tsy matory

1. mll ( 12/11/2004 00:17)
2 ans ny zanako ,taitra fona izy isaky ny @ 2h du matin ary tsy matory raha tsy 1 h apres
sao mba misy afaka ny hanampy sy manoro hevitra fa tena manahirana be le izy, za mbola tsy te ho any @ dokotera fa tsy tiko sao omeny somnifere
novalian'i watafon ny 10/01/2005 16:02
2. fatsoraly ( 12/11/2004 00:26)
tsy voky tsara angamba izy alohan\'ny hatoriany. io ilay ataon\'ny ntaolo hoe \"tsy mahatsindry tsihy\".
Dia mila ampihomehezina sy ampifalifaliana koa izy an!
Maroroa taiza e!
3. ikaretsaka ( 12/11/2004 03:11)
na koa tsy ampy ny exercice ataony @ atoandro dia amin\'ny alina izy vao \"manampy\" azy
ampandehano.. ampilalaovy ampiasao ny sainy .. dia ohatran\'ny olona avy miasa rehetra @ izay: maka aina @ alina
4. chipie1 ( 12/11/2004 16:12)
ampanaovy bain aminy hariva alohany ny hisakafo.
5. fanja1 ( 16/11/2004 07:30)
ary raha omena lait! mba andramo ihany e!
6. watafon ( 19/11/2004 08:08)
salama enao; voalohany indrindra aloha de za dokotera; fa sao de maniry nify izy na koa hoe misy hafanana ? efa fahazarany ve io de nanomboka oviana kay? be fanontaniana be aho fa raha tsy izany tsy afaka manome torohevitra e!!
zay fa manareta soa e!
7. mll ( 24/11/2004 22:02)
manaona dokotera tena efa kivy a fa efa ho elaela mihintsy izy no tsy matory io de zao miova entre 4h à 5h indray tsy mafana izy ary tsy maniry nify, mieritreritra koa za hoe sao dia manonofy ratsy na voky lotra
8. nikopol ( 25/11/2004 20:09)
mety mila zandriny izy !
9. idealy ( 02/01/2005 07:02)
ka amiko alo de normal izany eh .Izay 1h fotsiny ve ?Ny sasany aza alina tontolo tsy matory fa milalao na mila vaniny .Ka mahereza eh
10. pitchoune ( 08/01/2005 19:33)
Expérience no laziko fa sao dia mba mety manampy. Ny fanafody omen\'ny dokotera tsy voatery ho somnifère mahalasa dépendant fa mijereva ihany aloha dokotera satria izy io resaka fahazarana ao amin\'ny tenany, hitanao ohatran\'ny ianao amin\'ny maraina tsy main,tsy taitra amin\'ny dimy ohatra na misy réveil na tsy misy? dia mila averina kely amin\'ny laoniny ny pendule, mety in-dray fotsiny izy no mihinana fanafody dia tsy mifiha indray raha tsy maraina ny andro. Havitra iny fa tsy voatery ho raisina
11. watafon ( 08/01/2005 20:05)
ka rehefa tsy misy hafanana ange izy na tsy maniry nify de tsy misy tokony hampanahy fa resaka fahazarana ihany zany e! sady tsy misy fanafody tokony hohanina angamba hoy aho satria, raha 1 h tsy matory ange izy azony fôna zay @ antoandro e!
12. chipie1 ( 08/01/2005 20:30)
misy anle fombany gasy andorona volo izy alohany hatory , ka asa na hety natsia
13. xxx ( 09/01/2005 15:01)
SAO DE MANAO ODY NDRAY ZANY CHIPIE FA EFA HAFA TALOHA ALO é ,de normale ny olona ra tsy matory ,fa tsy maintsy mahita tory foana izy
14. ikaretsaka ( 09/01/2005 18:00)
tsy ody izany ilay hoe mandoro volo fa ilay fofon\'ilay volo may iny dia misy substance mampatory.
15. watafon ( 10/01/2005 16:02)
inona lesy no anaran\'ilay substance ry ika? sô d mba hain\'là !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3454