mampitombo point

1. maditra ( 06/11/2004 01:33)
Niezaka namaky ny resaka ato amin\'ity forum ity aho tato ho ato ka mahita fa misy zavatra tena tsy misy ilana azy no voateny ato. Misy izay tokony handeha any amin\'ny hatsikana no lasa any amin\'ny zavatratsy tokony hipetrahany any. Fa misy izay hita fa tsy tokony hitenenina izany mihitsy. Izany marina moa ny atao hoe liberte d\'expression?
Nalaim-panahy aho rehefa nandinika ny iray tato izay fa toa lasa fakana points fotsiny ilay izy nefa \"bete\" be. Mety ho important amin\'ny mpandefa ihany angamba izy ireny. Tsy azoko ka ahoana ny mba hevitrareo?
répondu par fijo le 09/11/2004 22:20
2. fatsoraly ( 06/11/2004 02:45)
maditra> raha ahy ilay hafatra diso toerana ry \"hendry\" dia mba resaho i Hery azafady hanala azy an!
Misaotra
3. lema ( 06/11/2004 14:25)
maditra:ny resaka mety misy dikany aminao mety tsisy dikany amiko ary ny resaka misy dikany amiko mety tsy hisy dikany aminao,ka malalaka be ny sehatra ka afaka manoratra izay tiany ho fantaraina.
4. zakilinina ( 06/11/2004 15:26)
Ny somary mampalahelo kely dia ny fahasarotan\'ny sivana indrindra ny momba ny resaka vetaveta ao amin\'ny lohahevitra ankapobeny. Ilay resaka \"firaisana malagasy\" izay tena feno fahavetavetana be, ohatra, dia napetraka tao amin\'ny lohahevitra fitiavana tamin\'ny 20/10/04. Tamin\'ny 01/11/04 tany ho any vao nesorina tao ka nafindra tany amin\'ny lohahevitra \"resak\'olon-dehibe\".
5. hery ( 06/11/2004 18:29)
Marina aloha io tenenin\'i zakilinina io... misy fotoana tsy tonga dia mamindra hafatra ny mpitantana satria mbola mifampiera aloha hoe ahoana io... rehefa tena tapaka fa tsy mety dia afindra.

Misaotra hatrany amin\'ny fanatsarana e.

Ny resaka hoe mampitombo point dia tsy misy azo atao fa samy mahatsapa tena... Inona moa no dikan\'ny hoe misoratra ho anisan\'ny be points kanefa fantatry ny olona rehetra ny antony nahabetsaka azy fa ilay tary amin\'ny forum? sns...
6. kitjo ( 07/11/2004 06:20)
Fa inona anefa no anenjehana an\' ilay points e?

Raha hevitra ndray aloha arakaraka ilay mpandray azy io....misy ny hevitra mahaliaan ny olona ohatra fa mety hoe @teny anglisy...d izay mahay ihany no mahazo azy.....

fanehoana hevitra eto fa rehefa mifanaja angamba d ampy...
7. fijo ( 09/11/2004 22:20)
marina ny an\'i kitjo.aleo handeha daholo ny hevitra fa rehefa tsy misy miraharaha ve iny tsy ho hita eo ihany e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1354