clonage humain

1. hasn ( 21/11/2004 15:36)
Hono hwa ry zareo! araka ny hevitrareo inona moa no tsy hanekena ny clonage humain? Tena serieux io fanontaniana io! Valiny tena mba objectif no antenaiko @ izy io ka antenaiko fa handraisan\'ireo mpahalala ny momba ny Médecine @ io sokajy manokana io.
Ny antony de izao: rehefa dinihina de tsy misy antony tokony hanakanan izany: Ireto ny antony: Anisan\'ny fomba ialana @ fahamombàna io satria alaina fotsiny, araka ny teknikany ny sela reny iray de ampitomboina de vita olona na biby (izany angamba no anisan\'ny hitadiavana ireo cellules mbola mety velona @ ireo zavamanan\'aina efa maty elabe ireo: mamouth @ izao fotoana izao), faharoa tsy misy olana @ hoe misy olona marobe mitovy @ io satria azo atao tsara ny manavaka ny olona tsirairay @ alalan\'ny fitaovana moderna na dia ny lavo-tondro fotsiny aza; toy izany koa anisan\'ny fomba hanaovana selection momba ny tsara io: izany hoe ohatra hampitomboana isa ny Miss na Dauphine sns sy ireo tsara rehetra e! dia tsy misy intsony angamba ny ady satria ny fitadiavana ireny anie no fototry ny olana eto an-tany e, ary afaka mampitombo koa ny zavatsoa eto antany e: ohatra mila olona nofosana maro hiasa (mains d\'oeuvre) isika dia maka cellules @ vandam na bruce lee (indrisy) dia ampitomboina de izany , na maka cellule @ einstein dia manamboatra laboratoire be di be hikaroana. Mino aho fa haingana kokoa ny fivoarana eto antany @ izay! Raha ny olana moraly dia azo atao tsara ny mifehy azy @ alalan\'ny lalàna toy izao iainantsika izao!
Ny mahagaga anie dia efa trandrahana io teknika io @ organes sasany e: ohatra culture de foie, sns
Fa mino aho fa olana arataknika ny antony tsy hanaovana azy fa tsy ara moraly araka izay re voizina @ izao fotoana izao: izany hoe: tsy mbola voafehy io teknika io!
Raha tsy izany dia efa ela no afapahoriana ny momba , ary efa betsaka ny manja teto antany!
Misaotra an\'izay mamaly
novalian'i fijo ny 08/12/2004 22:27
2. nikopol ( 22/11/2004 09:02)
:lol: :{ :lol:

(serieux za io an)
3. kally ( 22/11/2004 15:01)
eritrereto ary hoe ho cloner-na ianao dia misy Hasn 20 ao Antananarivo, asa aloha e! raha mazoto ve ianao???
4. bichette ( 22/11/2004 15:58)
za tsy tia atao an\'izany ka !
5. fijo ( 22/11/2004 20:12)
ilaina io ka.za aloha tsy manohitra e
6. loockx ( 23/11/2004 04:26)
Mety we afa-pahoriana tkou ny momba, mety we b ny manja. fa mety we bdb kou ny Ben Laden, Saddam Hussein... Ny mahavoa ny olombelona nge d misy mamadika amzvtr ratsy foana le izy e. Tsy mandeh tsony le selection naturelle
7. arimalala ( 23/11/2004 10:56)
tsy aleo ihany ve @ zao e, ôtran\'ny tsy milay le mitovy daôly
8. kinaoly ( 23/11/2004 17:46)
ramaso> oujiii
za kou aloha tsy contre e, arakaraky ny ilavana anazy fotsiny, le hevitry i ramaso io tsy ratsy :-P
9. fijo ( 23/11/2004 21:16)
ka tsimaintsy misy ihany ny ratsy fa izay tsara aloha jerena e.
10. ikaretsaka ( 24/11/2004 13:14)
Mpandefa : ramaso
22/11/2004 23:19:59

Lohateny : Val : clonage humain

raha mahasoa kao de tsy manohitra aho ko.. mety misy bichette aty akaikiko de bichette koa any akaikin\'i fijo

-------
Hevitra koa izay!!
11. fijo ( 24/11/2004 21:09)
tsssss aza zaraina kosa bibi e.
12. booboo ( 25/11/2004 08:08)
mitovy hevitra @ loockx. Mitovy @ nataon\'i nazis ihany io raha ny antony hanaovana ny clonage humains dia ny hampitombo ny \" tsara \" : zay tsy \" grand blond aux yeux bleus \" dia tsy izy zay !
Raha noho ny antony ara-pahasalamana indray dia terrible aminà ilay hoe manao \" fiompiana \" embryons humains.
13. kinaoly ( 25/11/2004 10:40)
clôner-na impiry zany bichette ? :^)
14. fijo ( 25/11/2004 22:12)
avelaonareo biby wa.
raha hitsaboana kosa aloha tsy maninona mihintsy le mitahiry tsimokolona e.
15. poupounesana ( 27/11/2004 11:38)
raha jerena @maha kristiana alou io resaka clonage io d mi-défier an\'Atra eh! tezitra b @zany eo Izy.
16. kally ( 27/11/2004 13:00)
Aiza moa no hahalalanao an\'izay ao an-tsain\'Andriamanitra,mety faly izy hoe mbà mianatra manao olona koa hono izany ireto oloko e!
17. ikaretsaka ( 29/11/2004 04:45)
ohatran\'ny oe robot manamboatra robot dia hozizy raolombelona hoe manamboatra ny zavatra namboariko koa ity ny zavatra namboariko
18. fijo ( 29/11/2004 21:06)
kally an,isika nga izao tsy efa mahay manamboatra olona?
19. hasn ( 04/12/2004 12:26)
Mafinaritra fa misy mi interesé antsika ny hevitra fa zao : aleo somary sérieux ihany ! Mila mahalala zavatra ihany koa isika tanora malagasy indrindra @ zao fotoana zao!
Ny fitehirizana tsimok\\\'olona izany anie efa ela e! Banques de spermes io tahaka ny banque de sang ihany. Ka efa betsaka ny lehilahy momba manambady vehivavy tsy momba no efa nahazo zaza t@ io: ohatra le tany angletera : izy roa anglisy lasa niteraka mainty ngilo kambana lahy 2! Lasa nisy fitoriana mihitsy moa satria tsy arakaraky ny nantenain\\\'izy mivady no nivoaka! Ka mba hialana @ zany mauvaise surprise izany dia aleo ny tenanao ihany no angalana izay ho taranakao! sa ahoana? Fahadisoana eo @ fanaovana etiquettage mantsy izao io!
Fa ny momba ny hoe misy Sadaam 2 e; Hitler ko e; dia tsotra: natao ionona ny fanjakana! Natao hanana monopole @ ireny zavatra stratégique sy saropady ireny (ao anatin\\\'izany io manipulation génétique io): Koa izy no tokony hi reglémenter an\\\'io; manome alalana sns. Ka raha ao antin\\\'ny atao hoe fitondrana demokratika dia ny Assemblée nationale no manao lalàna hifehezana an\\\'io sehatra io. Izany hoe tapahan\\\'ny besinimaro fa tsy an\\\'olon tokana Ka mino aho fa voafehy izany zavatra izany.
Minoa ahy ianareo fa : t@ andro taloha anie tsy noeritreretine izany hoe hisy olona hanitsaka io volana (lune) io e! nivavahana mihitsy aza anefa, aty aoriana tsy misy ady hevitra mihitsy ny hoe raha eto Tanà aho anio de any Paris aho rahampitso! Miandry fotsiny ny fahatomombanan\\\'ny fitaovana @ izany ny olombelona raha ny fahalalako azy! Zavatra iray tsy tokony natao mihitsy aza efa vita teto ambonin\\\'ity tany ity kah: ohatra mihinana olona (any Thailande io: ary aza gaga nareo fa mety hisy olona am-bifotsy (conserve) any @ magazay sasany any rehefa kelikely fa @ anarana hafa!!!); ny nandatsahana bômba atômika tany nagazaki sns (tsy tokony natao izany satria fandringanana) ) Fa ity klônazy ity kosa anisan\\\'ny famahana olana anefa noho ny fitiavan-tenan\\\'ny olona de sakanana . Ilay izy koa anie tsy hoe androany de androany de teraka le clone e: fa tahaky ny fivoaran\\\'ny tsimoka rehetra ihany 09volana io, ary safidin\\\'ny olona tsirairay koa , sady mety misy hivarotra lafo @ zay ny cellules n\\\'olona sasany(ireo manja sy bikana) De mafinaritra ny eto antany e( satria mihena na tsy hisy intsony ireo teritery (contraintes) isankarazany: ohatra ny fitadiavana vady , zanaka, sns!!
Mba asehoy ny hevitrareo e! Izaho tsy mahita ny lafiratsiny hatr@ zao!
Misaotra anreo mamaly!!
20. hery ( 04/12/2004 13:09)
Raha ny clonage dia mamorona olona iray mitovy amin\'ilay olona angalàna ny selany dia inoako fa be dia be ny zavatra miova amin\'ny maha olombelona. Ny identité unique no tena maha olona. Ary na ny kambana aza dia efa somary sahirana ihany amin\'io ka rehefa lehibe dia miezaka mihitsy ny hiteny hoe tsy mitovy izahay...
Raha toa simbaina ny maha unique ny olona tsirairay dia very tanteraka ny hasina maha izy azy. Mitovy amin\'ny biby iray karazana indray izy avy eo. Marina fa ny ratsy vitanao dia azonao hitambarana amin\'ilay olona mitovy aminao, fa ny tsara vitanao sy ny ezaka kely mba vitanao kosa dia mbola lazaina fa tsy asanao irery ihany... Tsy hitako izay mahatsara an\'izany.
Ho an\'ny olona momba, nahoana no voatery hamorona olona vaovao, asa... avy amin\'ny sela na zavatra hafa... fiononana koa no tokony hiainana amin\'ny fahamombàna. Raha ohatra ka tena mila zaza ao antrano dia azo atao tsara ny manangana zaza fa betsaka izy ireo no mitady ray amandreny. Amin\'izay fotoana izay ny fahafaham-ponao nitady zaza feno moa ilay zaza koa nahazo izay nilainy.
Hevitra nazi izany mitady ny tonga lafatra izany. Raha manao clonage izany dia tsy mba hisy haka clone mihitsy ny ohatranay dontodonto sy ratsiratsy tarehy itony... ry ramaso tonga dia hoe i bichette no atao maromaro. Manana ny zo hisy sy zo hivelona daholo na dia ny olona tsy dia misy ilana azy loatra eo amin\'ny fiainana aza. Asa, ianao mety tonga lafatra, fa ny raiamandreninao sy ny dadabenao tany kosa mety tsy tonga lafatra... ka raha ry zareo no tsy nisy dia ahoana?
Fehiny : Tsy hoe mi-défier an\'Andriamanitra fotsiny ny fanaovana clonage fa mi-défier ny fisiana mihitsy. Mety ho betsaka ny clones hanenina rehefa velona avy eo hoe nahoana aho no tsy mba manana ny maha izy ahy fa ataonareo toa izao??? Fitiavan-tena hanome fahafaham-po ny ray amandreny fotsiny no mahatonga ilay zaza tsy hanana ny personalité-ny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1084