<> Antsonjombe. Voafitaka tanteraka ny mpijery

1. xxx ( 18/10/2004 13:48)
Voalohany nanao spectacle ankalamanjana ny Fitiavana marina afohezintsika hoe , Nanao fomba nisarihana olona satria mety tsy hahazo mpijery ,Dia nasiana ilay Peugeot 405,Loka sarihina @ireo billet izay nidirana ihany!
10 000 Fmg izany sady mijery spect , no mety hahazo vam , Tsara kosa aloha izany e !Sady mora ny participation na dia atao hoe occasion gasy aza ilay izy,ny an`ny braderie aza 25 000 Fmg ny participation @ ilay loka fotsiny io an!
Ny zava_nisy teny anefa dia izao , koa anjaranareo ny mandinika :
-Nazavaina tsara t@ tele sy radio fa @ 11 ora no manomboka ny spect , ary ho sarihanana @ 4 ora sy sasany , na @ 5 ora farafahatarany ilay loka:
Tamin`ny 12 ora anefa vao nanomboka ilay izy .
Natao ilay hira gasy aloha ! ary tany @ 2 ora sy sasany tany io vao vita , tsy tapaka ny jiro fa mandeha tsara ihany , dia milaza i Clara (Mpanentana ), fa tapatapaka hono ny jiro ary tsy maintsy hampiasa groupe , dia nihainohaino teo nandritra ny antsasakadiny ,tsy misy hirahira , fa mihainohaino @izao fotsiny , mody miregle an`ilay batery sy baffle , fotsiny ireny mecanicien an`ny Sonat ireny , Ny but andry zareo kanefa @io dia ny .
Efa maizina be ny andro vao natao ny tirrage .Talohan`izay aloha dia mba mody mistyle ireo lazaina hoe solontenam-panjakana mijery ny loka ho zaraina , dia mba mody manantona sy mamoha ny varavaran`ilay 405 . Natao @ izay ny fisarihana @ andro maizina be ( Mba fantatr`ireo lazaina fa solontenampanjaka ireo ve hoe atao @ Mazava io fisarihana io , Satria dia Phare auto iray sy jiro iray mitsilopilopy no hany nanazava t@io fotoana io ) .
Ny tetika faharoa nataondry zareo koa dia izao , Nantsoina ilay hisarika , ary bandy kely iray teo @ 13 ans teo no tonga , kanefa dia naverindry zareo fa ilay tena kely hono no tadiavina , Ankizy vavy kely 8 ans ary no nisarika ilay izy , ary tsy nasainy mitodika ao @ urne fa nasainy mitodika aty @ specta , rehefa azo ilay billet dia tsy jeren`ilay ankizy , fa tonga dia i Clara no mamaky azy , Ny iray dia laharana + de 7000 ary ilay auto kosa dia laharana + de 8000.
Raha ny fijeriko azy anefa dia tsy ampy 6000 akory ny mpijery tao . Koa mazava ilay tetika , voalohany :atao izay hahamaizina ny andro izay vao sarihana ny loka , Faharoa:Atao tena ankizy faran`izay kely no manao ny tirrage , ary tsy asaina mijery ilay chiffre nosarihany , Fahatelo: Tsy miantso Commissaire au jeu , fa mody atao hoe solontenampankana , kanefa ireo efa miaramisoloky eo ihany ,Fahefatra : Tsy maintsy ilay chiffre ambonin`ny isan`ny spect mijery no tononina dia mazava ho azy fa tsy hisy hahazo izany eo ,dia tsy nisy nahazo tokoa ilay izy! Ny tianay ho fantatra dia izao ! Iza ny anaran`ireny roa lahy lazainareo fa solontenampanjakana ireny aiza izy ireny no miasa , Tena Huissier ve ireny sa sandoka ! Iza no nahazo ilay 405 , fa raha mbola entin`areo iny Radodo dia ho hitan`ny havanareo eo nareo ! Ny farany dia izao , Mamapalahelo ianareo Gasy kely mpijery niaritra ny andro alina , sao mba hahazo fiara , kanefa hay voasandoka daholo nareo , Nisy tsy nahita Bus nody mihintsy dia nandeha antongotra hatrany Antsonjombe ka hatrany Analakely.dIA ALEO IHOMEHEZANA FOTSINY E! Misaotra betsaka Dodo sy i Clara a !
novalian'i fijo ny 18/10/2004 22:57
2. fijo ( 18/10/2004 22:57)
azavoany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1865