fanakalozana euros

1. litatoky ( 27/10/2004 21:33)
samy tsara . ny banky irery ve sa misy organisme hafa afaka manakalo vola vahiny avadika vola gasy ? Ireny vahiny indrindra avec voyages organisés ireny ve dia mandalo banky daholo ?
novalian'i fijo ny 11/11/2004 22:10
2. loockx ( 28/10/2004 03:27)
misy bureaux de change maro2 zao eto amtanàna e. Rah vola vahiny atakalo vola gasy d any ary matetika no tsaratsara kokoa noho ny banky
3. zandrinifijo ( 28/10/2004 09:37)
any amy le be vola sandoka
4. xxx ( 28/10/2004 13:28)
atakaloko @ banky ranga nenaha a!
5. fijo ( 28/10/2004 22:23)
ary ny eny analakely
6. sipagasy ( 29/10/2004 19:02)
raha te hanakalo vola ianao tsy misy azo itokisana mihoatran\'ny banky irery ihany, marina fa misy ny manakalo eny @ sisiny fa raha hitohy izany dia ho fadiranovana ny firenena satria dia hitotongana ny vola malagasy tsy hanana lanja intsony, aza miala @ marina ihany é!
7. fatsoraly ( 30/10/2004 06:14)
tandremo ny mahatoky be fahatany fa ny mpiasan\'ny banky sasany aza mety mampiditra vola sandoka ho diovina ao!

CHF atakalo fa ireny tsy misy misoloky
8. kitjo ( 30/10/2004 17:39)
Misy agence ara-dalana k
Ohatra SOCIMAD eo tsaralalana ary ambony ny taux de change fa ny any @banky kosa aloha tena tttssss....

Fa ny eny Analakely sy Antsahavola aloha ambony koa kanefa tsy ara-dalana ka aza tratra sady tandremo sao voa dobla ka sady ho tratry ny vola sandoka no mbola tratra fa tsy manara-dalana koa.
9. fijo ( 01/11/2004 23:19)
ok hita izay e.
10. sipagasy ( 09/11/2004 20:35)
tandremo fa io SOCIMAD mmmhhhhhh
11. sipagasy ( 09/11/2004 20:45)
afaka anaovana afera ho an\'izay mila manpiseho vola ao @ consulat nefa tsy manana hihihi
12. fijo ( 09/11/2004 22:31)
ah milay koa izay ka
13. sipagasy ( 09/11/2004 23:10)
hevitra atsipy iny hiii fa tena marina ann mila anao mahay miresaka @ oul ao fotsiny kann :lol:
14. fijo ( 09/11/2004 23:40)
za tsy mahay miresaka ity izany dia voa ko
15. kally ( 10/11/2004 14:55)
Tandremo fa mangalatra be ilay Socimad an! mody miraikiraiky sady meda be izy dia ianao efa maika be iny raha vao tsy maka fotoana mijery tsara ianao dia voany....fa ilay an\'ny banky kosa tsy rariny, indrindra moa ny CL izay efa voasazy erak\'ity vazamontotra rehetra ity noho ny fisolokiany vahoaka. :evil:
16. fijo ( 10/11/2004 22:39)
tsy aleo voan\'ny bala.
17. kally ( 11/11/2004 12:48)
Andao ho eny Antsahavola e! :D
18. fijo ( 11/11/2004 22:10)
misy inona eny ry kally?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3898