Misy matematisianina?

1. hery ( 26/10/2004 15:26)
Misy olana ara-matematika kely raha mba misy afaka mamaha azy.
Toa izao ary ny laza adina.
Ao amin\'ny vetso.serasera.org dia misy fomba fanomezana isa ny tononkalo tsirairay avy. Tiako ho fantatra ary ny tononkalo be isa indrindra kanefa izao. Raha atao hoe salanisa ilay izy dia misy olana kely. Raha tononkalo iray vao tonga nefa omen\'ny namana iray isa 5 dia manjary iny no be isa indrindra (5/5). Izany hoe hevitr\'olona iray no manjary sala\'isa 100%. Dia ahoana ary ny fomba hisian\'ny hoe raha olona iray no manome isa dia mbola tsy 5/5 no isa azony na dia nanome 5 aza iny olona iny? Saika nataoko hoe ampifandraisina amin\'ny isan\'ny namana ilay izy kanefa misy namana tsy manome isa. Raha ohatra indray ka kajina ny isan\'ny namana nanome isa (azo atao izay) dia midika hoe nanome 0 ny namana tsy nanome isa... de ahoana re izany e :-)

Raha somary tsy mazava tsara dia jereo ny fomba fanomezana isa ao amin\'ny Tononkalo na vetso.serasera.org
novalian'i pissoa ny 07/01/2005 18:46
2. nykanto ( 26/10/2004 16:17)
Ny fanao aloha dia mampiditra constante anakiray izay nokajiana tamin\'ny salan\'isan\'ny mpanome isa, dia io constante io no mi- corriger foana ny isa omen\'ny mpankafy tononkalo, fonction inverse ilay izy pour transformer et corriger les inegalités.
Ny tenako manokana tsy matematisianina fa hevitra io no atsipiko ho karazana \"piste\" ho an\'ireo efa za-draharaha.
Ny Kanto.
3. fijo ( 26/10/2004 20:41)
za tsy mahay math,ary ny X tiako dia ilay iray mahazatra. :-D :-D :-D fa maninona marina raha asiana fetra araka io voalazan\'i ramaso io.tsy isaina ny isa azon\'ny tononkalo iray raha tsy misy mpifidy dimy na asa izay hitan\'i hery arakaraky ny hamaron\'ny mpifidy.
4. dotmg ( 27/10/2004 06:35)
Sao ilay mijanona amin\' izao ihany no tsara ry Hery? Amin\' izay ny olona iray rehefa mamaky tononkalo iray nahazo isa 5/5 ka mahita fa tsy mendrika akory ilay tononkalo dia mba manome isa izay heveriny ho tokony ho izy izy.
Fa rehefa mandahatra fotsiny no tokony haseho ny isan\' ny vato azon\' ny tononkalo iray, ohatra :
Tononkalo A: 3/5 Vato azo : 13
Tononkalo B: 2.79/5 Vato azo : 27

Ny olana mantsy manjary izay tononkalo be mpamaky ihany no ho talaky maso raha vao mikaonty be iny isa iny.
5. nykanto ( 27/10/2004 08:44)
Vahaolana hitako ary azo tanterahina dia izao :
Izay rehetra mitsidika sy mamaky tononkalo iray dia tsy afaka mivoaka an\\\'io pejy io raha tsy mametraka ny isa. Amin\\\'izay tsy mipetraka intsony ny olana fa tonga dia ny salan\\\'isan\\\'ireo izay nanokatra ka namaky ilay tononkalo no miseho. Asa ahoana no fahitanareo io hevitro io ?
Ny Kanto
6. xxx ( 27/10/2004 08:56)
maninona anefa ry hery raha tsy asiana isa izany ny tononkalo e ?
7. hery ( 28/10/2004 10:03)
Aleo tokoa io nolazain\'i dotmg io no hatao. Manome lanja ny famakiana tononkalo koa izy amin\'izay.
xxx > aleo asiana isa ihany kah... fa maninona no tsy asiana? :-)
8. sorom ( 06/01/2005 16:05)
Raha X no isan\'ny nanome isa (Y/5) ny tononkalo iray dia azo atao tsara ny mitady ny moyenne : (somme des (Yi/5))/X soit Yi/5X, i allant de 1 a X. Tsy matematisianina aho akory fa heveriko hoe tsotsotra kokoa raha moyenne no alaina...
9. hery ( 07/01/2005 07:43)
Io nolazain\'i sorom io no toa ao amin\'izao. io ilay noheveriko fa tsy mety satria izao ny application-ny.
Raha 1 no isan\'ny nanome isa 5/5 ny tononkalo iray dia anana isa 5/5 izany io tononkalo io. Hevitr\'olon-tokana fotsiny anefa io.
Raha misy tononkalo iray hafa ka 500 ny isan\'ny nanome isa kanefa 4/5 ny moyenne dia mbola ambany lanja izany io noho ilay 5/5.
Io no mitranga amin\'izao fotoana izao... kanefa azo ajanona amin\'io satria raha hitan\'ny olona hoe ambony isa ilay tononkalo dia miezaka mamaky ny sasany... dia manome izay isa hitany fa tena mendrika ilay tononkalo sns.
10. ( 07/01/2005 18:35)
Hery> Tsy dia mety ilay hoe mametraka isa vao miala raha ny hevitro: isaisa fotsiny no omen\'ny mpamaky fa tsy ny tena lanjan\'ny tonokalo ( olana ho an\'ny kolotsaina).
Hevitra: aleo rehefa mihoatra ny dimy ny manome isa no manomboka manao moyenne.Ny mpamaky tsy manome isa ny mpamaky dia heverina hoe nanome isa 2.8502/5(*) ny isa nomeny. Ny moyenne ataonao izany dia miankina amin\'ny mpamaky rehetra avy eo.
(*):Miankina amin\'ny antony tsy nanomezana ny isa no nangalako io marika io. Sokajiako hoe tsy dia tiany ilay tononkalo de tsy nametraka isa izy. Indraindray anefa tsy izay no antony, mety tsy te hametraka fotsiny, na vaovao ny namana ka tsy tsikariny hoe misy manome isa. De kajikajy kely miankina amin\'ireo no nanaovako hoe aleo omena io isa io izy rehefa tsy manome isa ny mpamaky. Mety?
:wink:
11. pissoa ( 07/01/2005 18:46)
Hery> Hadinoko, Pissoa no nandefa io valiny eo ambony io ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.435