra kosa zany .tonga d torana ngamba le zanak\'oul
19. vegas ( 11/12/2004 09:52)
ty koa mahomby: tsy mila miteny oe isaraka fa tonga de milentika fotsiny tsotra izao. Ho zatra tsikelikely lery amizay. Aza mamaly na mandefa mail 100 isankerinandro aza. Fa ra mbola mieritreritra ny hamaly azy enao dia aleo enao mody na izy no afaro fa efa tafiditra lalina enao zay. Mazotoa e (d mba teneno anay ny iafarany an looll)
20. mihanta ( 11/12/2004 09:58)
raha izay no mampilamina ny sainareo d ataovy izany kou
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5872