madagascar (the movie)

1. ikaretsaka ( 25/10/2004 00:20)
efa vonona ary hivoaka @ volana mai @ herintaona ilay dessins anime hoe madagascar
http://www.madagascar-themovie.com/
2. fanja1 ( 25/10/2004 07:10)
tsara be no bien fait kousa ilay izy kou :-D
3. xxx ( 25/10/2004 07:56)
Matotra kosa io cartoon movie io an, tena miandry mafy ny hivoahan io aho.
4. nykanto ( 25/10/2004 15:20)
Hum tena tsara !!!!! ary ny vokatry ny fivoahan\'io koa tokony efa homanintsika dieny izao satria hivoaka manerantany izany io tantara io ... ho fantatry ny olona amin\'izay fa misy i Madagasikara, aiza no misy azy ?

Isaorana ny mpikarakara eh, tena nety mbola nahafaly bebe kokoa raha toa ka mba hoe malagasy no nihavian\'ny hevitra sy hahavita ny toa izao.

Ny Kanto.
5. xxx ( 25/10/2004 15:29)
tsara marina

Akuna matata angaha ny genren\'ilay izy ?
6. xxx ( 25/10/2004 15:35)
tantaran-dry ry trimobe sy faramalemy, ikotofetsy sy mahaka sns ireny izao no tsara atao dessin animé satria tena typique gasy
7. jhouhlambout ( 26/10/2004 17:24)
8. fatsoraly ( 30/10/2004 06:19)
hahaha! ela ny ela ka nisy \"zebra\" teto madagasikara. @ manaraka koala sy panda sy karanalahy :-D

fa tsara aloha ilay izy e. 8)
9. ikaretsaka ( 30/10/2004 12:34)
fatsoraly> ka tsy arak\'ialahy ilay tantara... ireo biby ireo dia niporitsaka Zoo dia nandeha sambo dia tratran\'ny naufrage dia lasa tany madagascar.
Aza miteny aloha hoa raha tsy efa naharaka fa manala baraka tena be
10. kitjo ( 30/10/2004 16:40)
za mbo gaga!
Zay koa no nahafilm azy ange e.....tsy film kory aza fa DA

za aloha dia mahita oe milay le izy e..
Efa suspens b fts teo fa tsy nisy nety hi-\"distribuer\" le izy fa zao toa efa nivaha ny olana fa asa na iz ano nandray azy
11. fatsoraly ( 31/10/2004 02:13)
ikaretsaka> ataon\'lisany teny tsy fantatra kano! mba tantatrao hoe lesy henoina... :wink:
12. kitjo ( 31/10/2004 14:55)
asaivo asian Hery vocal eto d zay koa mbo hihaino.hiihhihihih

le sary no tena jerena zany e
13. welieoelee ( 16/12/2004 20:27)
Milay kosa aloha ilay izy fa laingalainga e!
Marina fa halaza be indray izany i Madagasikara @ été 2005 izao an!
Ary sûre aho fa ho betsaka ny hijery azy io satria mitovy @ dry Schrek (be mpijery be).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2529