miova indray ny vola gasy, inona no tena tanjona ?

1. bichette ( 03/12/2004 07:35)
Miova lava ! fa inona no anton\'izany, misy karazana 10000fmg sns maro .... dia isaky ny taona maromaro dia tsy maintsy mankany amin\'ny banky manova vola lava izao. Raha mba nitahiry vola ka adino ao anaty vata dia very tanteraka. Inona no antony ? hialana amin\'ny mpisoloky sy ny faux monnaie ve ?
novalian'i fijo ny 13/01/2005 00:01
2. loockx ( 03/12/2004 08:33)
Misy iany aloh le we resaka vola sandoka e. Fa ny tena antony d ara-toekarena. B loatra ny vola mivezivezy eto amintsika. Nanonta vola foana ny mpitondra teo aloh refa mila (nampiasa planche à billets). D lasa tsy mifanentana amin\'ny tokony ho izy ny vola miely (masse monétaire). D refa betsaka ny vola d vonona hampiasa foana ny ol, d miakatra ny vidinjavatra satria misy ny manana fahefa-mividy. D mba hanoherana le fiakaran\'ny vidimpiainana b loatra d ahena ny vola miodina, tsy hita dôly nefa izy ireny satria ny sasany ambany kidoro... d mba ivoahan\'ireny vola miafina ireny d ovaina vaovao ny vola amzay tsy maintsy maintsy manakalo dôly d voaharamaso ny vola miely reetra.
3. bichette ( 03/12/2004 10:02)
loockx misaotra amin\'ny fanazavana. Ambany kidoro daholo marina :-D
4. sechat ( 03/12/2004 10:41)
otran\'ny ahoana ndray ny vola any zany @ zao?
Mbola misy arifolo sy roapolo ve? :-D
De maninona kay no vao miova ny unité monétaire de miakatra be daholo ny vidin-javatra? Iza no afaka hanazava?
5. rivorijasoa ( 04/12/2004 01:23)
Lé hoe any ambany kidoro aloha mety tsy ho possible fa mankarary lamosina be izany rehefa matory e! Fa lé vola vaovao ve izany efa mitovy amilé vola taloha ny isany e? Sa mba te hirehareha fotsiny lé olona nanamboatra azy fa hoe samy manamboatra vola ho azy isaky ny miova ny fitondrana?
6. loockx ( 06/12/2004 03:07)
sechat>mbola misy ny arifolo sy roapolo ka. Ny ventysykirobo (2f) no toa tsy misy tsony.

Rah ny tena izy d tsy tokony hiakatra ny vidinjavatra satria atao conversion fotsny amin\'ny unité vao2, fa tsy maintsy misy foana ny manararaotra e. Kely fotsny ny tokony hiakarany rah tena tsy maintsy misy zany d le aorian\'ny virgule noboriboriana.
Rah ny tokony ho izy koa d nihena ny isan\'ny vola vao2 fa tsy mitovy amtaloh tsony, zay le resahandry zareo amle we démonétisation. Fa asa aloh ze tena nataony marina e.
Fa marina kou aloh we misy kely iany le resaka manamboatra vola isaky ny miova fitondrana e (jereo ny sary amvola 10000 ariary)
7. ravatorano ( 06/12/2004 08:52)
ny vola niova dia ny 500fmg , ny 1000 fmg , ny 2500 fmg , ny 5000 fmg aloha izao.
Ny olana amin ny fampiasana an ireo vola vaovao ireo dia eo amin ny lokony satria ny lokon ny vola ariary zato na 500fmg d mitovy amin ny lokon ny arivo ariary fa ny soratra sy ny tarehimarika ary ny habehany no tsy mitovy.
Toy izay koa ny an ny roajato ariary sy ny roa arivo ariary samy maintsomaitso ny lokony fa ny habehany,ny soratra no tsitovizzany.
loockx>miverina miasa indray ny iraimbilanja , ny venty sy kirobo amin izao fidiran ny ariary izao kah hafa ny taloha ary raha ho avy hanao vakanssy aty nareo defa mianara dieny izao ny fomba fampiasa ny ariary fa sao d hambakain i ravatorano eo :-D :-D :-D .
8. dio ( 02/01/2005 17:55)
NY tanjona @vola gasy de miaha mahantra ny gasy de zay no tanjona
9. xxx ( 05/01/2005 18:06)
tsy hitako zay alazaina ato fa mitsidika kely alo no mety de ny momba ny vola gasy de zao @zay betsaka ny olona tsy manan bola tsony ,zay angamba no azoko lazaian eto
10. pitchou ( 06/01/2005 18:00)
misaotra an\'i ramaso nanao an\'io fanamarihana io! rehefa ny an\'ny hafa d tsara fa raha ny an\'ny gasy d ... dain!!!!
Ny olana hitako eto @tsika ka mahatsara an\'io fanovana vola io d ilay resaka vola tsy miodina fa ampirimina ao am-bata na ambany kidoro! betsaka ny manao an\'io, satria mbola betsaka ny gasy tsy hahalala izay banky banky nareo any! asa nareo raha efa nahita ireny olona hoe nila ravinahitra hono d rehefa mody d valizy 3 feno vola avokoa!!!!
Na manahirana aza dia izaho mahita hoe tsara ny namadihana ny volantsika ho ariary! pendina ery manko ny sasany t@ 75 niala t@ zone franc nefa mizesta manonona ilay \"franc\" malagasy! ary rehefa hanova ny vola ihany dia maninona moa raha ovaina mihitsy ny billet? fa tsy hoe asaina mamaky hoe \"1000\" ariary ny olona nefa \"5000\" no soratra eo!
11. fijo ( 13/01/2005 00:01)
tokony hiova amin\'izay koa ny saina ngamba ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5016