Dago: vidiam- bola ny rano @ pompy

1. kitjo ( 12/11/2004 08:23)
Ahoana ny hevitrareo?

Toa mety ihany manko amiko saatria misy olona mandany rano fts sa :?:
novalian'i fijo ny 16/11/2004 23:16
2. kotity ( 12/11/2004 09:05)
Tsy mety mihintsy ka! zao aza ny fiainana efa sarotra ko mbola hovidiana koa ve ny rano, alaivo sary antsaina hoe, sady tsy homan\'kanina no tsy afaka andeha bus no tsy misasa, de inona sisa no maha olona.
3. ravatorano ( 12/11/2004 09:08)
mety hisy marina kely ny hevitrao kitjo fa izao tsy mbola amin izao fotoana iozao no tokony hanaovan ny mpitondra an izany satria tena mahamay b izao eto amin ny tanana raha ny resaka vidin javatra no jerena tsisy izay tsy miakatra ka noho izany tsy aleo v mba misy fiarenany ny toe karena malagassy ary hita fa misy fiantraikany mivantana any amin ny vahoaka tsi1-1 izany dia tsy olana mihitsy ny fandoavan an ireny rano alaina amin ny pompe ireny ary iza moa no mantsaka amin ny pompe tsy ny mahantra sy antonitoniny ihany v ???
Za manokana dia tsy hitako izay nanaovana an io fa mampitombo indray ny fahantran ny vahoaka sy ny fahasorenana amin ity fitondrana izay nofinidiny ity :oops: :oops:
4. loockx ( 12/11/2004 10:41)
Mba efa nojerendry zareo v we ôtran\'ny inn ny faripiainan\'ny ol mantsaka rano eny am paompy? Le vola kely ividianambary indray no hanombinana hividianandrano. Mampalahelo nge zany e. Marina miitsy ni an\'i ravatorano we aleo reefa mba miarindoha ny toe-karena, ary ampiako we reefa mitombo ny fari-piainan\'ireny ol ireny vao asaina mividy izy.

Ary rehefa tena mandinika anie e, ny manana rano any antrano no tena mandany rano noho ny mpantsaka satria tsy handanilany foana izay nisasarany aina sy fotoana eny izy. Rah tsy we efa tsy misy saina angah.
5. moi ( 12/11/2004 13:24)
Atao hoe mety ilay hoe vidiana ny rano eny amin\'ny paompy satria tokoa dia mitsetsetra ny tena mahita paompy misasasasa fotsiny antenantenan\'ora, na amin\'ny alina ; tsy mba nahalala nanidy akory izay nanovo farany ! Na te hizara fotsiny aza ny Jirama, na ny fanjakana, marina raha mba mahita izany tsy hiteny hoe Dia toy izao ve no anaovana ny fananana ?
Ny tsy maha mety azy dia satria tena efa lalina ange ny fahantrana e ! Monina eny amin\'ny faritra be mahantra ny tenako ary mahita fa mba tia fahadiovana ihany ny olona, firifiry no eny no mba mandro, amin\'ny sivy ora alina volana jona (ririnina) aza mbola nahitako !!!
Ny misasa manodidina moa tsy ferana, na vao maraina io, fa ny alina no tena betsaka !
Nony nandoa vola dia tsy misy firy intsony izany fisasana eny izany, dia inoana aloha fa hitombo ny loto !!!
Tsy resaka fotsiny ange ny hoe misy mividy vary amin\'ny boaty Madco (voatabia amin\'ny boaty) !
Na inona na inona fepetra raisina misy lafiny tsara sy ratsy foana e, satria izay ny olona.
6. ramoul ( 12/11/2004 14:11)
Rano vidina :!:
Zany kosa efa sy lasa tsony ka; marina fa lafo ny fanadiovan\' ny JIRAMA ny rano izay alfany any am\' paompy fa na dia izany ary tsy tokony vidina mintsy ny rano.
Betsaka anie ny rano fa saingy ny olona tsy manana ny fandiovana azy é!, manaiky zah fa misy am\'zao ny SUR EAU fa ny vidina lafo loatra (2500 fmg ny ray tam\' zah nandalo tany farany; il y a 2 ans zay) fa ny am\' zao tsy fantatro tsony hoe hoatrinona ny ray.
7. hery ( 12/11/2004 15:40)
Tsy haiko na hoe tena fitsinjovana ilay rano misasasasa rehefa adino ny manidy azy tokoa no anton\'ny fividianana rano. Sarotra ihany ny hieritreritra hoe izany sisa no fomba famaizana ny Gasy... atao ahoana fa tratra eo amin\'ny tendany indray ka ry zalahy jiolahimboton\'ny couloir de la mort no tsy manidy rano dia ry bebe sy ry dadabe izay mitohoka paompy mba hanohanana ilay vary soa kely tsirambin\'ny tanana no mifafa ny kihony.
Rehefa kelikely dia hovidiana koa ny rivotra fohina :-)

Eisy e Ramalagasy... ny eto Roma mbola misy fontaine be dia be azo sotroina misasasasa tsy vidiana... na dia efa tafakatra aza ny toekarena.
8. ikaretsaka ( 12/11/2004 15:48)
amiko aloha dia anisan\'ny fitaizana io e..
mba onena ahako indray andro izay le mahita ilay olona milatra rano lavabe eo @ paompy de kay y ery aloha olona manasa tomobil sy manasa tongotra fotsiny..
mandany rano
efa mety ho rano 5 seaux ange no lanin\'ilay nanasa tongotra fotsiny e..
maninona tsy ery amorondrano ery o manasa tongotra sy tomobil zao ohatra

misy mahatsara azy
9. chipie1 ( 12/11/2004 17:26)
ka raha tsy manambola aza le oul ny hanina ho aniny aza mety ho sarotra aminy ny hividy azy , de ny rano kou vidina ??
raha amiko alou tsy mety!
10. kitjo ( 13/11/2004 13:58)
mety hety iany ny hevitr i ramaso

Mety zany le izy fa tsy tokony mbola main izao fotoana izao e....zay ngamba no amehezana azy......mba manaova ry zareo vote le @ gazety Tribune aza an....sao mba ahhasoa ny olona fa mampalahelo tokoa ireo....

asa tokony hoe asiana fefy ohatra na mba manarama olona ny fanjakana hanara-maso oh miambina an\' ireny
Azo atao ny hoe roa so ihany iskay ny olona ohatra ny maraina dia toy izay koa ny hariva.....efa tokony ho fantapantatra ihany manko ny isam-pokotany...

ny mpanasa tobil sy manasa lamba amzay mba mamonjy renirano
11. ravatorano ( 15/11/2004 07:56)
ariary isaky ny litre ny vidin ny rano eny amin ny pompe amin izao fotoana izao.
Raha nanao kajy aho momba ny rano laninay
ao antrano dia mbola latsak izany ny vidin ny iray litra d gaga sy zendana aho ary ketraka tanteraka fa hay moa ny mahantra ihany no ampahatrana raha izany.
za tsy sarotiny amin io fandraisana anjara io fa toy ny recouvrementt des couts ampiasana eny amin ny toeram pitsaboana io ary lazaiko anareo fa amin izao isika miteny izao d betsak ny malagasy no manatona ny mpitsabo amin ny raokandro noho ny eny amin ny dokotera satria tsisy vola entimanao izany , ary raha hampifandraisina kely dia mety eny amin ny canal andriatany kouh izany ny sasany no haka rano v ?Enga anie tsy hisy izany araka ny tenin ikaretsaka ery ambony hoe maninn raha eny amorondrano no misasa ka madio v io morondrano io sa feno amibe na ....asa....mety tokoa v izany ?Hamonjy an Ikopa indray v sa Sisaony hatsaka rano amin ny renirano b ???
:evil: :evil: :evil:
12. zakilinina ( 15/11/2004 13:32)
ramaso > na rano fisotro na rano avy amin\'ny renirano, rehefa @ pôpy dia lafo ny sarany satria mila fantsona izany. Fantsona amin\'ny hahatongavan\'izy ireny ary fantsona amin\'ny famerenana ny tsy ilaina any @ renirano.
Araka ny hevitro dia mety tokoa ny fandoavam-bola amin\'ny ranon\'ny pôpy. Tokony ho dinihina anefa ny momba ireo mahantra ireo : iza no handoa ny volan\'izy ireo ? Ndrao dia mbola midadasika i Madagasikara ka ireo mahantra ao Tanà mety hanankarem-be any amin\'ny lemaky Menabe, Boina, Bongolava ... ? Tsy mety raha Parisiens na New-Yorkais ... avokoa ny mponina eto an-tany.
Betsaka ny asa mivaingana vita hanajariana ny tany any Andrefana izay ifanampian\'ny fanjakàna sy ny fikambanana ONG. Ny fampielezan-kevitra no tena tsy ampy.
13. kitjo ( 15/11/2004 15:19)
Tsy ratsy ilay hevitra e.

Fa mbola tsy fotoanany kos aizao e.....Ny vary hohanina aza tsy voavidy.....ny laoka mety ten atsisy mitsy.....d ahoana ny olona tsy manan- kohanina mba mande mitsingolika rano @ pompy?

Tsy aleo ve mba hivaha ny olana @ vidim- bary sns aloha?
14. yonikafopl ( 15/11/2004 17:48)
Tena mampalahelo tokoa ireo valala bemandry mitrongo vao homana na ny 10 ar aza efa tsemboka ny sasany vao mahita. ireo nametraka io lalana io ange ka olona manana rano any an-tranony daholo e! tsy mahatsapa ny fahorian\'ireo mahantra. izay no tonga @ teny hoe ny manana manana ihany fa ny tsy manana na ny kely hananany aza hesorina aminy. :(
15. lanto ( 15/11/2004 18:53)
Ny hitako de misy paompy nakatona fa misasasasa fotsiny, nanimba arabe ary lasa nisy dobo mitsy teo akaikiny, aman-taona vao maina :) Misy oul iray ao am fokotany mangataka hamohana ilay paompy, dia misoratra aminy ilay izy any am jirama. Izy indray izany mampandoa vola ny mpaka rano sy manakarama oul hiambina azy. Toa zaran\'ny oul aza aloha nivoha le pompy e! Tsisy menomenona. Ny vidiny lafolafo noho ny any am jirama izany. Sasaina avy an-trano izany sy siny.

16. sipagasy ( 15/11/2004 19:02)
Izaho indray aloha ry Lanto dia miarak\'iombon-kevitra aminao raha toa ka nisy ny fandaniana fa raha izao fiainana izao kosa no mbola haloha vola ihany ny rano dia ahoana ireo 4 Mi izay mba eny no misasa & misotro rano??? marina & ekeko fa misy ny tsy miraharaha ny fitaovam-panjakana fa tsy tokony hamaizana ny daholobe izany, raha ilaina dia asiana mpiambina izy ireny ary karamain\'ny jirama ohatra fa tsy ny rano hosotroina avy koa ka ndeha handoavana vola?????????
17. fijo ( 15/11/2004 22:47)
hevitra efa nisy nandefa io ao ambadika ao.
ka amiko ilaina ilay izy mba ahatonga ny olona ahay hitantana ny zavatra hananany.rehefa aloha vola mantsy io dia samy hitandrina ny olona fa tsy hanimba sy handanindany rano fotsiny intsony.
18. ravatorano ( 16/11/2004 08:10)
nanaiky ny hanajanonana ny fividianana rano eny amin ny pompy eto Antananarivo :D :D manomboka anio ny ben ny tanana antananarivo Renivohitra ary isaorana azy lehibe izany fa nahay nitsinjo ny majinika ihany izy rehefa tratran ny piressiô mafimafy .
Ny foto drafitr asa amin ireny toerana ireny izany dia mba anjaran ny olona mampiasa anazy no manaj azy sy mikolokolo an ireny ka noho izany d anjaran ny tsi1-1 na maka na tsia ranao amin ny pompy no mba manafatrafatra ny maha zava dehibe azy ireny.
Ny voalazan Ingahy Ben ny tananan Antananarivo moa dia hoe sahirana aloha ny vahoaka izao fa izany akory tsy midika fa any aoriana any na vetivety izany na haharitra dia tsy maintsy ho vidiana ihany ireny rano alaina amin ny pompe ireny.
Efa zava dehibe aloha izany no nataon ny mpitantana ny tananan antananarivo fa d ho ela velona anie izy e :D :D :D
19. fatsoraly ( 16/11/2004 08:20)
fanapahakevitra efa afak\'omaky izany ravatorano fa tsy androany ah. Fa angaha ianareo tsy aty Madagasikara e? :?
20. fijo ( 16/11/2004 23:16)
androany io vao nivoaka gazety.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5521