Mozilla firefox

1. hery ( 03/12/2004 18:53)
Ela no nanandramako ny Mozilla (navigateur izay afaka misolo ny Internet Explorer) fa ity Mozilla Firefox ity no hitako fa afaka mifanehitra tsara amin\'ny Internet Explorer.
Malaky dia malaky tokoa ny fijerena ny site rehefa mampiasa azy fa tsy miadana be ohatran\'ny Internet Explorer. Ny antony dia tsy mitovy ny fomba fampisehoana ny pejy. Ny IE dia miandry ny votoatin\'ny table ho feno vao mampiseho azy... ny mozilla kosa dia asehony izay vonona na dia silany kely aza.

Miseho malaky kokoa ny serasera amin\'ny Mozilla.
http://mozilla.org ny toerana hakàna azy.

Misaotra
novalian'i lebotiti ny 14/06/2005 08:42
2. mcfy ( 04/12/2004 18:27)
sali hery,

Dia tsy dia misy olana firy ve ny famindrana ny favoris sa mila enregistréna daholo @ fika hafa mba tsy hahavery aazy sa compatible d automatik?

Mci
3. ibalitakely ( 04/12/2004 19:27)
Salut hery!
Izaho mampiasa azy ty saingy ny IE koa tazomiko.
Ny lafitsarany : Tsy misy pop-up sady mora ny mametraka ny favoris. Ilay barre eo ambany moa azonao hisitomana ny adiresy izay ilainao. Afaka manokatra fenêtre maromaro miaraka ary malaky.

Ny indro kely : Betsaka ireo \"applet\" na \"programme animé\" tsy mety vakina aminy. Ny mozika ohatra indraindray asehony indraindray tsia.
Rehefa manao telechargement dia ifampitadiavana ny misy ilay document. Mbola mila mamaky tsara aho fa izaho moa karazan\'irony \"lerning by doing\" ozy vaza
4. hery ( 05/12/2004 11:41)
mcfy> Rehefa manao installation amin\'ny voalohany dia anontaniany raha tianao ho-copier-na amin\'ny Firefox ny Favoris, ny Cookies, ny Historiques, ny Mots de passes enregistrés izay nampiasaina tao amin\'ny Internet Explorer. Ka raha te hitazona an\'ireo ianao dia ekena fotsiny.
Ny favoris-ko rehetra dia voafindrany daholo ary afaka miasa am-pilaminana.
Ilay vitesse-ny no tena ikoizako satria rehefa sendra connexion ratsy ohatra ka efa misy textes voarainy dia asehony aloha dia efa afaka mamaky ianao mandrampivoaky ny textes hafa.
Andramo installer-na aloha e.
Ny ahy koa mbola ato aloha ny IE fa rehefa hitako hoe mahasolo ny IE tsara io Firefox io dia esoriko ity fa manavesatra fotsiny.
5. ikaretsaka ( 06/12/2004 05:36)
tsary mitovy @ safari ihany ve io ry hery?
6. paola ( 06/12/2004 20:00)
tsara noho ny IE aza le izy knou
7. ramoul ( 06/12/2004 21:01)
tsara dia tsara tokoa ilay izy fa ny indro kely fotsiny dia zao, zah tsy mahay teny anglisy ka tsy ampiasa zah ra tsy azoko tsara ny tiany ho lazaina :lol:
8. dotmg ( 07/12/2004 14:31)
Amporisihina daholo hiala amin\' ny IE dia hiditra amin\' itony malalaka itony e! Ampatsiahivina isika izay tsy mbola mahafantatra fa misy viriosy JPEG izay mandavaka IE. Vao mijery an\' ilay sary fotsiny ianao dia installény ilay viriosy.
9. nilsen ( 03/01/2005 19:07)
Efa ela no nampiasako mozilla fa ny ahy IE efa nariako. Manana avantages be dia be ny mozilla, manana plugins be dia be iz azo telecharger na sy installer-n manome hery sy zavatra hafa afaka ampiasana ny browser. ary manana zandry kely koa iz maivana kokoa noho iz sady multi-platforme hoatrandry Firefox (compatible mac/lunix/. Raha mitady browser tena matanjaka dia Opera ampiasaina fa ny olana aminy dia mihinana memoire be loatra lery, ka raha be de b ny page nampiasainao de mikatso ny machine nony farany (mitovy aretina @ IE) fa ny Firefox no tena maivana indrindra (Mozilla nohamaivanina) . Raha mila fanazavana momba ny mozilla @ teny frantsay jereo http://www.mozilla-europe.org/fr/ fa na izany aza mba tara @ teny anglis razoky fa ny frantsay tara foana @ informatika fa sao de voaozona hanaraka an\'reo koa ty sika ty na de hoe sequelles ny maha zanatany aza :(
10. DotMG ( 15/02/2005 16:14)
Ny tena marina koa dia ny IE tsy manara-penitra mihitsy.
Ohatra iray : Rehefa manindry F5 ianao (Actualiser), amin' ny IE dia averiny alaina daholo ireo sary ao anatin' ny takelaka, na efa ananany aza, izany hoe tsy mampiasa cache intsony izy. Ny Mozilla FireFox kosa dia manontany ny serveur hoe "Efa ananako ity sary ity tamin' izao lera izao ka efa niova ve izy io?". Raha manara-penitra koa ny serveur dia mamaly hoe "Mbola tsy niova ka!" dia ilay cache fotsiny no ampiasain' i Mozilla.
Fa ny atoro antsika mpampiasa internet dia tsy tsara loatra ny mampiasa browser mihoatra ny iray! Aleo mifototra amin' ny anankiray, ohatra hoe Mozilla no tianao dia iny foana ampiasaina. Ny antony dia tsy mitovy mantsy ny cache ampiasain' ny browser, koa raha mijery serasera.org ianao androany @ IE, dia mijery azy @ Mozilla rahampitso, dia averin' i Mozilla alaina daholo ny ressource rehetra efa azon' i IE.
11. Gassla ( 16/03/2005 09:11)
Misy fanontaniana kely ity :
mampiasa firefox ny tenako mandeha tsara ilay izy fa ny olana rehefa mandefa sms @ www.madacom.com dia very foana ny php session , tsy aiko rah ny config ny firefox ko no misy tsy mety na ny code ao @ site dry zareo! ka tsy maintsy miverina mozilla indray.
Misaotra e!!
12. lebotiti ( 14/06/2005 08:42)
ny hitiavako firefox de lay izy misy " onglet" ity
ny version français misy koa, ary izy tsy de misintona
spyware be ohatra n ny IE.
ny plugin koa be isafidianana

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3682