ravalo sy ny mamatsy vola

1. fijo ( 18/10/2004 21:13)
raha nijery gazety aho androany dia nahita izao voalazan\'i ravalo izao\"hotantanany ny famatsiana ny tanjona\"projet\" rehetra ka izay mpamatsy vola tsy faly dia mahazo mandeha miaraka amin\'ny volany\"
raha za aloha dia nahafaly ahy io teny io satria manomboka mba sahy mampiseho ny maha izy azy ny gasy izy.ary tsy mandohalika intsony eo anatrehan\'ny mpanambola.io fahasahiana eo imason\'ny mpanambola io mantsy no tsy ampy tany hatrizay.
asa kosa izay hevitrao namana.
novalian'i fijo ny 21/10/2004 19:52
2. ravatorano ( 19/10/2004 07:26)
Izao koa anefa no mahagaga may ery isika na ny mpitondra fanjakana hanatratra ity point d \'achevement ity ka tratra izy izao iray izay.
Faharoa nofafan ny Banky Iraisam pirenena ny atsasaky ny trosan i Madagasikara izay mitetina 2 milliard de Dollars eo d masahy milaza indray v fa mahazo mandeha izay mpamatsy vola tsy faly miaraka amin ny volany rehefa tsy manaiky fa ho tantanan ny Presidence ny projet rehetra ampiasana vola eto Dago.
Aminareo v aloha misy lojikany izany.Jereo amin ny fo tsy miangatra fa tsy ho araky ny Filoha daholo ny hanaramaso ny activité rehetra amin ny projet maro eto amintsika.
Raha izany no izy inn no manakana antsika tsy avy d miala amin ireo mpamatsy vola ireo d mitady hafa na tsy mila mihitsy fa sd hiantehatra amin ny heritsika isika.
Ho vita v izany ? Minoa fotsiny ihany ary d mahareta kely fa ny point d \'achevement efa neken ny FMI nanomboka omaly fa tratra ary hita fa miasa tokoa ny governemanta sy ny fitondram panjakana.
Adinonao fijo no nitatitra hoe \'\'\"\"raha tsy hanao banky ny malagasy hanampiana ny samy malagasy dia hampiasa ny volany ny filoha\"\"
Omeko roa ka hatramin ny enimbolana inareo hikarakarana ny fisokafan izany fa vita izay dia ka tsy hanao ianareo d hatsangako ny ahy ary efa nampilaza aho fa sao d hisy ilaza indray fa hidiran ny Filoha daholo ny sehatra rehetra amin ny ara toekarena misy.
Rariny kosa aloha raha manao izy amin ny volany,sy ny fananany satria avetrany fotsiny eo kosa v ny volany tsy hampiasainy ary raha entina marina hanasoavana ny malagasy d isan ny mpanohana ny hevitra ny tenako.
Manahirana ihany ny toe draharaha eto amin tsika eto Madagasikara satria ny lazaian izao hafa ary ny rehefa avy eo kosa d azo hanoherana ilay voalaza teo aloha.
Tsy haintsotry eh
3. xxx ( 19/10/2004 17:44)
8O :?: :?: :?:
4. fijo ( 19/10/2004 19:52)
ravato>tsy hitako io resaka banky io tao amin\'ilay gazety.
ilay miala amin\'ireompamatsy vola aloha dia tsy ao izay e.ny tiako lazaina fotsiny dia izao.izao isika vao sahy mamaly sy mifanandrina amin\'ireo mpanambola vahiny.io dia tiako soritana satria ny vazaha rehefa mahavaly azy toa io ianao vao tena manaja anao izy.izay no tena nanaitra ahy.
ny tokony hotohizana izao dia ny momba ireo mpampiasa vola amin\'ny zone fanche.tokony hasiana harifanina amin\'izay ny fanandevozana ataondreo fa tsy jerena fotsiny.efa sahy ihany dia tokony mametra ny rehetra amin\'izay.
5. fijo ( 20/10/2004 20:39)
raha voafehy ireo dia handroso ny gasy.
6. ravatorano ( 21/10/2004 06:54)
miombo kevitra aminareo aho amin ilay fametrahana arofanina amin ny sehatray ny orinasa afaka haba ireny.
Raha ny resaka maha mpiasa amin ireny d mampalaelo tokoa satria tsy araky ny asa vitan dry zareo ny vola hiditra aminy .
Ny orinasa afaka haba dia misy lalana izay nolaniana teny amin ny antanimieram pirenana mamaritra azy ireo.Maro ny depité milaza fa manambaka olona ireo ka maninn raha manao projet de loi vao2 sa sao d tsy mifanaraka amin ny fifanarahana amin ireo mpamatsy vola indray izay efa nolazaina fa azo atao tsara ny miala aminy raha efa tsy mifanaraka amin ny tiatsika.
Mijaly ry zareo mpiasa any ary tsarovy fa ny firenena malagasy izao dia anisan ny miady voalohanay amin ny fahamoran ny karaman ny mpiasa ( main d \'oeuvre moins chère ).
Mbola ho ela aloha ny fiovana eo amin ireny fa maro b ny fifanoheran kevitra momba azy ireny sady maro koa ny mahazo tombotsoa mivantana amin ny fisian ireny ny vitsivitsy tompon andraikitra ambony ao d manahirana eh
7. fijo ( 21/10/2004 19:52)
ravato an.hitako tamina boky economia taty fa ny karanana frantsay iray farany ambany aty frantsa dia ahafahana manome karamana gasy 55.ary nolazainy tao fa madagasikara no tany mora karama indrindra.ka raha miova kely aza io lalana io,tsy ahita karama mora noho ny ao izy ka tsy sahy hiala.ny azy anie vola no hilainy e.izay ahazoana tombony ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1526