FAMOAHANA MPIANATRA KABARY 28/11/2004

1. judicael ( 16/11/2004 11:14)
Dia fifaliana lehibe no ilazana amintsika izay mpitsidika eto @ Lohahevitra Kolontsaina fa:
Hamoaka ireo mpianatra nahavita ny fianarany taona 2004 izahay, izy ireo dia nianatra ny momba ny KABARY MALAGASY.
Ny toerana hanaovana izany dia ao @ Ankany FJKM AMBOHIPO ny Alahady 28 Novambra 2004 manomboka @ 2 ora tolakandro. Koa anasana antsika namana izay afaka mba hifanotrona @ izany.
Misy 45 mianadahy mianaka no havoaka amin\'io andro io ka 30 ny olon-dehibe ary 15 kosa ireo solofo dimbin\'ny ala.

Dia manantena ny fahatongavantsika maro.

Tsy misy vidim-pidirana.
Misaotra mialoha eh!
novalian'i fijo ny 17/11/2004 21:58
2. fijo ( 16/11/2004 21:48)
dia mankahery ary mahafaly fa efa miha mitombo ny tanora no misento azy io izao.
3. ramoul ( 17/11/2004 21:28)
Mahafinaritra ay izany famoahana mpikabary zany ry judicael
Faly miarahaba an\' ireo izay hivoaka ho mpikabary malagasy ny tenako, ary fisaorana ho an\' ireo solofo dimbin\' ny ala tsy manadino ny fomban\'drazana fahiny :wink:
4. fijo ( 17/11/2004 21:58)
dia aza hadino koa ny asa an. :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.597