Teny fankaherezana

1. fatsoraly ( 07/11/2004 02:28)
Tsy hiady hevitra aho fa ho fanalana ny ahiahy @ isika mino ny Baiboly dia mba hitondra teny fankaherezana.


1) Mifampivavaha mba tsy ho mora voarebireby isika ka tsy hisalasala na dia kely akory aza ny @ Baiboly, izay andraisantsika fahasoavana. \"Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao hianareo hiala amin\'Izay efa niantso anareo tamin\'ny fahasoavan\'i Kristy ho amin\'ny filazantsara hafa, izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran\'i Kristy.\" Galatiana 1:6-7

2) ENY, AMPY mahavonjy antsika tokoa ny filazantsaran\'i Kristy ary io no amonjena antsika. Tano mafy ny finoanao mba tsy hisy handrombaka ny satroboninahitrao hoy Paoly. \"Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana hianareo.\" 1 Kor 15:1-2

3) Misy ny manao toy ny hoe izay voasoratra ao anaty Baiboly ve dia mety avokoa? ENY! ARAKA NY FIHEVITR\'ANDRIAMANITRA dia mety avokoa izay voasoratra ao. Fa ny fihevitro tsy mba toy ny fihevitrareo, ary ny lalako tsy toy lalanareo hoy Izy ao @ Isaia 55:9

4) Esory ny fisalasalana rehetra, ary ento amimbavaka koa na ny mino na ireo tsy mino. \"Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin\'izay nandre\" Hebreo 4:2
novalian'i fijo ny 10/11/2004 22:14
2. ikaretsaka ( 07/11/2004 02:48)
tsy efa notenenita tato va io ary tsy efa nanaovana fanamarihana hoe .. aza alaina @ izay hanamarinana ilay hevitra fotsiny ny andalana ao?
Rehefa mba tenenika kosa hoa dia mba aoka izay!
3. xxx ( 07/11/2004 02:54)
Ny nety T@ Paoly sy ny ny kristianina tany korinto, na ny Hebreo na Izaia sy ny vahoaka Israelita dia tsy voatery ho mety @ Olona @ izoa vanim-potoana izao
4. ikaretsaka ( 07/11/2004 03:48)
Tokony ho izaho angamba ny tokony ho firafitr\'ilay fehezanteny!


.....isika mino ny Baiboly ----->[FOTSINY]
5. ikaretsaka ( 07/11/2004 03:50)
\"izao\" fa tsy izaho.. mihinam-bary (fotsiny) aza misy latsaka :-*
6. xxx ( 07/11/2004 03:51)
http://serasera.org/forum/index.php?rub=viewthread&msgid=m413e3bf8ad57f
7. kally ( 07/11/2004 17:38)
Tsy efa notenenina teto koa ve malalaka ny tsirairay haneho ny heviny na Baiboly no tiany havoaka,na boky hafa fa Ikaretsaka kosa e!
8. ikaretsaka ( 07/11/2004 17:55)
za angaha mandrara azy moa y kally..
manitsy kely fotsiny aho hoe aleo atao hoe
Zareo mino ny baiboly [FOTSINY] ilay fampidirana ery ambony
9. moi ( 08/11/2004 12:54)
Mba tsy tafiditra tao anatin\'ny lohateny ny hoe \"isika mino ny baiboly\" fa efa voasoratra ao amin\'ny fehezan-teny voalohany nataony e !

Misaotra amin\'ny fankaherezana ry fatsoraly, fa raha mba misy afaka manome fampaherezana an\'ireo \"tsy mino ny baiboly\" dia mba samy mahazo daholo e !
Ohatra hoe mba manome horoscope ato isan\'andro izay mba manana talenta amin\'izay ... Ny any amin\'ny gazety ireny mantsy fitaka be ... Jereo fa handefa lohahevitra horoscope any aho.

10. fijo ( 08/11/2004 21:22)
marina io voalazan\'ika io.
ary inty koa fampaherezana iray.
mahazotoa mamaky io boky io,dia aza nanaraka ny fivoaran\'izao tontolo izao fa sao diso daty.
11. ikaretsaka ( 09/11/2004 00:05)
dia hitovy @ arabo nareo.. efa jeans ny lamaody ny anareo mbola rebareba t@ andron\'i mohamendy ihany
12. kally ( 09/11/2004 18:10)
Ny tena marina tsy azonareo ny fomba fifandraisanay @ Baiboly, aza mitsara zavatra tsy ananareo informations feno.Ohatry ny hoe ilay olona teo akaikinareo nividy pneu dia mitsikanikany ery ianareo hoe hataony inona iny,angamba hatositosiny eraky ny tanĂ na atao karazana kalesy,sa ho dorany hatao solona kitay, ny tsy fantatrareo dia manana fiara ilay olona hametahany an\'iny kodiarana iny.Ka aza mora mitsara akaiky loatra fa diniho ihany e!
13. fijo ( 09/11/2004 21:51)
izay.raha hiresaka baiboly dia asio foana io \"fotsiny \"io dia mazava aminay izay tiana hiantefany.
14. ikaretsaka ( 10/11/2004 03:24)
efa ela io hevitra io no natsipiko.. vo nanomboka ity adihevitra ity
15. fijo ( 10/11/2004 22:14)
izay izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3339